· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Febroary, 2010

Shina: rafi-pisoratan'ny vohikala anarana

GV Mpisolovava  24 Febroary 2010

Araka ny navoakan'ny gazety Sohu IT tamin'ny 22 febroary dia namoaka filazana ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny fampahalalam-baovao (MIIT) ka mangataka ny hanamafisana ny rafitra isoratana anarana (amin'ny famoahana vohikala) sy ho fanamarihana izany, na ilay lazaina hoe Lisitra fotsin'ny Aterineto Shinoa. Ny fepetra takiana farany indray dia ny...

Rosia: Tetikady miaramila vaovao sy ny fiarovam-baovao

Akon  24 Febroary 2010

Namoaka ny tetikady (doctrine) miaramila vaovao[RUS] (hitanao ato ny dika amin'ny teny anglisy) hampiharina mandritra ny folo taona indray i Rosia tamin'ity volana febroary ity. Na dia tsy misy filazana mivantana ny resaka fiarovana an-tserasera na resaka aterineto mivantana aza io dosie io, dia miresaka momba ny endrika fifampitam-baovao ao anaty...

Shina : Manetsika ny reny hitaky ny sivana

  23 Febroary 2010

Nametraka fikambanana antsoina hoe Neny Mpitsara (Mama Jury) ny Fikambanan'ny media an-tserasera any Beijing tamin'ny 19 Janoary 2010 hanivana ny vaovao mamoha fady sy vetaveta an-tserasera. Ny tatitra nataon'ny Southern Weekend moa no nametraka fa avy tany amin'ny firenena tandrefana no niaingan'ny hevitra hikambanan'ny reny “hiaro” ny ankizy tsy hahita...

Shina: Google lasa fanalàn'ny mpiserasera

  23 Febroary 2010

Araka ny fitantaran'nyNew York Times vao haingana ilay nolazaina ho ‘Operation Aurora’, izay namely ny Google sy ireo vondronorinasa  tandrefana 33 farafahakeliny dia noheverina ho niainga avy tamina Anjerimanontolo Shinoa. Ny iray amin'ireo ‘Anjerimanontolo’ ireo raha ny tena marina dia sekoly fampianarana asa mampalahelo kely sokajy fahaefatra any avaratr'i Shina....

Sri Lanka: Sivana sy ny tena fanontaniana

  22 Febroary 2010

Sanjana Hattotuwa ao amin'ny bolongana ICT for Peacebuilding (ICT4Peace) no mamelabelatra momba ny baikon'ny filoha “hampiato ny vinavina napetraky ny mpandrindra Sri Lankey momba ny fifandraisandavitra hanivana ny vohikala manohitra ny fitondrana” sy nanontaniany zava-maro. Rezwan

Iran: Miorina ny Cyber-tafika Islamika

  21 Febroary 2010

Matetika ny aterineto no lazaina ho sehatra ifampiresahana sy ifanakalozan-kevitra amim-pilaminana, saingy rehefa any Iran kosa, nivadika ho lasa karazana “ady an-tserasera” ny fifandirana ara-politika hany ka izay hary fitaovana matanjaka any dia mampangina ny fahalalaham-pitenenana. Indreto tononina etsy ambany ny paikady telo – nahomby na nandamòka – izay antsoinay...

Rosia: mamantatra ny toerana misy ny bus eo noho eo

Akon  16 Febroary 2010

Ny fitantanana ny tanànan'i Ryazan [ENG] any Rosia Afovoany no voalohany any amin'ity firenena ity nametraka sarintanin'ny fivezivezen'ny fiara fitaterana [RUS] hoy ny tatitry ny gov-gov.ru. Azo arahina amin'ny alalan'ny aterineto eo noho eo manko ny fiara fitaterana noho ny fisian'ny fitaovana GPS any anatin'izy ireny tsirairay avy. Alexey Sidorenko

Brezila: Rakitsary Campus Party 2010

  13 Febroary 2010

Lasa Ambohipihaonan'ny mpankafy, manampahaizana ary mavitrika amin'ny resaka aterineto i São Paulo tamin'ny volana lasa teo, nandritra ny Fihaonan'ny Anjerimanontolo (na Campus) Breziliana. Nisy fihaoana momba ny LAN, ny teknolojia, ary ny kolontsaina nomerika tao nanombokany 25 ka hatramin'ny 31 janoary 2010. CampusPartyMT [pt] moa dia iray amin'ireo bolongana nitatitra...

Tonizia: Sivana lava izao!

  09 Febroary 2010

Mafy lavitra noho ny tany aloha, toa lasa fitsipi-dalao mihitsy ao Tonizia ny sivana. Vavolombelon'ny ady napoakan'i Ammar (solonanarana nomena ny sivana Toniziana), izay nanivanivam-poana blaogy maro tapa-bolana lasa izao ny tontolon'ny fitorahana bolongana Toniziana. Miray feo manohana ireo namany 'voasivana' ny mpitoraka blaogy maro.

Okraina: “Raha toa moa ka orinasam-panjakana ny Google…”

  05 Febroary 2010

Manadrohadro ny asam-panjakana Okrainiana sy ny fahelany amin'ny asany amin'ny alalan'ny lahatsoratra etsy ambany (UKR; Nadikan'ny mpampiasa LJ grosman ho amin'ny teny rosiana ato izany) ny mpampiasa LJ (Live Journal) mipetraka any Lviv dali_bude raha manoratra hoe tahaka ny ahoana tokoa moa no hitranga amin'ny karoka Google raha toa ka...