· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2011

Ejipta: Sambory ny Sisa Tao Amin'ny Fitondrana Teo Aloha

Tamin'ny volana Aprily lasa teo, nandidy ny fandravana ny antoko politika nitondra ny firenena nandridra ny taona am-polony maro ny Fitsaràna Ejiptiana. Na izany aza dia mbola mijoro ireo mpikambana tao, ary nanolo-tena ho ao anatin'ny lisitr'ireo kandidà ho an'ny fifidianana parlemanta amin'ny volana Novambra. Jereo fa nifandray tànana ireo mpampiasa aterineto mba hampisehoana izany.

Tonizia: Fenointsika Ny Valantserasera!

Nisesisesy ny lahatsoratra nameno ny valantserasera maneran-tany raha nanapa-kevitra hibosesika ao amin'ny Facebook sy Twitter ny mpiserasera Toniziana amin'ny fanehoan-kevitra ataony. Nanomboka izany rehetra izany ilay mpiserasera naneho firaisankina sy fanohanana ny hetsika “Bodoy Wall Street” tao Amerika tamin'ny alalan'ny fandefasana hirahira sy hafatra tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny Filohan'i Etazonia...