· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Marsa, 2011

Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana

Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta), mpitsikilo lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany ho takalon'ny fandefasana sary sy lahatsary momba an'i Syria.” Araka ny nolazain'ny masoivohom-baovao Syriana (SANA) dia nampangaina ho mandray “imailaka...

Brezila: Ny Sandan'ny Famatsiana Ara-Bola ny Kolotsaina

  27 Marsa 2011

Vaovao vao haingana ny hoe navelan'ny Ministeran'ny Kolotsaina Breziliana ilay mpihira malaza Maria Bethânia mba hanangona volaR$ 1.3 tapitrisa tsy tataovan-ketra (ny reais Breziliana iray dia tokony ho US$ 777,000 eo h eo) mba hananganana bilaogin-tononkalo, ary izany dia niteraka hatezeran'ireo mpitoraka bilaogy, ny mpampiasa Twitter sy ireo mafàna fo hafa amin'ny sehatry ny kolotsaina.

Haiti: Mananontanona ny herisetra amin'ny fifidianana

  24 Marsa 2011

Toa mihanika ny herisetra mifandraika amin'ny fifidianana any. Raha niomana hanomboka ny fivoriana mikasika ny fampielezam-peo any Mirebalais ny Talata 15 Martsa 2011 izao i Mirlande Manigat izay mpifaninana ho filoham-pirenena Haitiana sady mpampianatra lalàna, vosakantsakanan'ireo mpanohana [fr] ny mpifaninana mpanohitra Michel Martelly izany ireo mpanara-dia azy, izay nitarika sahotaka ka niafara tamin'ny fitifirana sy faharatrana.

Costa Rica: Niresaka ny telegrama Wikileaks ireo mpiserasera

  23 Marsa 2011

Volana maromaro izay no efa nodiavina raha natobak'i Wikileaks tamin'ny fahalalam-baovao ireo telegrama diplomatika ahitana votoaty politika sy sosialin'ny firenana maro manerana ny tany. Ny gazety  La Nación [es] an'ny Costa Rica no gazety  avy ao Amerika afovoany voalohany nandray ny telegrama –avy ao amin'ny masoivoho Etazonia ao Costa Rica...

Shina: Nifandrombahana ny nividy sira

  18 Marsa 2011

Sady manafintohina no mampahonena ireo fihetseham-po tao Shina taorian'ny horohorontany, tsunami sy ny  loza nokleary tao Japana, mbola sarotra ny fahatsapan'ireo firenena ny zava-nitranga tao Japana . Nanjary  fanararaotana ho an'i Shina ny faharavana niseho tao Japana mba hilazany ny fikasany amin'ny hoavy. Niseho tamin'ny Alarobia hariva ny fiantraikan'ny horohorontany  tany Japana raha...

Japana: “Izay indray ilay feo”

  17 Marsa 2011

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana  ny Horohorontany Japan 2011 ity lahatsoratra ity. Ny feo mahazatra amin'ny rafitra fanairana alohan'ny  horohorontany any Japana (緊急地震速報 Kinkyū Jishin Sokuhō) dia lasa miraikitra any an-dohan'ny mponina noho ny fandefasana izany matetika ao amin'ny fahitalavitra sy ireo fanairana any amin'ny finday, satria mbola mitohy ireo horohorontany madinidinika mandritra...

Fizaran-doka no manamarika ny andron'ny vehivavy erantany ao Ganà

  16 Marsa 2011

Isan-taona manerana izao tontolo izao no  ankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 8 martsa. Hetsika an-jatony no hita tsy tamin'io andro io ihany fa nandritra ny volana martsa mba hanamarihana ny zavabitan'ny vehivavy teo amin'ny sehatra ara-toe-karena, politika ary sosialy. Tsy namela io andro io handalo fotsiny i Ganà sy...

Kamerona: Resaka noho ny fandrarana ny SMS-to-Tweet

  15 Marsa 2011

Ho tsaroana noho ny lafiny haitao kokoa ny andro manerantany ho an'ny vehivavy 2011 any Kamerona. Nanambara tao amin'ny valan-tserasera i Bouba Kaele,  tompon'andraikitra misahana ny dokambarotra ao amin'ny orinasan-tserasera Afrikana Tatsimo miorina any Kamerona MTN fa noraran'ny fitondrana Kameroney ny fampiasain'ny mpanjifan'ny MTN ny fidirana amin'ny twitter amin'ny alalan'ny...

Roandà: Bilaogera nanasa Filoha tamin'ny alalan'ny Tweeter

  11 Marsa 2011

Ity dia tantara milaza ny fanasana nataona bilaogera Kenyana iray mipetraka ao Roandà an'ny Filoha Roandey Paul Kagame tamin'ny alalan'ny Twitter mba hamangy ny ankizy ao amin'ny kianjan'ny Tennis Ibirunga ao an-tanànan'i Musanze. Namaly ny antso ny Filoha Kagame ary dia niafara tamin'ny famangiana azy ireo izany

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.