· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Mey, 2009

Indonezia: Fitarainana nidirana am-ponja

  31 Mey 2009

Adi-hevitra mamaivay eo amin'ny tontolom-bolongana Indoneziana amin'izao fotoana izao ny raharaha Prita Mulyasari, renim-pianakaviana mananjanaka roa. Nametraka taratasy fitarainana an-tserasera [id] nitory hopitaly mamahantena any Tangerang, iray amin'ny tanàna manodidina an'i Jakarta ny anao vavy, kanjo ankehitriny dia iharan'ny fiampangana nandìka ny lalàna toko faha-27 andininy faha- 3 amin'ny Lalàna...

Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora

  27 Mey 2009

Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey. Ny tanjon'izy ity moa dia ny hanotronan'ny mpanoratra sy ny artista manerantany ny Palestiniana, hisavasava ravina sy hikarakara lanonana ara-kolotsaina andraisan'ny ao an-toerana sy iraisam-pirenena anjara....

Venezoelà: Mitazona ny aterineto ho laharam-pahamehana

  26 Mey 2009

Mihofahofa, any amin'ny tontolon-tserasera liana amin'ny mety ho fiantraikan'ny aterineto amin'ny fanabeazana, fikarohana ary amin'ny taranja hafa ho fampandrosoana, ny saina mena raha namoaka ny didy hitsivolana laharana faha-6649 ny governemanta venezoelàna. Te-hanafoana ny “fandaniana amin'ny tsy antony”na “rendrarendra” ao amin'ny fandaniam-bolam-panjakana manko ny didy hitsivolana ka tafiditra ao aantin'io...

Rosia: “Mpamaham-bolongana malaza”

  25 Mey 2009

Any amin'ny tontolon'ny endri-tsoratra Sirilika (grika sy rosiana) ao amin'ny LiveJournal dia ny isan'ny mpamaky  – “namana” -misoratra ao amin'ny bolongana iray no iray amin'ny fepetra mamaritra ny laza (na “hery”) ananany. Ny mpamaham-bolongana manana “namana” arivo raha vitsy indrindra dia antsoina hoe tysyachniki (avy amin'ny voambolana rosiana hoe tysyacha,...

Fiji: noraofin'ny polisy ny solosaina findain'ny ahiahiana ho mpamaham-bolongana

  22 Mey 2009

Notazonin'ny polisy ao Fiji ny mpisolovava telo ao an-toerana ary noraofiny ihany koa ny solosaina findain'izy ireo, satria heverina fa manana fifandraisana amina bolongana manohitra ny governemanta izy ireo. Notazonina vonjimaika nandritra ny ora vitsivitsy tamin'ny talata 19 mey ireto mpisolovava telo ireto dia i Richard Naidu, Jon Apted ary...

Shina: Mampatahotra ny miseho amin'ny tena anarana amin'ny aterineto

  14 Mey 2009

Lasa sehatra manan-danja fanaovan'ny olona politika sy fitsikerana mpitondra ny aterineto any Shina. Voaantoky ny fanafenana anaran'ny mpampiasa azy amin'ny ankapobeny ny fahalalahan'ny aterineto. Na izany aza dia tsy nitsahatra mihitsy ny fitadiavana hanohintohinana io fahalalahana io. Vao tsy ela akory izay dia nosamborina noho ny fiampangany ny tompon'andraiki-panjakana tao...