· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jolay, 2008

Afirika: Fifaninanana mamaham-bolongan'ny olo-malaza

  30 Jolay 2008

Fitsinjovana ataona Nairobiana mba te-hahita Famahanam-bolongana ataon'ny efa malaza eto Afirika:Fifaninana izy io ary mitaky tetipanorona tsara omana, maniry te-hahita sokajy manokana ho an'ny bolongana Afirikana ho azy ireny aho, etsy ankilan'izany dia handray ny ohatra tsara ka hanao  fifaninanana ho antsika isika! Misy ve ny hanolotena hanohana ho amin'ny fifaninanan'ny...

Afirika: Tatibaovao amin'ny alalan'ny finday

  30 Jolay 2008

White African no miady hevitra momba ny fitatera-baovao (mifindrafindra) any Afirika, “Ny (orinasa ) avy any  Pays-Bas AfricaNews no mpitari-dalana amin'ity sehatra ity, raha nanomboka tamin'ny herintaona tao amin'ny tranonkalany ny “Voices of Africa” (Feon'i Afirika). Tsy mitsahatra ny sondriana aho amin'ny fahitany, fanazarany ary fanomezany fitaovana ny mpanao gazetiny...

Shina: Ento miaraka aminao ny router wifi-nao

  29 Jolay 2008

Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto  ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'ny Mandaben'i Shina aho, fa mandifotr'olona ihany koa (manempotra) ny saram-pampiasana azy!”

Rosia: Golàgy aseho an-tserasera

  25 Jolay 2008

Robert Amsterdam no manintona ny fampirantiana an-tserasera ny fomba fiasan'ny Golàgy nandritra ny fitondrana Sovietika – natsangan'ny ivon-toerana momba ny tantaram-pirenena sy ny New Media [haino amanjery vaovao] ao amin'ny  Anjerimanontolon'i George Mason ary iarahany miasa amin'ny mpandala ny  zon'olombelona Rosiana “Memorial” – ka asehony an-dahatsary ao fomba fisamboran'olona nandritra...

Arabia Saodita: Ifanavahana hatramin'ny rohy

  23 Jolay 2008

Efa diso fantatry ny rehetra fa iainana andavanandro ny fifanavahana ny lahy sy ny vavy - fa mba manaoahaoana kosa ny aty an-tserasera? Moa afaka ampiarahana amin'ny vondron-drohy iray ve ny anaran-dahy sy ny anaram-bavy? Nivanivany tamin'ilay hevitra ny mpamaham-bolongana Saodiana iray.

Bahrein: Fanandratana ny vondrom-bolongana miteny arabo iray

  14 Jolay 2008

Maro amin'ny mpamaham-bolongana any amin'ny tontolo  Arabo no mampiasa ny tahalam-bolongana miteny arabo tahaka ny  Jeeran sy ny Maktoob, hany ka nihoatra ny sisintanim-pirenena maro ny fivelaran'ny tontolony. Mpamaham-bolongana Bahrainita malaza iray, Shaima Al Watani, no mankalaza ny tsingerintaona voalohany nidirany tao amin'ny vondrom-piaraha-monin'ny mpamaham-bolongan’ i  Jeeran. Shaima, izay manana ny bolongana antsoina hoe ‘Scattered...

Jordana : Nametraka hafatra tamin'ny vohikala i Abdallah mpanjakan'ny Jordana

  09 Jolay 2008

Tamin'iny faran'ny herinandro lasa teo iny, dia nametraka hafatra roa tamin'ny vohikala i Abdallah faha-II mpanjakan'ny Jordana : tao amin'ny gazety Ad-Dustour (teny Arabo) any Jordana, sy ho valin'ny lahatsoratra napariaky Naseem Tarawnah tao amin'ny The Black Iris [Voamaso mainty]. Ireo hafatra ireo dia tohin'ny tafatafa malalaka vao nifanaovan'ny mpanjaka tamin'ny gazety tany an-toerana izay nanolorany...

Palestina : Nomena loka, avy eo nampijaliana ny mpanao gazety Mohammed Omer

  07 Jolay 2008

I Mohammed Omer dia mpanao gazety mbola herotrerony avy o Rafah, any Gaza. Vao herinandro maromaro lasa izao dia nahazo ny loka “Martha Gellhorn Award” izy noho ny fanadihadiana nataony mikasika an'i Gaza, raha vao 24 taona monja. Tamin'ny fiverenany nefa dia notazomin'ny Shin Beit i Omer, ary tapak'andro taorian'io...

Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana

  06 Jolay 2008

Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.