· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Septambra, 2010

Arabia Saodita: Fahazoan-dalana hitoraka blaogy!

Nanambara drafitra hanarahamaso ireo mpamoaka zavatra sy ny media ao amin'ny aterineto aloha i Arabia Saodita, anatin'izany ireo blaogy sy ireo sehatra fifanakalozan-dresaka, mba ho oarakitra ofisialy ao anatin'ny lisitry ny Governemanta. Ny Ampitson'iny, niteraka fanehoan-kevitra marobe izany, izay milaza fa ireo gazety ao amin'ny aterineto ihany no voakasik'izany. Manana ny tiany hambara ireo vahoaka Saodiana ao amin'ny aterineto.

Kongo (RDC) : Radio Okapi, nandrombaka ny loka “Free Media Pioneer”

  25 Septambra 2010

Ny 9 septambra 2010, ny Institut international de la presse (IPI) no nanolotra ny loka « Free Media Pioneer » [Mpitari-dalan'ny Media malalaka] tamin'ny Radio Okapi, radio an'ny Firenena Mikambana any amin'ny Repoblika demaokratikan'i Kongo naorin'ny Monuc (Mission des Nations Unies au Congo na Iraky ny Firenena Mikambana any Kongô izay...

Somonga nandritra ny fahatapahan'ny Facebook ny alakamisy teo

  24 Septambra 2010

Facebook no valan-tserasera (tambanjotra sosialy) lehibe indrindra manerantany amin'ny fananany mpikirakira azy mihoatra ny 500 tapitrisa. Tapaka nandritra ny ora vitsivitsy ny serasera tamin'ny facebook ny 23 septambra 2010 noho ny resaka teknika. Nanaraka izany fahatapahana izany ny somonga maro dia maro hita tamin'ny Twitter, ka nisy tamin'izy ireny no...

Ekoatera: Ny fikasan'ny mponina hanala ny filoha Rafael Correa eo amin'ny toerany

  23 Septambra 2010

Nanaparitaka ny teti-panorony ilay mpanao gazety Carlos Vera tamin'ny alalan'ny vohikala, sy tamin'ny fampiasana youtube ary ny blaoginy, mikasika ny fanalàna ny filoha Rafael Correa teo amin'ny toerany mifanaraka ny lalàmpanorenana. Nizara ny heviny momba an'io fikasana io ihany koa ny mpitoraka blaogy sasany, izay nanambara ihany koa ny fanonganana manam-pahefana sasany eo an-toerana izay efa miainga amin'izao fotoana izao.

Rosia: Arahaba tratry ny tsingerintaona ry @KremlinRussia! ;)

Akon  22 Septambra 2010

Tamin'ny 14 Septambra 2010, nankalaza ny faha 45 taonan'ny vaninandro nahaterahany ny filoham-pirenena rosiana. Ity no tsingerintaonany fahatelo nankalazaina nandritra ny naha-filoham-pirenena azy. Tamin'ny taona 2010, nitobaka ny firariantsoa sy ny fiarahabana avy amin'izao tontolo izao, ary anjatony amin'izy ireny no tsy avy amin'ny antso an-tariby ihany fa avy amin'ny Twitter ihany koa. Mandalina ny fihetseham-po tao amin'ny Tweet-o-sphere i Yelena Osipova .

Azerbaijan: Bloqosfer 2010

  22 Septambra 2010

Tonga ihany izy ity nony farany. Bloqosfer 2010, hetsika iray efa nandrasan'ireo mpitoraka blaogy maro any Azerbaijan efa ho roa volana eo ho eo, dia natao tamin'ny 10-12 Septambra tany amin'ny tanàna amorontsirak'i Nabran. Maherin'ny 100 ireo mpitoraka bilaogy efa manana traikefa naka toerana teo anilan'ireo vao nisondrotra, manampahaizana manokana amin'ny media vaovao sy ny aterineto, mpandraharaha, ary solontena avy amina fiarahamonim-pirenena hatramin'ny manampahefana.