· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2009

Shina: Voakombom-bava ve ireo mpitoraka blaogy Tibetana?

  31 Aogositra 2009

Somary mampatahotra ihany fa ny ankamaroan'ireo vohikala malaza amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy (afa-tsy iray ihany) dia tsy azo nidirana efa ho telo herinandro izao. Na dia efa mahazatra ireo vohikala amin'ny teny Tibetana mpampiantrano blaogy aza ny fiatona (indraindray noho ny “fanamboarana”) mandritra ny fotoana faritan'ireo manampahefana ho saropady...

Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky

  26 Aogositra 2009

Ny gazety frantsay Le Monde koa dia nanara-dia ireo roa hafa voarara ao Maraoka taorian'ny namoahany ny vokatry ny fitsapan-kevitra nanadihadiana ireo olon-tsotra Maraokana hanomezan'izy ireo ny heviny momba ny fitondram-panjaka, King Mohammed VI. Jereo hoe fomba ahoana no nandraisan'ny mpitoraka blaogy ny sivana natao tamin'ilay lahatsoratra.

Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra

  17 Aogositra 2009

Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.

Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday

  15 Aogositra 2009

Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao...

Taiwan: Potiky ny rivodoza Morakot ny faritra atsimon'i Taiwan

  13 Aogositra 2009

Nandalo tany Taiwan ny rivo-doza Morakot ny 07 aogositra 2009 lasa teo. Nampirisika ny mponina tany amin'ny faritra avaratra hiomana amin'ny fiavian'ny orambe sy ny rivotra mahery ny biraon'ny famantarana ny toetr'andro tany an-toerana. Kanjo ny faritra atsimo no nitondra faisana tamin'ny tondra-drano sy ny fahasimban'ny fambolena raha nampitahaina tamin'ny...

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

  09 Aogositra 2009

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity herinandro ity, nanampy...

Pakistan: ny “Mouvement Go Green” na ny hetsika alefa ry maitso

  07 Aogositra 2009

Manana namana pakistanais ao amin'ny facebook na ao amin'ny twitter ve ianao? Raha eny, mazava ho azy fa misy ny sariny eo amin'ny fidirana ary ny sarin'ny sainam-pirenena pakistanais no rindrina ao aoriany. Izany dia vokatry ny “Mouvement Go Green” notarihan”i Farhan Masood sy ireo namany mpilatsaka an-tsitrapo manerana an'i...

Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana

  07 Aogositra 2009

Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny. Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany...