· Oktobra, 2009

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2009

Tao amin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana

  27 Oktobra 2009

Nitsidika ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana na PestaBlogger 2009 izahay. Ity no fanintelony nanaovana ity fihaonana isan-taona ity. Avy any amin'ny vazantany efatra ao amin'ity firenena lehibe iray ity ny mpamaham-bolongana ka namonjy an'i Jakarta renivohitra, hankalaza, hiady hevitra ary hanala azy [hivory].

Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom Penh

  13 Oktobra 2009

Nandray ny Barcamp Phnom Penh ny tontolo teknolojika Kambôjiana tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Ankoatra ny fahamaroan'ny mpanatrika avy ao an-toerana, dia nanintona mpandray anjara avy amin'ny firenena manodidina ihany koa ity Barcamp ity. Niresaka momba ny teknolojia sy ny hevitra hampiasana ny fitaovam-piseraserana avo lenta isan-karazany ho fampandrosoana ny mpandray anjara. Atolotra ho fahafinaretan'ny maso ho anao ny sary sy ny lahatsary tamin'io fotoana io.

Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany

Rising Voices  10 Oktobra 2009

Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices. Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3 Septambra 2009: Noho ny fandraisana andraikitry ny sendikàn'ny mpanao gazety ao Côte d'Ivoire (UNJCI), sy ny niarahany niasa tamin'ny Fikambanana...

Georgia: misongadina ny tontolom-bolongana

  08 Oktobra 2009

4 na 5 taona lasa izay no nipoitra tany Georgia ny bolongana voalohany. Zava-baovao izany tany ampiandohana, fa ankehitriny kosa dia ny bolongana no iray amin'ny endrika vaovaon'ny fampitàna ny maresaka tahaka ny gazety sy ny gazetiboky ho an'ny maresaka mahazatra. Ao amin'ny tontolo maoderina moa dia mihamiadana kokoa ny...