· Marsa, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Marsa, 2010

Sina: Endrika marobe isehoan'ny fanivànana aterineto

GV Mpisolovava  28 Marsa 2010

Ny 12 Martsa no Andro manerantany Hiadiana amin'ny Sivana amin'ny Aterineto ka namoaka ny lisitra farany avy aminy  “Ireo fahavalon'ny Aterineto” ny Reporter without Border [Reporters sans frontières] izay manondro mivantana an'i Sina [China], anatin'ireo firenena maro hafa tsy refesimandidy. Jason Ng from Kenengba dia manandrana manatavy resaka amin'ny fanehoana...

GlobalPulse 2010: Fanasana hiresaka an-tserasera amin'ny mpanapa-kevitra

  27 Marsa 2010

Hatramin'ny 29 ka hatramin'ny 31 mars no ikendren'ny Global Pulse 2010 hamoriana an-tserasera olona sy solontenan'ny fifandaminana [ naotin'ny mpandika teny: tenin'ny akademia, ilay antsointsika mahazatra hoe fikambanana] mihoatra ny 20.000 hiresadresaka lohahevitra tahaka ny fampandrosoana ny mahaolona ka hatramin'ny haihay [siansa] sy ny teknolojia. Tohanan'ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID),...

Shina: nifindra ho an'ny Hong-Kong ny google.cn

  25 Marsa 2010

Nanapa-kevitra ny handao an'i Shina ihany ny Google. Vantany vao nahavita ny fanambarana ny Google dia nitsahatra tamin'ny fnaovana sivana ny tadiavina amin'ny milin-karoka ao amin'ny google.cn amin'ny familiana hankany amin'ny google.com.hk. Ao amin'ny bolongana ofisialin'ny Google i David Drummond, lehiben'ny fiandraiketana ny lafiny lalàna no manazava fa ny anton'izao fanapahan-kevitra...

Shina sy Google: Raha hifandao isika izao

  23 Marsa 2010

Ho tohin'ny fanakatonan‘ny Google ao amin'ny tanibe androany maraina ao amin'ny mili-karoka Google.cn, izay mamindra ny rohy ho an'ny amin'ny setriny miorina any Hong Kong, dia nirotsaka nankany foiben'ny Google ao Beijing indray nandritra ny tontolo andro ny mpanohana hametraka mari-panajana. Koa satria moa efa niomankomana (ihany) ho amin'ny fandehanany ny...

Masedoana: Raha tsy nisy ny aterineto

  21 Marsa 2010

Samy nanome ny valinteniny avy na ny mpamaham-bolongana na ny mpampiasa fitaovan-tserasera vaovao tamin'ny fanontaniana manao hoe “Ahoana ny nanovan'ny aterineto ny fiainanao?”, ao amin'ny lahatsoratra [MKD] iray amin'ny hita ao amin'ny vohikala miteny Masedoniana an'i BBC. Darko Buldioski ao amin'nyKomunikacii.net moa nampihatra ny fanaon'ny Slavy mamantatra ny valin'ny fanontaniana mifamaly...

Ejipta: Hosakanana ve ny Skype!?

  15 Marsa 2010

Mandeha ny resaka fa hoe hosakanan'ny governemanta Ejiptiana ny Skype. Maneho hevitra momba izay vaovao tsy voamarina izay ny mpitoraka blaogy maro ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Google, Yahoo sy ny hafa nahazo alalana ho any Kiobà

  11 Marsa 2010

Notsenaina tamin'ny tsy filazana na inona na inona tamin'ny fampielezam-peo tao Kiobà, raha ny tao anatin'izay ora vitsivitsy izay aloha, ny fanapahan-kevitra farany navoakan'ny  Departemantan'ny fitantanambola tao Etazonia mba  hisokafan'ny teknolojia amerikana amin'ny fiaraha-monina (firenena) nanakatonana izany. Ny tanjon'ny Fitantanam-bola moa dia ny “hahazoana toky fa misosa ny fifanomezam-baovao,” ao...

Pologne: Ady amin'ny homamiadana amin'ny aterineto

Zazavavy kely miramirana 5 taona i Lenka ary i Paula kosa dia mpianatra momba ny haiendrika anatiny ("design interieur") manatona ny faha-20 taonany. Tsy mieritreritra ianao hoe mety hanana zavatra iraisana izy roa ireo nefa dia misy izany. Samy manana homamiadana izy ireo ary samy manana blaogy hiresahan'izy ireo ny fiadiany amin'ity aretina ity

Rosiana maro vonona ny handoa vola ny votoaty an-tserasera

Akon  02 Marsa 2010

Fanadihadiana vaovao nataon'i Nielsen no nampiseho fa mihoatra ny antsasaky ny Rosiana no vonona ny handoa vola amina votoaty an-tserasera. Fa ny mahatalanjona amin'ny valin'izany fanadihadiana izany sy ny famakafakana azo sintoina aminy dia mivoaka ao amin'ny Slon.ru (ampiasao ny mili-pandikan-teny).