· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2010

Ghana: Mifanerasera amin'ny vahoaka ao amin'ny Facebook ny Filoha teo aloha

  30 Aogositra 2010

Efa ho herintaona sy tapany izay no namindran'i John Kufuor ny fahefana ho an'i Filoha Atta Mills. Na dia nandao ny birao aza izy, Kufuor dia mbola mahita ny filàna miserasera amin'ny vahoaka. Noho tambajotra ara-tsosialy ao amin'ny aterineto, miresaka amin'ny vahoaka amin'ny alalan'ny kaonty Facebook-ny i Kufuor, izay manana mpanaraka 15.066 (amin'izao fotoana anoratako ity lahatsoratra ity izao).

Pakistana: Ezaka fanampiana – Tatitra avy any an-toerana

  29 Aogositra 2010

Indraindray, mila traik'efa betsaka vao afaka mahatsapa ny tena mampalahelo amin'izao zava-mitranga izao. Ato amin'ity lahatsoratra ity izahay mizara tatitra sasany avy amin'ny mpanoratry ny Global Voices Salman Latif any Multan izay vao tsy ela no tany amin'ny faritr'i Muzaffargarh sy Mehmood Kot any Pakistan mba hizara fanampiana ho an'ireo tra-boina.

Sina: fanatsaràna ny GFW

GV Mpisolovava  29 Aogositra 2010

Ny  tatitra avy amin'ireo loharano samihafa dia niteny fa voasakana  any Sina nanomboka tamin'ny Zoma (27 Aogositra) ny Freegate, iray amin'ireo fitaovana malaza fandinganana ny sakana . Rehefa mandefa ilay rindrambaiko ireo mpampiasa izany, dia misy hafatra fampitandremana miseho: Diso, tsy maintsy hajanona ny rindrambaiko. Azafady, raiso ny fialantsininay. Ity...

Pakistana: Manao hetsika ireo mponina amin'ny aterineto hanampiana ireo tra-boin'ny tondra-drano

  28 Aogositra 2010

Naka ain'olona 1600 mahery ny tondra-drano a farany teo tany Pakistan ary nahakasika vahoaka manodidina ny 20 tapitrisa izay tena anatin'ny filàna fanampiana mihitsy amin'izao. Mitety ireo faritra mamakivaky an'i Pakistana ireo tanora Pakistane mponina amin'ny aterineto mizara ireo fanampiana ary maneho ireo hetsika ataony ho hita mivantana amin'ireo bilaoginy, sy ny Twitter, ireo sary sy ireo horonantsary.

Rosia: Fanohanana ireo niharam-boina tamin'ny lelafo amin'ny alalan'ny famatsiam-baovao amin'ny aterineto

Akon  27 Aogositra 2010

Mbola niparitaka hatrany ny afo tao Rosia nanomboka tamin'ny herinandro lasa teo, izay nampikorontana ny mponina an'arivony. Nisy vohikala vaovao iray niforona ary mampiasa ny fitaovana Ushahidi, Russian-fires.Ru, izy io dia tsy mamoaka an-tsary ny toerana nitrangan'ilay lelafo fa mampifandray ireo mponina mila fanampiana sy ireo manam-paniriana ny hanampy azy ireo.

Mexico: Oliravin'ny Tontolo 2010 nisarika ny sain'ny rehetra tao amin'ny Twitter

  25 Aogositra 2010

Ny Oliravina Mexico 2010, Jimena Navarrete, no nibata fandresena tamin'ny fifaninanana Oliravin'ny Tontolo tamin'ity taona ity. Naneho ny hafaliany noho ny fandresen'i Navarrete ireo Meksikana maro mpampiasa Twitter; na izany aza, misy ireo sasantsasany manakiana ny fanomezan-danja be loatra ilay hetsika raha miohatra amin'ireo hafa , izay resaka mavesa-danja kokoa. Navarrete koa dia mba nadefa bitsika, nisaorana ny tsirairay noho ny fanohanan-dry zareo ireny.