· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Desambra, 2010

Wikileaks, Thaileaks, Indoleaks, Pinoyleaks

  29 Desambra 2010

Misy dikamitovy (clones) nalaina avy amin'ny Wikileaks any Azia Atsimo Atsinanana: Thaileaks avy ao Thailand, Indoleaks ao Indonesia ary PinoyLeaks avy any Philippines. Ireo vohikala ireo dia natsangana : novelomina indray tamin'ity volana ity ho fanohanana ny asa natomboky ny Wikileaks ary hamoahana ny antontan-taratasy tsiambaratelon'ny governemanta any amin'ny fireneny tsirairay avy.

Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana

  24 Desambra 2010

Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.

Venezoela: Fijery sy fisainana mikasika ny fandrindràna ny Aterineto

  14 Desambra 2010

Androany (14 Desambra), ny Antenimieram-pirenena Venezoeliana dia hiady hevitra mikasika ny fanavaozana ny rafi-pirenena momba ny fifandraisan-davitra, tafiditra anatin'izany ny fametrahana Toeram-Pidirana amin'ny Tambajotra, ny fanaraha-maso ny vontoaty rehetra ifampizaràna eo anaty aterineto, ary ny fandraràna sasantsasany amin'ny karazana vontoaty (filàna ara-nofo, herisetra, ary ireo "maneho fitondrantena tsy mendrika"). Raha manhgina tsy andrenesam-peo ireo mpanao politika Venezoeliana, dia naneho ny heviny kosa ireo mponin'ny aterineto mikasika ny fahitan-dry zareo an'ity volavolan-dalàna ity.

Cablegate: Lesona momba ny teknolojian'ny fangaraharana

  08 Desambra 2010

Ny telegrama mahatratra hatramin'ny 250.000 ifandraisan'ny Departemantam-panjakana sy ny Masoivoho Amerikana antsoina hoe "Cablegate" avoakan'ny Wikileaks no raharaha mahoraka indrindra eo amin'ny gazety sy ny fitondrana isan-karazany amin'izao fotoana izao. Renata Avila no mijery hoe tahaka ny ahoana no ampianaran'ny Cablegate antsika ny antsoina hoe teknolojian'ny fangaraharana.

India: Heloka ve ny fampitàna mailaka?

  06 Desambra 2010

Niteraka fifanoherana ny lalànan'i India momba ny aterineto, noho ny fanararaotana amin'ny fampiasàna azy. Nosamborina i Moithu (47), mpiasan'ny governemanta ao amin'ny fitondràna Indiana Kerala,  noho ny nampitàny mailaka vazivazy tany amin'ny namana vitsivitsy, momba ny tsifahombiazan'ny Antoko CPM (Communist Party-Marxist) tamin'ny fifidianana. Tamin'ny fifidianana farany tany amin'ny fanjakàn'i Kerala,...

Iran: Jiolahin'ny solosaina avokoa isika rehetra

Manana lalàna eo ampelatanany ahafahany miampanga ny mpampiasa aterineto rehetra ho jiolahy ny fitondrana Iraniana. Nolanian'ny antenimiera iraniana tamin'ny janoary 2009 ny "Lalànan'ny heloka eo amin'ny solosaina" (singany ao amin'ny andininy miisa 56) . Fitaovana nentina nanenjehana sy namaizana mpamaham-bolongana sy mpazoto an-tserasera izyio, nefa tsy mba nanaitra ny olo-tsotra sy ny mpandinika ireo andininy ireo.

Jordania: Baraingo momba ny raharaha-na telegrama navoakan'ny Wikileaks

Ny zavatra navoakan'ny Wikileaks farany, fantatra amin'ny anarana hoe "raharaha-na telegrama," dia mampisongadina ireo filazana maro nataon'ireo Mpitondra Jordaniana, tahaka izany ihany koa ireo fifandraisana maro avy any amin'ny Masoivohon'i Firenena Mikambana any Amman. Manana fomba fihetsehina samy hafa mikasika ity vaovao ao amin'ny vohikalan'ny *whistle-blower* ireo mpitoraka Tweet.

Shina: Fotoana ho an'ny adihevitra vaovao momba ny fitsabahana amin'ny fiainana manokan'ny olona

  02 Desambra 2010

Miaraka amina fijery faobe sy angamba mivelatra be momba ny olana mivandravandran'ny fiainana manokan'ny olona, manontany i Rui Shen, poeta sady mpampianatra hoe: "Maro ny olona no tsy miombon-kevitra amin'ireo fepetra fiarovana ny seranam-piaramanidina izay mampiseho ny toe-batan'ny olona, izay raisin'izy ireo ho toy ny fitsikilovana tanteraka ny maha-izy azy manokana. Rehefa nijery ilay resadresaka tamin'ny vaovao, dia manontany tena aho hoe: olona tsy milamina ve sa mitapy ireny olona ireny?"