· Mey, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Mey, 2010

Amerika Latina: Fankalazàna ny Andron'ny Aterineto isam-paritra

  23 Mey 2010

Ny Andron'ny Aterineto dia hetsika fanao any Espana nanomboka tamin'ny taona 2005 ka niparitaka maneran-tany izay isaorana ny Firenena Mikambana, nanondro ny 17 Mey ho Andro Iraisam-pirenenan'ny Fiaraha-monin'ny fampahalalam-baovao. Tamin'ity taona ity, nisy hetsika maro naparitaka sy notontosaina tamin'ny alalan'ireo blaogy sy Twitter nanerana ny firenena maro any Amerika Latina....

Jeritodika maimaika amin'ny tontolon'ny blaogy rosiana tamin'ny 2009-2010

  23 Mey 2010

Ity tatitra ity dia nosoratana ho anisan'ny noresahina momba ny Aterineto Rosiana nandritra ilay Vovonana 2010 an'ny GV momba ny media-n'ny olon-tsotra. Alexey Sidorenko, nanolotra tamin'ny Vovonana iraisam-pirenena GV tany Santiago, sarin'i Gregory Asmolov Tranga fototra Nahatratra 38% ny isanjaton'ny Rosiana no mpiditra amin'ny aterineto (eo amin'ny mpampiasa 40 tapitrisa...

Puerto Rico: Fihaonan'ireo mpitoraka blaogy

  16 Mey 2010

Nandray anjara tamin'ny fihaonana faharoan'ireo mpitoraka blaogy natao omaly tany Caguas, Puerto Rico, ireo mpitoraka blaogy, mpanao gazety, mpandraharaha, ary ireo mafana fo. Niresaka momba ny fampiasana ny blaogy ho toy ny  fitaovana fampidiram-bola ireo mpandray anjara, ny toeran'ireo vehivavy ao anaty ny tontolon'ny blaogy, ny fitorahana blaogy mikasika ny...

Nihitsoka nandritra ny enina andro ny tranonkala ‘Sudan Vote Monitor’ fanaraha-maso ny fifidianana

  16 Mey 2010

Nihitsoka nandritra ny enina andro ny  Sudan Vote Monitor, tranonkala mpanaramaso ny fifidianana, tamin'ny herinandro lasa teo. Nanao tatitra mikasika ny tsy fandehanan'ity tranonkala ity Reportrs  Sans Frontière ary nangataka ny hamahana tanteraka ity sakana ity. Sehatra malalaka iray natsangan’ny fiarahamonina sivily Sodaney nampiasana ny rindrambaiko misokatra, Ushahidi, ny Sudan...

Filipina: Fanambaràna ireo ‘disques durs’ any amin'ny cyber-cafe

  16 Mey 2010

Vao haingana izay ny  Phillipine Optical Media Board  (OMB) no nanome hevitra ny hitakiana amin'ireo mpitàna ireny cyber-café ireny mba hanao fanambaràna ireo “disques durs” ao amin'ny solosain'izy ireo. Raha ny voalazan'ny OMB, dia isan'ny mahatonga  ireo “disques durs” ho eo ambanin'ny fanaraha-mason'ny OMB ny fisian'ireo fangaron-javatra ‘magnetics’ [Avy amin'ny...

Mpiblaogy misongadina: Rakotomanarivo Tahina

Rising Voices  07 Mey 2010

Ny namana Rakotomanarivo Tahina dia miblaogy monina ao Antananarivo, renivohitry Madagasikara. Nandray anjara tamin'ny atrikasa fanajariana ny fijoroana vavolombelon'ny andrimasom-bahoaka izay nokarakarain'ny FOKO izy