· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Desambra, 2011

Rosia : Fandinihana Ny Mety Ho Hamafin'ny Korontana Amin'ny Hetsi-panoherana Ny Asabotsy Androm-pifidianana

Akon  22 Desambra 2011

Koa satria ny toe-draharahan'ny voka-pifidianana Rosiana sy ny momba ireo mpanao fihetsiketsehana voatazona manerana ny firenena dia mbola tsy voavaha, dia mponina avy amin'ny tanàna maro no niomana hanao fihetsiketsehana ny Asabotsy 10 Desambra 2011.. Alexey Sidorenko dia nandinika ny isan'ireo vondrona anaty aterineto sy ny mety ho fiantraikan'ireo hetsi-panoherana.

Okraina:Misava Làlana Amin'ny Fampiasàna Ny Media Sosialy Ny Hôpitalim-Bahoaka

  15 Desambra 2011

Nitsangana ny 1798, ny toeram-pitsaboana klinikam-paritra ao Dnipropetrovsk [ru, uk] - notendrena taorian'i Ilya Ilyich Mechnikov - dia iray amin'ireo trano fitsaboana ntaolo indrindra any Okraina. Izy ihany koa dia iray amin'ireo toerana fitsaboana an'ny fanjakana voalohany indrindra izay mampiasa ny media sosialy. Mitatitra i Tetyana Bohdanova.Founded in 1798, Dnipropetrovsk Regional Clinical Hospital is one of the oldest hospitals in Ukraine. It is also one of the first state medical institutions to use social media. Tetyana Bohdanova reports.

Rosia : Ny Fitroaran'ireo “Hamsters”-n'ny Aterineto

Akon  13 Desambra 2011

Ny ampitson'ny androm-pifidianana, ireo Rosiana dia nivondrona mba hikomy ho fanoherana ny hosoka tamin'ny fifidianana. Na dia ho very seza 77 aza ny Antoko Rosia Mitambatra (United Russia) oharina amin'ny Duma teo aloha, araka ny vokatra vonjimaika, ny ankamaroan'ireo mpikomy dia mihevitra ilay fifidianana ho sady tsy madio, no tsy malalaka.

Venezoela: Misy Misompatra Ny Kaonty Twitter-n'ny Mpanohitra

  10 Desambra 2011

Tao anatin'ny volana maromaro izay, namoaka vaovao mikasika ny fisomparana faobe ny kaonty Twitter an'ireo mpiserasera izay mitsikera mivantana ny Filoha Hugo Chàvez ny  valan-tserasera sy ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Venezoela . Nahatsikaritra ireo mpiserasera olo-tsotra fa ny mpisera Twitter, fantatra amin'ny tsikera ataony amin'ny governemanta, dia nandefa hafatra haingana...

Syria: Afaho i Razan Ghazzawi

Nosamborin'ny manampahefana Siriana tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Jordania sy Syria androany (Alahady 04 Novambra2011) ilay bilaogera Razan Ghazzawi. Teny an-dàlana hanatrika ny atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny tontolo Arabo izay hatao ao Amman i Ghazzawi no izao voasambotra izao. Niteraka fanakianana sy hatezerana avy amin'ireo bilaogera sy mafàna fo maro manerana ny tany ny fisamborana azy, izay mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatak'andro.

Malaoi: Mihaona amin'i Steve Sharra, mpanoratra eto amin'ny Global Voices

  04 Desambra 2011

Miresaka amin'ny Mpanoratra Malaoita ao amin'ny Global Voices Steve Sharra i Linda Annan . Mpitoraka bilaogy i Sharra, mpanao gazety mahaleo tena, mpampianatra sady manonta boky fampianarana. Eto amin'ity tafatafa ity, dia miresaka mikasika ny toeran'ny haino aman-jery Malaoita i Steve Sharra, eo ihany koa ny tontolo arak'asa ananany ary ny fironany amin'ny fanabeazana, ny fampianarany ary ny fanoratany.