· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Fanarahamaso tamin'ny Novambra, 2012

Taratasy Misokatra Ho An'i Marissa Mayer: HTTPS Amin'ny Tolotra Yahoo! Rehetra Ankehitriny Izao

GV Mpisolovava  24 Novambra 2012

Taorian'ny fanendrena miezinezina an'i Marisa Mayer ho filoha tale jeneralin'ny Yahoo!, Afaka nanararaotra ny mpitantana vaovao hamaha olana maika: Yahoo! Mail no hany habaka lehibe mbola miankina amin'ny serasera tsy azo antoka. Efa nataon'ny Google ho mipoitra voalohany tamin'ny tolotra GMail tamin'ny fiandohan'ny taona 2010 ny Hypertext Transfer Protocol Secure (HTTPS), arofeni-pifandraisana...

Miaro Ny Aterineto Misokatra : Miray Hina Ireo Mafana Fon'ny Aterineto

GV Mpisolovava  13 Novambra 2012

Mandrindra ny fisoloana vava ho amin'ilay valan-dresaky ny International Telecommunication Union atao tsy ho ela ireo mpampiasa aterineto eran-tany, izay hanapahan-ireo mpikambana ao amin'ny fanjakana hevitra na tokony handrakotra ireo olana mikasika ny politikan'ny Aterineto—ireo antontan-taratasy mikasika ireo fifanekena izay tafavoaka aty ivelany, isan'izany ireo soso-kevitra amin'ny fampanarahan-dalàna eran-tany izay mety hametraka fetrany amin'ny tsiambarantelo anaty aterineto, ny fahalalahana miteny, ny fahahafahana hahazo fampahalalam-baovao sy ny ny fampiasàna ny ICT eran-tany— ny ITU. Fantaro ny fomba ahafahanao mandray anjara anatin'io ezaka io.

Azerbaijan: “Firenena manaratsy ireo mpampiasa tambajotra sosialy ho marary saina”

GV Mpisolovava  10 Novambra 2012

Raha tany amin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia ny mason'ny rehetra, nisy fivoriana iraisam-pirenena kosa nanomboka tamin'ny Talata tany Baku, renivohitr'ilay Repolika Sovietikan'Azebaijan taloha. Ny Valan-dresaka ho an'ny Fitantanana ny Aterineto (IGF) faha-fito karakarain'ny Firenena Mikambana dia mitaky ny fitondràna ireo "mpandray anjara rehetra" ho mpiara-miasa mitovy mba hiadian-kevitra momba ireo olana lehibe mifandraika amin'ny hoavin'ny aterineto, ary koa ireo olan'ny fitsipika, fandrindràna, ary mazava ho azy, ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.