· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Marsa, 2012

Ghana: Ampiasaina Ny Fifampitam-baovao Antserasera Mandritra Ny Fifidianana 2012

  31 Marsa 2012

Efa vonona ny Ghaniana hiatrika fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay hotontosaina amin'ny 7 Desambra 2012, nampahafantatra ny fanapahan-keviny miompana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ny fikambanana BloggingGhana izay mikendry hampiofana ireo mpanohana ny fifidianana amin'ny fampiasana ireo fitaovana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ho fanaraha-maso sy ho fitaterana ny fizotry ny fifidianana. GhanaBlogging dia vondrona mpamahana bolongana ao anatiny/ivelan'i Ghana izay...

Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza

  31 Marsa 2012

Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana ny Sarintanim-panosihosena ahitana amin'ny ankapobe ny fiitatry ny fanosihosena ny zo isan-karazany any Kambôdza. Asehon'ny sary etsy ambany ny fanitsakitsahana ny...

Malawi: Ny Fihaonana Tamin'ny Mpisolovava Be Mpanaraka Indrindra Ao Amin'ny Facebook Ao Malawi

  29 Marsa 2012

Nanjary iray amin'ireo sehatra lehibe amin'ny fampitam-baovao misongadina farany sy amin'ny adihevitra sosio-politika ao Malawi ny Facebook. Ohatra, ny fisamborana ilay mpisolovava fanta-daza an'i Malawi sy ilay mpitolona Ralph Kasambara tamin'ny volana Febroary 2012, nisarika ny sain'ny olona marobe tao amin'ny Facebook izany. Taoriana ny vaovao naparitaky ny mpiara miasa aminy sy ilay mpisolo vava Wapona...

Nikaragoa: Horonantsary Momba Ny Vokatry Ny Lahatsarim-betaveta An-tsokosoko Mitady Fanohanana Ara-bola

  28 Marsa 2012

Andianà mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika efa nahazo loka no tonga niaraka tany ambanivohitr'i Nikaragoa mba hamokatra horonantsary momba ny fiantraikan'ny fanodinana an-tsokosoko lahatsarim-betaveta ataon'ireo tanora izay lasa hitan'ny sarambabem-bahoaka aty aoriana noho ny tsy fitandremana. Mitady tohana ara-bola fanampiny ry zareo mba hamenoana ny saran'ny fipetrahany ao Matagalpa, Nikaragoa, ary ny vola rehetra voaangona dia holaniana ao an-toerana ihany

BarCamp Angkor Voalohany ao Kambodza

  27 Marsa 2012

Nanomboka tamin'ny taona 2008, tao Phnom Penh no nokarakaraina ny BarCamps ao  Kambodza. Saingy tamin'ity taona ity, tao amin'ny tanàna faritanin'i Siem Reap indray no nanaovana ny BarCamp, ao amin'ny vavahady fidirana amin'ny tranoben'ny fiangonana Angkor izay fanta-daza manerantany.  Tao amin'ny “Build Bright University” ao amin'ny faritanin'i Siem Reap no toerana nanaovana ny hetsika. Tahaka ny BarCamps rehetra...

Koety: Tenifototra Iray Ve Dia Mampigadra Mpisera Twitter?

Satria moa fahita any amin'ny firenen-drehetra ny mpisera Twitter mampiasa tenifototra, dia misy ny tenifototra miforona isan'andro, isan'ora, eny fa na dia isa-minitra aza indraindray. Tany Koety, namorona ny tenifototra #بطارية (bateria na mpiteraka angovon'aratra amin'ny teny Arabo) ary dia vaky ny vavahadin'ny helo. Manazava ny antony amintsika ny mpamaham-bolongana Koesiana Abdullatif AlOmar.

Kioba: Resaka Momba Ny Kaonty Twitter an'i Yoani Sánchez

  20 Marsa 2012

Ny 26 Febroary 2012, lahatsoratra iray ho fanehoana fomba fijery [es] nivoaka tao amin'ny gazety iray mpivoaka isan'andro ao an-tananan'i Mexico , La Jornada, no nanondro ilay Kiobana bilaogera Yoani Sánchez ho "hosoka" noho ny haavon'ny hetsika ataony sy ny lazany ao amin'ny Twitter.. Miraradraraka ny fanakianana sy ny fanohanana.

Ejipta: Hevitra Mifamahofaho Momba Ny Tolo-dalàna Fandraràna Ny Resa-betaveta

Iray volna minja taorian'ny fivoriana voalohan'ilay parlemanta vao voafidy tao Ejipta dia betsaka ny adihevitra sy fifanoheran-kevitra miraradraraka. Na ny tontolon'ny bilaogy na ny ao amin'ny Twitter Ejiptiana dia samy mibanjina avokoa ilay parlemanta vaovao, mibitsika ny fangatahan-dry zareo, ny ahiahy sy ny esoeso eo ambanin'ny tenifototra #EgyParliament. Ny fivoriana vao haingana nataon'ny parlemanta dia niteraka fifanakalozan-dresaka be mihitsy, saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia nikasika ny resa-betaveta!