· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Febroary, 2011

Kambodza: Iza no nanome baiko amin'ny fanakanana ireo vohikala mpanohitra?

  28 Febroary 2011

Hatramin'ny Janoary, misy ireo vohikala sasany manohitra ny governemanta tsy afaka hidirana any Kambodza. Milaza ireo mpandrindra ny raharaha fa noho ny fahasimbana ara-teknika izany raha milaza kosa ny governemanta fa tsy manao fanivanana izy. Kanefa namoaka taratasy fangatahan'ny governemanta ireo tamban-jotra mba hanakana ireo vohikala maro ny vondron'ny media.

Myanmar: Barcamp Yangon 2011

  25 Febroary 2011

Mihoatra ny 4000 ny mpandray anjara nanatrika ny Barcamp Yangon 2011 tany Myanmar izay nametraka ity fotoana ity ho iray amin'ny Barcamp nahavory olona be indrindra tany amin'iny faritra iny. Voarara ny vohikala Xanga rehefa niresaka momba ny sivana an-tserasera ny Myanmar ny mpandray anjara iray (izay ampiantranoan'i Xanga ny bolongany).

Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana

Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana sy ny hampanginana ny feon'ny mpanohitra. Ireto misy fihetseham-po avy amin'izao tontolo izao manaraka ny fandehan'ny revolisiona eo amin'ny faritra

Libya: Inona no nahatara an'i Gaddafi?

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya. Miteny ao amin'ny fahitalavi-panjakana ankehitriny ny mpanao didy jadona ao Libya Muammar Al Gaddafi. Mandra-piandry ny kabariny dia niezaka ny hamantatra ny antony nahatara ny kabary efa niomanana ny tweeple avy amin'ireto angona tweets na sioka...

Tontolo Arabo: Adihevitra Goavan'ny Fampitam-Baovao Sosialy

Efa am-bolana raha ny fijery azy no mafotaka ny adihevitra momba ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tamin'ireo fihetsiketsehana. Tsy ela akory izay, nifantoka tamin'i Tonizia sy Ejipta izany adihevitra izany, izay ny tranonkala toy ny Facebook sy Twitter no tena nitana toerana lehibe tamin'ny fandrindràna ny hetsika. Ity ny singany iray amin'izany adihevitra izany, avy tao amin'ny Twitter.

Ejipta: Olana teo amin'ny fanehoan-kevitra, soa ihany fa teo ny Google sy ny Twitter

Androany hariva, niara-niasa ny Google sy Twitter teo amin'ny famoronana fitaovana iray ahafahan'ny Ejiptiana mandefa tweet...amin'ny alalan'ny fametrahana hafatra. Vokatry ny tsy fahafahana mampiasa aterineto, dia manampy ny Ejiptiana io fitaovana io amin'ny fiantsoana numerao any ivelany amin'ny alalan'ny finday sy ahafahan'izy ireo mametraka hafatra ho an'izao tontolo izao.

Thailand: Mpitantana Tranonkala Miatrika Fitsarana

  18 Febroary 2011

Tonian-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao iray tsy miankina no miatrika fitsarana any Thailand fa hoe nanitsakitsaka ny Lalàna momba ny Heloka Bevava Atao amin'ny alalan'ny Solosaina. Manara-maso akaiky mihitsy ny fitsaràna an'i Jiew ireo mponin'ny aterineto, ny mpanao gazety ary ireo mpiaro ny zon'olombelona. izay tohina mahita ny toerana misy ny fahalalahan'ny aterineto any Thailand