· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Janoary, 2009

Bolongana Afrikana voafantina ho @ Bloggies 2009

  23 Janoary 2009

Nisokatra tamin'ny voalohany volana janoary ary nikatona tamin'ny 19 janoary teo ny fifantenana fahasivy   ny loka fanolotra isan-taona: The 2009 Bloggies. Araka ny nolazain'ny vohikala mampanao ny fifaninanana dia ny Bloggies no fifaninanana lavitr'ezaka indrindra amin'ny resaka Web, ary anjaran'ny mpamaky ny bolongana avokoa no mifantina sy mifidy izay hiatrika...

Palestina: Mifampiresaka amin'ny Gaza

  19 Janoary 2009

Araka ny toe-javatra mahazatra ary koa na dia eo aza ny taha ambony amin’ny fahaiza-manoratra, dia mipetraka eo anelanelan’ny 13 sy 15 ny isan-jaton'ny fahafaha-mampiasa ny aterineto any Palestina (tafiditra ao anatin’izany Cisjordania sy Gaza ). Na dia eo aza ny fanafihana manatona an’I Gaza dia hita kosa fa mihena...

Mamolavola lalàna hifehezana ny aterineto sy ny famahanam-bolongana i Kambodza

  16 Janoary 2009

Eo ampandrafetana ny lalàna hanitarana ny ny lalàna misy ankehitriny hisahana ny endrika fampitam-baovao hafa, ka tafiditra amin'izany ny aterineto ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao Kambôdziana. Araka ny fanadihadiana tsy ara-panjakana moa dia mihoatra ny 70 000 ankehitriny ny isan'ny mpampiasa aterineto any Kambôdza amin'izao fotoana izao. Hanitatra ny andraikitry ny Minisitera...

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.

  14 Janoary 2009

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)” no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra...

Espaina: Mpiara-miasa amin'ny GV Lingua voafantina

  14 Janoary 2009

Maro amin'ireo vohikala Global Voices Lingua na Global Voices voadika amin'ny teny hafa no miara-miasa amin'ny vohikalana mpampita vaovao hafa hifanakalo RSS amin'ny lohateny mba hahazoany mpamaky bebe kokoa amin'ny fiteny samihafa. Vao haingana teo koa dia nanangana izay fiaraha-miasa izay ny Global Voices amin'ny teny Espaniola sy ny Periodismo Ciudadano, izay voafantina ho "Tetikasa aterineto tsara indrindra" ao amin'ny fifaninanana Las Mejores Miradas izay tohanan'ny fahitalavitra Espaniola.

Bangladesh: Fahanam-bolongana tsikelikely ny fifidianana

  06 Janoary 2009

Ao anatin'ny ora vitsivitsy (29 desambra) dia hifidy ny antenimiera fahasiviny ny Bengalis miisa 81 arivoarivo (51% n'ireo ny vehivavy). Kihondalana lehibe eto amin'ny firenena ity fifidianana ity fa haverina indray ny demaokrasia rehefa nitondra azy tao anatin'ny hamehana nandritra ny tetezamita roa taona ny hery mitam-piadiana [miaramila]. Efa niresadresaka...

Mitohy ny adin'ny Facebook amin'ny mpisovoka

  06 Janoary 2009

Efa niresaka ny adihevitra amin'ny sivana misy eo amin'ny Facebook sy ny YouTube ny Global Voices, indrindra moa rehefa miresaka momba ny fanafihan'Isiraely an'i Gaza ankehitriny. Androany anefa dia tsikaritry ny ny mpamaky Global Voices iray fa maro amin'ny vondrona Facebook manohana an'i Gaza no voasovoka, ary heverina fa ny...

Malezia: Dera ho an'ilay lehilahy misarontava

  05 Janoary 2009

Matin'ny fijanonan'ny fo iray volana lasa izay ny mpanao gazety sady mpikatroka Syukree Hussain avy ao Malezia. 28 taona izy izao lasa izao. Niatrika mandrakariva ny fihetsiketsehana aseho amin'ny alalan'ny famelomana labozia fanao isan-kerinandro any Malezia i Syukree. Mahafantatra azy avokoa ny rehetra noho ny fanaovany sarontava. Nanaitra ny namany...

Ankapobe: Fihetsiketsehana manohana an'i Palestina

  04 Janoary 2009

Mitsangana hanohana an'i Gaza izao tontolo izao. Anjato arivony (an'hetsiny hoy isika) ireo olona amin'ny vazantany efatra nanao fihetsiketsehana nandritra izay dimy andro izay. Hatrany Boston ka hatrany Beirota, Le Cap ka hatrany Caracas, maro ireo olom-pirenena naneho ny firaisankinany amin'i Gaza. indreto ary misy rakitsary izay notovozina tao amin'ny ...