· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2010

Fifidianana Côte d'Ivoire : naato ny SMS

  31 Oktobra 2010

Ho fitandroana ny filaminana mandritra ny fifidianana tontosaina ny alahady 31 oktobra ao Côte d'Ivoire dia naaton'ny ATCI (autorité des Télécom ivoirienne na sampandraharaha misahana ny fifandraisandavitra Ivoariana) ny fampiasana ny somaiso na SMS araka ny nambaran'i diabymohamed ao amin'ny Twitter, fanapahan-kevitra tohanan'ny sasany : “RT @2romeo: #Abidjan fanakatonana ny...

Cote d'Ivoire: Herisetra manakaiky fifidianana

  22 Oktobra 2010

Mpikaroka momba an'i Afrika Andrefana ao amin'ny Human Rights Watch (fanaraha-maso ny zon'olombelona) Corinne Dufka no niteny:” Raha mbola misaritaka amin'ny fikarakarana fifidianana ny mpanao politika sy ny diplaomaty vahiny, ny mponina any Côte d'Ivoire andrefana kosa levon'ny tahotra sao voaendaka na voasintona avy ao anaty fiara fitaterana dia misy...

Egipta: Facebook maditra

Niteraka tsaho, esoeso ary fampihomehezana maro samihafa manerana ny blaogy sy Twitter ny fandaharana iray nandeha tamin'ny fahitalavi-panjakàna. Manome fanampim-baovao i Tarek Amr ao amin'ny fanangonany ny fanehoan-kevitra teo anivon'ireo Egiptiana amin'ny aterineto.

Hongrie: Manohitra ny tranombarotra Auchan ny mponina

Inona marina ny zava-mitranga any amin'ny honahonan'i Dunakeszi ? Mbola mitohy foana ny tantaran'ny honahonan'i Dunakeszi nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2009. Mikasika ny tetikasa fanitarana ny toeram-pivarotana lehibe iray any Auchan Hongrie amina faritra misy honahona izay arovan'ny lalàna no olana . Nahitana Lahatsoratra [HUN] vao haingana mikasika ny vaovao farany...

Brezila: Mizotra ho amin'ny fihodinana faharoa ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, miditra an-tsehatra ny media sosialy

  07 Oktobra 2010

Ny fiakarana tampoka tao anatin'ny minitra fohy azon'i Marina Silva, mpirotsaka avy amin'ny Antoko Maitso dia nitondra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena Breziliana ho any amin'ny fihodinana faharoa [pt] miaraka amin'i Dilma Rousseff, ilay efa noeritreretin'ny maro ho mpandimby tsy misy ady hevitra an'i Luiz Inácio Lula da Silva, ary kely foana no tsy nahalasa azy[pt] ho ny vehivavy voalohany nitondra ny firenena.

Ekoatora: Fiampangana sy Fanombanana Taorian'ny Fihokoan'ny Polisy

  05 Oktobra 2010

Tombana sy fomba fijery mifangaro no nipongatra taorian'ny fihokoan'ny polisy eto Ekoatora, nampitaina teo noho eo tamin'ireo tambajotra sosialy. Nisy fanonganam-panjakana ve teto amin'ny firenena? Ny tontolon'ny fitorahana bilaogy dia mandalina ny resaka sivana, ny fanapariaham-baovao an-tery manerana ny firenena, ny fifanilihana andraikitra sy ny valim-panontaniana, "Inona izao no mitranga ankehitriny?" ao anatin'i Ekoatora tohina sy mihetsiketsika.

Rosia: “Tranonkalan'ny fahamarinana “

Ambara ho iray amin'ireo seha-pifaneraserana vitsy ara-demokratika ny aterineto Rosiana ao amin'ny fireneny ,indrindra amin'ny haino aman-jery Tandrefana . Na izany aza, tokony ho raisina tsara ihany ireto vaovao ireto, satria tsy mazava tokoa ny hoe hatraiza amin'ny fahalalahana amin'ny aterineto moa no tian'ny governemanta holeferina .