· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Fanarahamaso tamin'ny Febroary, 2013

Zambia: Sinoa Manampahaizana Hanaramaso Ny Aterineto Hoe?

GV Mpisolovava  25 Febroary 2013

Voalaza fa nanakaràma Sinoa manampahaizana ny governemanta Zambiana mba hametraka fitaovana fanarahamaso miafina ny aterineto ao amin'ny firenena. Efa nitsidika ireo orinasa ny iraka avy amin'ny Biraon'ny Filoham-pirenena sy ireo manampahaizana manokana amin'ny teknolojia hitsidika ny toeram-piasàny sy handalina ny fotodrafitrasa ampiasain'ny tambajotran-dry zareo, mba hahafahan'ireo manampahefanaa mijery izay toerana ao anatin'ilay tambajotra hametrahana ny fanapaingorana , na ny 'varavarana miafina' hitsikilovany. Na ny manampahefana Zambiana, na ny Shinoa dia samy tsy nisy nety naneho hevitra mikasika ny fiarahan'izay ireo miasa