· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Septambra, 2011

Zambia: Lasa Alohan'ny Fampahalalam-baovao Mahazatra ny Mpiserasera Amin'ny Famoahana Vaovao Momba Ny Fifidianana

  26 Septambra 2011

Nifidy filoham-pirenena, mpikambana ao amin'ny antenimiera ary solotenan'ny governemantam-paritra ny Zambiana tamin'ny 20 Septambra 2011 lasa teo, fantatra fa nanomboka tamin'ny 6 ora maraina ny fandatsaham-bato, maresaka tanteraka ny Twitter, Facebook sy ny tranokala mpanaramaso ny fifidianana Bantu Watch tamin'ny fanehoana izay tsy fetezana rehetra nanamarika ny fiandohan'ny fandatsahambato . Tao...

Lahatsary: Jiro tavoahangy plastika sy zava-noforonina hafa miaro ny tontolo iainana

  24 Septambra 2011

Jiro mandeha amin'ny masoandro sy famanan-drano vita amin'ny tavoahangy plastika, trano vita avy amin'ny fako ary ny fomba atao tsy hampiasana harona plastika no ataon'ny tetikasa sasany hampihenana, hampiasana indray na fanodinana azy ho akora vaovao indray dia tsy vitan'ny hoe fanalan'andro ihany fa tena iankinan'ny ain-dehibe amin'ny fanatsarana ny fiainan'ny olona manerana izao tontolo izao.

Zambia: Nanome Valim-pifidianana ny Mpiserasera Noho ny Fahatarana Amin'ny Famoahana Izany..

  24 Septambra 2011

Valo ambinifolo ora taorian'ny fikatonanan'ny fifidianana tao Zambia ny 20 Septambra lasa teo, nahatonga ny loharanm-baovaon'ny valan-tserasera hamoaka vaovao farany mikasika ny vokam-pifidianana filoham-pirenena, antenimiera ary ny governemanta ao an-toerana ny fahatarana ela be avy amin'ny Vaomiera Misahana ny Fifidianana (ECZ) amin'ny famoahana ny voka-pifidianana. Mpahay toekarena Zambiana mamoaka hatrany ny vaovao...

Goatemalà: Manaraka ny Fifidianana Amin'ny Ankapobeny

  19 Septambra 2011

Androany, [11 Septembra 2011], no handeha hifidy filoham-paritra, ben'ny tanàna, solombavahoaka ary filoham-pirenena ny olom-pirenena Goatemalteka . An-jatony ireo niasa vao maraimbe mba hametraka demokrasia  tena izy. Na dia tsy afaka mifidy aza ireo Gotemalteka monina any ivelany, vahoaka an-jatony manerana izao tontolo izao no manaraka akaiky ny zava-miseho amin'ny...

Sakanan'ny Governemanta Siriana Ny WordPress

GV Mpisolovava  18 Septambra 2011

Mitatitra ireo mpampiasa Twitter Siriana fa ny sehatra fitoraham-bilaogy be mpamhalàla, WordPress, dia voasakana amin'ireo ISPs (mpanome tolotra aterineto) ao amin'ny firenena. Manaraka ny onjam-panoheran'ireo mpanohitra ny fitondrana izay mampitroatra ny firenena izany fihetsika izany na dia eo aza ny famoretana henjana avy amin'ny governemanta

Zambia: Fampielezan-kevitra An-tserasera Ataon'ny Antoko Politika

  15 Septambra 2011

Roa herinandro latsaka mialoha ny hifidianana amin'ny 20 Septembra 2011, nanatontosa fampielezan-kevitra amin'ny fomba hafa tsy toy ny mahazatra amin'ny fampiasana afisy, dokambarotra amin'ny fahitalavitra, na feonkira amin'ny radio intsony ireo antoko politika, fa sehatra vaovao indray izao no ampiasan'izy ireo—ny tranonkala. Enina amin'ireo antolo folo nirotsaka kandidà ho filoham-pirenena no...

Kyrgyzstan: Habetsahana sy Hatsarana mialoha ny Fifidianana

  14 Septambra 2011

Hisy fifidianana Filoham-pirenena ilay firenena kely nalaza tamin'ny rotaka politika amin'ny volana Oktobra 2011. Ankehitriny dia manam-bintana halaza amin'ny zavatra hafa indray i Kyrgyzstan: mpizaka zom-pirenena Kyrgyz 83 no nisoratra anarana hifaninana hameno ny banga amin'ny sezan'ny Filoha. Mahavalalanina ihany ny lisitry ny kandidà. Misy ny mpahay lalàna, tantsaha, mpandraharaha,...

Meksika: Hero Reports, Fampidirana An-tsarintany Ireo Hetsika Mahafinaritra

  13 Septambra 2011

Ny Heroreports dia tetikasa tsy itadiavan-tombotsoa manokana naompana tamin'ny fanangonana vaovao avy eny ifotony sy fananganana sarintany itaterana ny risika sy ny fitondrantena mendriky ny olom-pirenena eny anivon'ny fiainam-piarahamonina eny. Nanomboka tao Ciudad Juárez, Meksika izy ity, toy ny hoe fandraisana andraikitra nataon'ny Foibe MIT ho an'ny Media-n'olon-tsotra antsoina hoe "Crónicas de Héroes"