· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Fanarahamaso tamin'ny Janoary, 2013

Venezoela: Nanaovana Bemidina Ny Tranon'ny Mpampiasa Twitter Iray

GV Mpisolovava  13 Janoary 2013

Notafihan'ireo manamboninahitry ny fitsikilovana Venezoelana ny tranon'ilay mpampiasa Twitter, Federico Medina Ravell ny Alahady 6 Janoary, izay araka ny voalaza dia ao ambadik'ilay kaonty @LucioQuincioC. Ahiahiana ho mampiely tsaho momba ny fahasalaman'Atoa Hugo Chávez io mpitoraka bilaogy kiritika io

Fanapaha-Kevitra 10 Vaovao Hiarovana Ny Fampiasana Ny Aterineto Amin'Izao Taona 2013 Izao

GV Mpisolovava  04 Janoary 2013

Misahana manokana ny fiarovana ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto izahay ato amin'ny Global Voices Advocacy (GVA) . Efa namoaka toro-lalana sy fitaovana izahay hahafahan'ireo mpiserasera hikirakira am-pilaminana ny aterineto, hanakana ny sivana sy hifampiaro ao amin'ny aterineto. Noho izany indrindra, vonona hatrany izahay hanohy hiaro ny zo maha-mpiserasera anao amin'ity taona 2013 ity,...