· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Avrily, 2011

Iraka: Mbola Velona ve i Saddam?

Naparitak'i Saddam Hussein eran'ny valan-tserasera, tamin'ny alalan'ny fitaovana fandraisam-peo izay milaza fa mbola velona ny mpanao didy jadona Irakiana fa ilay olona mitovy be aminy Mikhail no any tokana notapahan-doha tamin'ny 30 Desembra 2006. Marobe ireo mpiserasera nihevitra ny horonantsary ho lainga ary mampanantena ireo mpijery izany fa efa maty sy nalevina i...

Mpanoratra Sy Mpandika Teny Asongadina: Asteris Masouras

  28 Avrily 2011

Anatin'ity tafatafa niarahana tamin'ny mpandray anjara amin'ny Global Voices ity, miresaka ny amin'ny fomba nanombohany nanoratra ho an'ny vohikala i lay mpanoratra sady mpandika teny, Asteris Masouras. Monina any Thessaloniki, Gresy, Asteris dia nanoratra ho an'ny Global Voices hatramin'ny 2008, mikasika an'i Gresy fireneny sy lohahevitra maro hafa eran'izao tontolo izao. Fanampin'izay, izy dia isan'ireo mpandika teny fototra ho an'ny vohikalantsika niforona tsy ela akory izay, Global Voices amin'ny fiteny Grika.

“Spambots” Twitter: Fomba Fiady Vaovao Mba Hampanginana Resaka

GV Mpisolovava  28 Avrily 2011

Ny 18 Aprily, nanoratra momba ireo “spambots” nikendry ny teny fototra #Syria mba hampanginana ny feo miantso, na mitatitra ireo fanoherana, i Anas Qtiesh. Raha nahasarika ny sain'ny maro ity tranga manokana ity, tao amin'ny Al Jazeera, Fast Company, sy tany an-toeran-kafa, dia tandindon'ny olana midadasika amin'ireo tambajotra sosialy izany:...

Chile: Nanafaingana Ny Fitaterana Taova Ny Mpitsabo Mpanampy iray Tamin'ny Alalan'ny Twitter

  27 Avrily 2011

Cristina Bizama (@cristi_enf), mpitsabo mpanampy ao amin'ny tobim-pitsaboana Talca any Chili, dia nahavita nanafaingana ny fitaomana ny taova hafindra avy any Talca mankany Santiago renivohitra, any amin'ny 260 kilometratra miala avy ao. Tweet iray no nanombohan'ny zava-drehetra: "Tsy mampino! Tsy misy fomba hitaterana taova 5 mankany [Santiago]." Avy hatrany dia nandray andraikitra ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter.

India: Ny Fandrisihana ny Vehivavy sy ny Lahatsary am-Bilaogy

  26 Avrily 2011

Women Aloud Videoblogging for Empowerment (WAVE) dia sehatra iray sy fandaharanasa handrisihana ireo vehivavy any amin'ny faritra manodidina ny renivohitra any India hanehoan'izy ireo ny heviny anaty lahatsary eo amin'ny aterineto mikasika ireo lohahevitra mahakasika azy.

Azia Afovoany: Hevitra sy zava-baovaon'ny BarCamp

  23 Avrily 2011

BarCamp ao Azia Afovoany, valandresaka tsy miresa-barotra faha-efatra  ho an'ireo za-draharaha amin'ny valan-tserasera no natao tao Almaty, Kazakhstan, ny 15-17 Aprily 2011, ka nahavory ireo mpanao gazety, bilaogera, manam-pahaizana manokana momba ny TIC ,  mpikirakira ny web sy ireo rehetra izay liana amin'ny Aterineto sy ny fomba vaovao fampitam-baovao. Zava-baovao ny...

Sivanin'ny Tranobem-Pirenena Ho an'ny Siansa ao Etazonia ny GV Advocacy

GV Mpisolovava  21 Avrily 2011

Tsy ela akory izao, ny ekipan'ny Global Voices dia naheno fa ny vohikalany, https://advocacy.globalvoicesonline.org, dia voasakana ao amin'ny foiben-toeran'ny Tranobem-Pirenena Ho an'ny Siansa – National Science Foundation (NSF) ao Washington, D.C.  Raha ny fomba fanao mahazatra ireo orinasa sy fikambanana maro, dia mampiasa rindrambaiko fanivanana ny NSF mba hanakanana vohikala...

Kenya : Tanora tia mampita-vaovao ao ambani-tanàna ao Kibera

  21 Avrily 2011

Vonona hampiseho endrika hafa sy miavaka ny tanàna onenany ireo tanora Kibera, ao Kenya, izay malaza ho ambani-tanàna lehibe indrindra ao Afrika. Miaraka amin'ny fankatsary enti-tanana, nitety ny arabe izy ireo mba hitady endrika mampiseho ny tontolo ny fomba fijerin'ny ao an-toerana an'i Kibera . Tamin'ny volana aprily 2010 ny...