· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Avrily, 2012

Fomba Ahoana No Tokony Hitantanantsika Ny Aterineto? Vovonana Manerantanin'ny INET 2012

GV Mpisolovava  24 Avrily 2012

Ilay sehatra fifanakalozan-dresaka INET 2012 dia hatao ny 22 hatramin'ny 24 Aprily 2012 ao Genève, any Suisse. Azo atao ny manaraka ilay vovonana avy any lavitra any, mikasika ny fiainana manokana, ny tsy fiandanian'ny Net, ny IPv6, ny fiarovana, ny amin'ireo votoaty niomerika sy ny zava-baovao, ny zon'olombelona sy ny fahalalahana maneho hevitra, ankoatra ireo olana maro hafa hanana ny fiantraikany eo amin'ny fahamarinan-toerana sy ny firoboroboana ary ny fivelaran'ny Aterineto manerana izao tontolo izao.

Sénégal : #Sunu2012, Fomba Iray Hitan'ny Afrikana Hanaraha-maso Ny Fifidianana

  23 Avrily 2012

Ny harivan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenana senegaly, tamin'ny 9 ora alina i Pape Alé Niang mpanao gazetin'ny 2stv dia efa afaka nanome sahady ny fironana mavesatra avy amin'ireo vokatra. Ireo vokatra sy vinavinan'ny #Sunu2012 no navoakan'ny fahitalavitra senegaly ary avy amin'izy ireny no azo antoka fa nahafahana voalohany indrindra namoaka vokatra dieny vao tamin'ny 9 ora alina fotsiny.Sunu2012 dia tetikasa iray nosainina sy novokarn'i Cheikh Fall tamin'ny 2008. Ity no hahafantarana bebe kokoa momba io tetikasa io :

Tontolo Arabo: Ireo Teknolojia Niasa Nandritra Ny Fotoanan'ny Revolisiona

Efa niteraka adihevitra ny  fanovana nentin'ny fifampitam-baovaon'olo-tsotra sy ny teknolojian'ny finday teo amin'ny fitroarana Arabo. Na inona na inona anefa ny fehin-kevitra avy aminao, azo heverina tokoa fa nampiasa ireo taranjan-teknolojia vaovao ireo ny mpikatroka ary hitarataratra ny sasantsasany amin'izy ireny isika amin'ity lahatsoratra ity. Mitatitra ny fisamborana anao Maro ny bilogera...

Korea Avaratra: Resaka Manodidina Ny Fandefasana Balafomanga Tsy Nahomby

  19 Avrily 2012

Nandefa balafomanga i Korea Avaratra tamin'ny 12 aprily 2012 na dia teo aza ny fampitandremana iraisam-pirenena sy ny fandrahonana fanokana-monina mafimafy kokoa. Indrisy anefa, fa nipoaka tanteraka ny balafomanga taoriana indrindra ny nandefasana azy ka nilatsaka tao anaty ranomasina ny potiny. Niteraka fanehoan-kevitra marobe teo anivon'ny aterineto Koreana-tatsimo izany voina izany. Tsikera...

India: Milefitra Amin’ny Fitakiana Fanivanana Ny Orinasa Mpanolotra Aterineto

  17 Avrily 2012

Nanao dingana niverin-dàlana lehibe i India raha nitaky tamin’ ireo orinasan'aterineto lehibe 20 , ka ao anatin’ izany Google, Facebook , sy Twitter,  ny ampisehoan’izy ireo drafitra hanivanana  ny fitaovana “ tsy tia fivavahana “, na “mifankahala  ara-tsosialy”  avy  amin’ny votoatin’ny tolotra natao ho an’ny olom-pirenena Indiana. Nitory ireo orinasa...