· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2011

Pakistana: Sanganehana Tamin'ny Fandraràna ny Google Adsense Ny Bilaogera

  27 Oktobra 2011

Nahasanganehana ireo bilaogera Pakistaney ny fandraràna tao amin'ny kaonty google adsense. Trano mpamokatra boky am-polony no lasibatry ny hetsika mikendry famaizana an'ireo tranokala sy bilaogy hosoka. Niteraka fahatezerana teo amin'ireo bilaogera manerana ny firenena izany — niraiki-tapisaka lalina tamin'ny famaizana natao tsy nisy fampilazana mialoha ny fahatezeran'izy ireo, izay fepetra mahazatra...

Etiopia:Nanao Fitakiana Tao Anaty Aterineto Ny Mponina Ho An'i Shweyga Mullah

  25 Oktobra 2011

Fanaovana fitakiana tao aminà filazam-baovao ara-tsosialy iray no namoahan'ireo mponina fahatezerana be tanaty aterineto tao Etiopia taorian'ny fanambaran'ilay mpanao gazetin'ny CNN, Dan Rivers, ilay fanararaotana nahatsiravina nihatra tamin'i Shweye Mullah izay tena naratra tokoa noho ny fitorahan'ilay vadin'ny zanak'i Gaddafi, Hannibal, rano mangotraka ny vatany iray manontolo tamin'ny tsy nahavitàny nampangina zaza fotsiny. Shweye mantsy dia niasa tao amin'io fianakaviana io toy ny mpitaiza zaza

Etazonia: 15 Oktobra Teny An-dalambe Sy Tany Anaty Tambajotra Sosialy

  19 Oktobra 2011

Tsy tsiambaratelo ho an'ny rehetra intsony ny hoe Facebook, Twitter sy YouTube, ankoatra ireo tambajotra sosialy hafa, dianitàna anjara toerana fototra tamin'ireo hetsika tato ho ato tao an-toerana sy manerana izao tontolo izao. Tamin'ny 2009, izao tontolo izao dia nahita ny antsipirihan'ny onja "maitso" tao Teheran avy amin'ireo sehatra ireo, ary nitranga ny toy izay tao amin'ny Kianja Tahrir tao Kairo sy ny "indignados" tao Madrid. Araka ny efa nampoizintsika, ny hetsika manerantany 15 Oktobra 2011, koa dia nampiasa betsaka ireny tambajotra ireny.

Brezila: Manome Fahafahana Mamorona Fiainam-baovao Aorian'ny Fiainana Tany Am-ponja

  19 Oktobra 2011

Fony izy mbola nanefa sazy tany amponja, i Ronaldo Monteiro dia nanomboka tetikasa iray niaraka tamin'ireo mpiara-mifonja taminy ary nanova ny fiainany. Taona maro taty aoriana dia nomena fahafahana narahana fepetra izy ary mitantana ONG iray izay manome vintana ho afaka miverina eny anivon'ny fiarahamonina an'ireo tanora nandika lalàna, ireo mbola mifonja ary ireo avy nifonja

CIVICUS: Fandinihana ny tanjaky ny fiaraha-monim-pirenena

  18 Oktobra 2011

Nandritra ny telo andro dia solontena avy amin'ny fiaraha-monim-pirenena maro no nivory tany Montreal, Canada nanatrika ny Fihaonana an-tampon'ny CIVICUS hiady hevitra momba ny làlana rehetra hanairana ny olona, miainga avy amin'ny hetahetan'ny tsirairay. Isankarazany sy marobe (ary mbola ho toy izany hatrany) ny lohahevitra noresahana : hetsika ara-piaraha-monina, fitoviana ara-tsosialy,...

Andron'i Ada Lovelace : Mihetsika Ireo Vehivavy Fitaratra

  16 Oktobra 2011

Ny Andron'i Ada Lovelace (7 Oktobra) dia mikatsaka ny hampakàrana ny tahan'ireo vehivavy manao siansa, teknolojia, fianarana ho injeniera ary matematika amin'ny alalan'ny famporisihana ny olona manerana izao tontolo izao hiresaka momba ny vehivavy izay ankasitrahan'izy ireo ny asa ataony. Vakio ato ny fahatsiarovan'ny Global Voices.

Etazonia: Nodimandry i Dennis Ritchie, Ilay Olo-malazan'ny Siansan'ny Solosaina

  16 Oktobra 2011

Ilay olo-malazan'ny siansan'ny solosaina, Dennis Ritchie dia nodimandry ny 8 Oktobra 2011 teo, tao an-tranony tany New Jersey teo amin'ny faha-70 taonany, namela lova misy fiantraikany goavana eo amin'ny fandrosoan'izao tontolo izao. Ritchie no namorona ny langage C fanoratana rindrambaiko, iray amin'ireo langages maro fanoratana rindrambaiko fantatra nandritry ny fotoana rehetra.