· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2011

Arabia Saodita: Tenifototra Manokana Ho An'ny Mpanjaka Ao Amin'ny Twitter!

Tenifototra iray amin'ny teny Saodiana manao hoe #tal3mrak izay raha adika ara-bakiteny dia manao hoe "Andriamanitra anie hanome tombon'andro anao" na "ny andriamanjaka" raha atao amin'ny teny Tandrefana no nandrakotra ny Twitter androany (28 Aogositra 2011). Zava-tsy nampoizina ho an'ny maro ilay tenifototra, izay tsy nihevitra velively fa ny Saodiana mpiondana aterineto dia hanana faharisihana hiresaka amin'ny feo avo amin'ny fomba tahaka izany rehefa mitodika amin'ireo manampahefanan-dry zareo

Ejipta: Ny Miaramilan'ny Facebook-n'i Omar Soliman

Nisy fitsapan-kevitra iray nokarakarain'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika tao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo mba hahitàna hoe firy avy no mety ho mpanohana ho azon'ny mpirotsaka tsirairay eny an-kianja amin'izao fotoana izao, namoaka vokatra 'mampiahiahy'. Indreto ireo fanehoan-kevitra sasantsasany tao amin'ny aterineto taorian'ny nivoahan'ilay vaovao hoe nisy fanaramàna miaramilan'ny Facebook mba hanodinana azy ireny.

Roandà: Miresaka amin'ny Tweet Miaraka amin'ny Filoha

  26 Aogositra 2011

Betsaka miresaka momba ny harenan'ilay mpandraharaha Britanika, Lord Alan Sugar, mpiangaly rap 50cent sy  Piers Morgan ao amin'ny CNN,  ny fizotry ny oronan-dahatsoratra ao amin'ny Twitter-ko , kanefa tsy mampino izany hoe mandray valinteny tampoka avy amin'ny filoham-pirenena mahabe fanantenana ao amin'ny firenena Afrikana izany, eny fa na dia ho an'ny mpanao...

ANGLETERA:#BlameTheMuslims Tenifototra Tao amin'ny Twitter Nivaona Tamin'ny Tokony Ho Izy

Sanum Ghafoor, izay mandeha ao amin'ny Twitter amin'ny @Strange_Sanum, dia silamo 19 taona ary mpianatra ao Angletera. Tezitra amin'ny fanondroana avy hatrany ny Silamo ho tompon'antoka amin'ireo herisetra maro isan-karazany, indrindra fa ilay asa fampihorohorona tao Oslo tamin'ny herinandro lasa teo iny, nanao tora-po tamin'ny fibitsihana tamin'ilay tenifototra #blamethemuslims (an'ny silamo ny tsiny) i Sanum. Satria efa zary mahazatra antsika ny mahita lohahevitra iray mipariaka lavitra be toy izany eny am-pototsofin'ireo mpihaino, mahagaga fa efa mivaona amin'izay zava niseho ny fampiasàna azy, nitarika ho amin'ny fahasorenan'ireo mpampiasa Twitter tanteraka.

Vietnam: Mihoatra Ny 500 Ireo Olona Nanatrika Ny Barcamp Tao Saigon

  19 Aogositra 2011

Natao ny Alahady farany teo, izany hoe ny 24 jolay tao amin'ny RMIT, Anjerimanontolo iraisam-pirenena ao an-tanànan'i Ho Chi Minh ao Vietnam ny fihaonam-be fahefatra natao hifanakalozan-kevitra tao Saigon (Barcamp) . Barcamp lehibe indrindra tao Saigon izy io raha jerena eo amin'ny habetsaky ny mpanatrika.

Japana: Ahoana ny Fomba Ampihenana ny Fandaniana sy Hitsitsiana Herinaratra?

  18 Aogositra 2011

Nahenan'ny mponina ao Japana ny fandanian'izy ireo hatramin'ny nampiharana ilay fepetra fitsitsiana herinaratra mba hiatrehana ny tsy fisian'ny angovo. Amin'izao fotoana izao, dia 19 amin'ireo 54 mpamerin-tosika nokleary ao amin'ny foibenkerinaratra no mandeha ka namporisika mafy ireo olom-pirenena ny governemanta-indrindra ho an'ireo izay mipetraka ao antsinan'ny Japana- mba hampihena ny fampiasana...