· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jolay, 2011

Arzantina: Inona no mahasorena ny Arzantina?

  31 Jolay 2011

Tamin'ny 22 Jolay, nanjary lohahevitra vaovao nironana ary narahina fihetsiketsehana sy fahasorenana momba ny politika [es], fifamoivoizana [es], ny fiarahamonina[es] eny fa na dia ny fianakaviana [es] sy ny tambanjotra sosialy [es] ny tenifototra hoe #irritante [es] (#mahasosotra).

Panamà: Faniratsiran'ny Presidansy Tanaty Aterineto

  27 Jolay 2011

Ny Filoham-pirenen'i Panamà, Ricardo Martinelli, dia nahatezitra sy niteraka resabe tao amin'ny Twitter, taorian'ny niheverana azy ho nanevateva mpampiasa iray nanakiana azy tamin'ny teny mahery. Nandà mafy ho tsy nihevitra haniratsira izany anefa ny filoha. Miresaka momba ilay hatezerana ireo mponin'ny aterineto.

Koety: Miady Amin'Ireo Orinasa Mpanome Tolotra Aterinto Ny Bilaogera

Tato anatin'ny roa volana, ireo bilaogera Koetiana dia nanao fanentanana manohitra an'ireo mpanao tolotra aterineto izay manery amin'ny famerana ny 'bande passante" (Avy amin'ny mpandika : asa raha azo atao hoe "Fatran'onja" izy io), ny vola lafobe aloa efa hatramin'ny taona lasa, izay sanda nifanarahan-dry zareo fa hampitoviana, ary dia mamono araka izany ny fifaninanana eo amin'ny tsenan'ny aterineto.. Manaparika izany hetsi-panoherana izany i Mona Kareem.

TED Talk avy amin'ny mpiara-manorina ny Global Voices Rtoa Rebecca MacKinnon

  17 Jolay 2011

Niteny ny mpiara-manorina ny  Global Voices Rebecca MacKinnon fa tokony hanorina orinasa tompon'andraikitra hahatonga ny aterineto hivelatra mankamin'ny fomban’ “olom-pirenena” ny olo-tsotra. Nandritra ny TED talk tamin'ny 12 Jolay 2011 tany Edinburgh, Ekaosy no namoaboasany fa lasa fantsom-pifandraisana voalohany eo amin'ny olo-tsotra sy ny fitondram-panjakana ny aterineto saingy nampitandremany fa misy ny andian'orinasa...

Zambia: Pastora Mampiasa ny Facebook Mba Hitoriana Filazantsara

  11 Jolay 2011

Ny Matio 28: 19 no mibaiko ireo rehetra nantsoina hanely n y filazantsaran'Andriamanitra, “Mandehana ka ataovy ho mpianatra ny firenena rehetra…” Mampiasa ny fomba rehetra sy ireo seha-pifanakalozan-dresaka anaty aterineto mba hitoriana teny ireo mpitory filazantsara Zambiana. Niaraka tamin'ny fahatongavan'ireo tambajotra toy ny Facebook, misy amin'ireo pastora be ketrika sy mpitory teny mafàna fo no mampiasa ny vohikala hanakaikezana ireo “fanahy very”

Andron'ny Valantserasera PTY ao Panama

  09 Jolay 2011

Tamin'ny Alakamisy 30 Jiona 2011, natao tao Panama ny fankalazana ny andron'ny Valantserasera. Araka ny fanazavan'ny tranokala SocialMediaPTYmilaza izao: El Social Media Day es un evento que se realizará mundialmente, hasta ahora en 1374 ciudades alrededor del planeta. Es muy interesante ver todo lo que está generando esta celebración en todos lados,...

Kioba: Fihaonana Voalohan'Ireo Mpampiasa Twitter, Nahafinaritra Loatra Tao Havana

  07 Jolay 2011

Ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy Twitter dia nankalazaina ny 1 jolay tamin’ny 4 ora folakandro tao amin’ny distrika faha 23 sy ny faha12-n’i Vedado ary tao Pabellón Cuba. Olona 100 eo ho eo no tonga nanafàna an’ity hetsika ity, tanora mpianatra ho mpanao gazety ny ankamaroany , mpandraharaha, mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, mpanao gazety maro sy mpitoraka bilaogy, ankoatr'ireo maro hafa. Mandinika lalina sy manadihady ity hetsika miavaka ity ireo mponin'ny aterineto.

Bangladesh: Bilaogera Nosamborina Fa Nanao Hetsi-Panoherana Nanohitra Ny Fifanarahana Ara-Angovo

  06 Jolay 2011

Mponin'ny aterineto maro tao Bangladesh no nitroatran-katezerana satria sambany teto amin'ny firenena no nisy bilaogera sy mafàna fo voasambotra niaraka tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana raha iny ry zareo nanao hetsi-panoherana iny indrindra hanoherany ny Fifanarahana Fizaràna ny Famokarana Angovo na Production Sharing Contract (PSC) teo amin'ilay orinasa goavana amerikana mpamokatra angovo ConocoPhillips sy ny governemanta ao Bangladesh mikasika ny fitrandrahana ireo entona any an-dranomasina any.