· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jolay, 2010

Global: Teny Grika mankany amin'ny teny Anglisy, teny Sinoa mankany amin'ny teny Rosiana, ary teny Espaniola mankany amin'ny teny Masedoniana

  28 Jolay 2010

Samy efa nandre ireo zava-mahatsikaiky mitranga isika rehefa lasa mampihomehy ny fandikana ireo fomba fitenin'ny teny iray avadika amin'ny teny hafa. Ny fandikana ireo teny sarotra ireo dia anisan'ireo fifaninanana lehibe indrindra ao anatin'ny fandikan-teny, na ho an'ny olombelona izany na ho an'ireo solosaina.Ny Wikidioms dia loharano amin'ny aterineto vaovao manampy ireo mpandika teny handresy izany olana izany. Niresaka tamin'ny mpamorona ity vohikala ity, Pavel Kats, sy tamin'ny iray amin'ireo mpanampy azy, Yasna Trandafilovska.

Thailand: Korontana ho an'ny Praiminisitra ny hafatra an-tsoratra amin'ny finday

  22 Jolay 2010

Nandefa simaiso tamin'ireo mpampiasa finday Thai an-tapitrisany ny Praiministra Thailand Abhisit Vejjajiva rehefa nandray ny asany tamin'ny 2008, nangataka ny firaisan-kina. Ankehitriny, izy miatrika ny heloka amin'ny kolikoly tamin'ny nahazoany ny "fanomezana" avy amin'ireo orinasa mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra. Voampanga ihany koa izy amin'ny fanitsahana ny zo manokan'ny mpanjifa finday

Rosia: Resahina amin'ny aterineto ny tetikasa momba ny lalam-pifidianana vaovao

Tamin'ny volana lasa, ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Rosiana, mpanara-maso fifidianana,"Golos" (A Voice) dia namoaka [RUS] safidy iray amin'ny ho lalam-pifidianana tamin'ny aterineto , izay heverina hitondra mankamin'ny fifidianana malalaka, marina, ary mangaraharaha any Rosia. Iray amin'ireo ohatra vitsivitsy vaovao amin'ireo vakiraoka-na volavolan-dalàna navoitra ampahibemaso tamin'ny aterineto ity .

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny resaka ara-nofo sy fanivànana vohikala

  19 Jolay 2010

Amin'izao fotoana izao ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin'ny aterineto dia raisina ho tahaka ny fanoherana ny fahalalahana miteny kanefa ireo Governemanta any Azia Atsimo-Atsinanana dia toa afaka manamarina izany amin'ny fampisehoana ny filàna hanavotra ny tanora amin'ny loza aterak'ireo fitondrantena mamoafady miresaka firaisana ara-nofo

Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora

  18 Jolay 2010

Tamin'ny faha-17 Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora

Fisintonana antsokosoko ny mombamomba ny olona amin'ny Gmail any Tunisia

GV Mpisolovava  17 Jolay 2010

Vao haingana ireo mpampiasa aterineto any Tonizia no nanomboka nitaraina momba ireo olana amin'ny fidirana amin'ny kaonty Gmail, ary nanomboka niparitaka ireo tsaho momba ny fisian'ny sivana amin'ny tolotra mailaka an'ny Google. Nanomboka tamin'ny nisian'ny andiana sivana vaovao izay nanakanana ireo vohikala malaza toa an-dry Flickr, Wat.tv, Blip.tv, Metacafe.com, Agoravox.fr...