· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Avrily, 2010

Kaokazy : fampivoarana ny fiainana ara-tsosialy

  26 Avrily 2010

Na dia mbola mihisatra aza ny fidiran’ny internet any Atsimon'ny Caucase, ny fambara rehetra dia maneho fa ireo haino aman-jerim-baovao sy ara-sosialy dia mitana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolon'ny fampivelarana ny demokrasia sy ny hafanam-po any an-toerana. Miaraka amin'izany fijery izany ao an-tsaina, ny Open Society Georgia Foundation (OSGF), ny Georgian Institute of Public Affairs (GIPA) sy ireo mpanome tànana hafa dia nikarakara ny Fihaonana voalohany ho an'ny Fanavaozana ara-Sosialy ao Tbilissi, any Georgie ny 8-10 Aprily, hetsika izay hokarakaraina midanindran-dàlana amin'ny fihaonambe momba ny Haino aman-jery ara-Sosialy ho an’ny Fanovana Sosialy.

India, Pakistan: Misosa ny fakan-tàhaka an'i Sania-Shoaib

  26 Avrily 2010

Misosa ny fakan-tahaka ny fanambadian'i Sania-Shoaib raha toa kosa ka manitatra ny fampahalalam-baovao, hany ka toa mitohy misavoritaka ny mponina an-tapitrisany avy amin’ireo firenena ireo. Raha eo ampikarakarana sy miala ireo sakantsakana amin'ny fanambadiany izy roa, mitohy any rehetra any ny fanakianana mivaivay sy manafintohina.

Soudan: web ampiasaina hampadio fifidianana, fahamarinana ary ny demokrasia

  24 Avrily 2010

Eo am-piandrasana ny vokatra farany tamin'ny fifidianana manan-tantara tany Soudan isika dia andeha hojerena ny fandaminana sy ireo hetsika hita any amin'ny web nampanjakana ny fahamarinana, ny fahafahana sy ny demokrasia any Soudan. Sudan Sham Elections 2010 no tambajotra anankiray manohana ny fandriam-pahalemana maharitra any Soudan. Hoy ity tambajotra ity,...

Polona: Fahoriana lalina tany anaty aterineto taorian'ny 10.04.2010

  22 Avrily 2010

Sylwia Presley dia mitatitra fa samy nanova ny loko lafiky ny tranonkalany lokon-davenona, mainty ary fotsy ny vavahadin'izy ireo avy ireo mpilaza vaovao amin'ny aterineto, ireo mpilaza vaovao ara-tsosialy, ireo tranonkalan'ny governemanta ary ny vavahadin'ny tranonkalan'ireo fikambanana Poloney erak'izao tontolo izao koa dia mba nanova ny loko lafiky ny tranonkalany lokon-davenona, mainty ary fotsy ho fanehoan'izy ireo ny fiaraha-miory amin'ny firenena.

Loka Best of Blog 2010 : Ireto avy ireo nahazo…

The BOBs have been decided! Tonga eo amin'ny  famaranana ny andiany fahaenina amin'ny fifaninanana Best of Blogs (BOBs) karakarain'ny Deutsche Welle ka midera ny mpandresy tamin'izany ny fiaraha-monin'ny Global Voices. Tamin'ity taona ity, maro tamin'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices no voafantina (araka ny nasongadin'i Diego Casaes), ary misy koa ny...

Ireo fanakatonana ataon'i Facebook

GV Mpisolovava  17 Avrily 2010

Tao amin'ny blaogin'i Jillian C. York no nipoiran'ity lahatsoratra ity voalohany. Nandritra iny herinandro lasa iny, nahazo tatitra avy amina olona maromaro aho fa nakatona na nofafana tao amin'ny Facebook ny pejy manokan'izy ireo tao amin'nyFacebook- . Tamin'ny voalohany dia namana lehilahy any Maraoka no tratra. Avy eo vehivavy, namana...

Tontolo Arabo: Tratry ny gripan'ny iPad ny Arabo

  07 Avrily 2010

Mailaka nividy ny farany indrindra amin'ireo kilalao sy mampidera izany, mpitoraka blaogy sy mpampiasa Twitter maromaro avy amin'ny tontolo Arabo no mankalaza ny iPad. Ity no azon'ny mpianatra Saodiana iray sy mponina iray any Koety hambara momba ilay kilalao vaovao an'i Apple.

Tonizia: WAT.TV, fahatelo amin'ny tranonkala fifampizaràna video voasakana!

GV Mpisolovava  07 Avrily 2010

Andro vitsy lasa izay, nosakanan'ny fanjakana Toniziana ny fidirana ho ao amin'ny  WAT.TV, tambajotran-tserasera sosialy iray sady tranonkala fifampizaràna media, izay heverina ho ny  laharana faha-3 amin'ireo mpandefa video amin'ny aterineto ao Frantsa. Io ihany koa no fahatelo amin'ny tranonkala fizaràna video voasakana teto amin'ny Firenena. Voalohany indrindra dia nosakanan-dry...

Libanona: Feo voalohany voarahona

  05 Avrily 2010

Fantatra ary notsiriritina tany amin'iny faritr'i MENA iny noho ny fahalalahan'ny tontolo virtoaly (cyberspace) nananany i Libanona. Tsy dia izany loatra intsony nony nanamarika ny volana Martsa ny olan'ny sivana aterineto voalohany tao Libanona. Manome antsipirihany maro i Layal Al Khatib ao anatin'ity lahatsoratra ity.