· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2009

Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”

  21 Novambra 2009

Vao haingana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vohikala, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Mitatitra ireo fihetsika avy amin'ny tontolon'ny blaogy Poloney i Jakub Gornicki.

Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]

  03 Novambra 2009

Anio, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [Feo voarahona] ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manaramaso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika.