· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jona, 2011

Mampahafantatra ny Bilaogera Malaza Indrindra any Brunei

  28 Jona 2011

Raha nankalaza ny faha 8 taona [namahanam-bolongana?] ny ilay bilaogera ao Brunei RanoAdidas ny volana lasa teo, voatantara tsara tamin'ny fampahalalam-baovao lehibe izany hetsika izany. Marika tsy noho ny lazany amin'ny maha bilaogera azy ihany izany fa noho ny fahombiazany tamin'ny fampandrosoana ny valantserasera tao  Brunei ihany koa. Manaiky ny...

Ségou Villages Connection: Tonga Ao Ambanivohitr'i Mali

Rising Voices  28 Jona 2011

Boukary Konaté, tetikasa ” Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou” tohanan'ny Rising Voices, no nanararaotra nampahafantra izany nandritra ny Lanonana iraisam-pirenena momba ny Hairafitrano izay natao tao Pérouse, ao Italie ny voalohan'ny herinandro volana jona. Ny lohahevitra”Mali : raha mitondra amin'ny fandrosoana ny vonjimaika“, notohanan'ny  Fikambanana Eland (Soisa) izany, izay notanterahina tamin'ny 2 jiona 2011....

Ukraine: Fahatsiarovana sy sarin'i Chernobyl tamin'ny volana Aogositra 1986

Nigadona tany amin'ny Orinasa Famokarana Angovo nokleary any Chernobyl ny mpampiasa LJ av-strannik , i Aleksandr Strannik , monina any Mosko, tamin'ny tapaky ny volana Aogositra 1986, efa-bolana teo ho eo taorian'ny fipoahan'ny fitaovana fampandehanana #4 ny 26 Aprily, hanatrika ny ezaka fanadiovana amin'ny maha injeniora amin'ny fitsofana azy. Dimy amby roapolo taona taty aoriana, mizara ireo fahatsiarovany sy ny sary tamin'izany fotoana izany izy

Aostralia: Mpanao gazety nosamborina noho ny sary tamin'ny Facebook

  27 Jona 2011

Aostraliana iray mpanao gazety voasambotra ary iPad nogiazana! Tsia, tsy i Julian Assange akory. Saingy ny fihaonana fohy teo amin'i But Ben Grubb sy ny manampahefana tao Queensland dia niteraka olana maro momba ny cyber ka isan'izany ny mikasika ny fiainana manokana sy ny fitoniana ho an'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, ny fahefan'ny polisy hanao fisamborana ary hitazona ireo fitaovana dizitalin'ny mpanao gazety, miampy ny zon'ireo mpanao gazety.

Zeorzia: Governemanta 2.0

Amin'ny fananana mpisera Facebook 621.640 ao amin'ny firenena, Zeorzia no tafiditra lalina indrindra amin'ity valantserasera ity eo amin'ny faritra. Miezaka ny hahazo ny olona an-tserasera ankehitriny ny sampandraharaham-panjakana sy ny manam-pahefana.

Thailandy: firoborobon'ny Pub Peab sy ny Planking

  22 Jona 2011

Tamin'ny voalohany, nisy aloha ny planking na lalao matory mitsongoloka izay nanana ny fotoana nampalaza azy vetivety tany Thailandy. Saingy tsy faly tamin'izy io ny tompon'andraikitra ara-kolontsaina. Avy eo tonga ny Pub Peab craze izay manao fipetrahana mandohalika izay malaza amin'ny mpisera Thai.

Kiobà: Sambany hifampihaona ny mpisera Twitter

  21 Jona 2011

Nataon'i @leunamrguez (Leunam Rodríguez) ny fanambarana fisian'ny fihaonana voalohany eo amin'ny mpisera Twitter Kiobàna izay hotanterahina amin'ny voalohany volana jolay amin'ny efatra ora folakandro eo amin'ny fihaonan-dalana faha-23 sy faha-12 ao La Havanne. Andrasana fatratra na ao Kiobà na ety ivelany moa ity fihaonana ity.

Ejypta : Famakafakana ny vitan'ny Twitter eny an-kianja

Raha toa ka misy ny sehatra iray nahatonga ny Revolisiona ejipsiana  “ho fanokafana ny maso” eo amin'ny resaka valantserasera, dia tokony ho ny nahatonga ireo Ejypsiana an'arivony niditra ny tranokalan'ny siokantsera Twitter. Tao anatin'ny telo volana mahery izay dia nandroso dia nandroso ny tontolon'ny Twitter ejipsiana, tsy amin'ny habetsahany ihany fa amin'ny votoatin-kevitra...