The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Sport Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Sport

2008-07-17

Hong Kong (China)

Namoaka vola taratasy hahatsiarovana ny lalao Olaimpika hotontosaina any Beijing ny Bank of China any Hong Kong. Anarivony no nilahatra telo andro mialoha mba hahazoana izany vola taratasy izany ka niteraka savorovoro. Florence avy amin'ny Over the Rainbow (Ambonin'ny Avana) no voatery niresaka ny vaovao ka nilazalaza fa tsy hifanakalozana eny an-tsena io vola io ary taratasy tsotra fotsiny izao vola vidian'ny olona izao.

2008-07-12

Armenia ,
Turkey

Unzipped no milaza ny heviny avy amin'ny tenin'ny filoha vaovaon”i Arimenia navoakan'ny  Wall Street Journal ahitana ny fanantenan'i Serge Sargsyan fa mety hiteraka fifandraisana eo amin'ny tany roa tonta ny fihaonan'i Arimenia sy Torikia amin'ny baolina fandaka hifanintsanana ho amin'nyfiadiana ny amboara erantany amin'ny volana septambra ho avy izao. Mikatona tanteraka manko ankehitriny ny sisitany iraisan'i Arimenia syTorikia.

2008-07-08

Shina: Sarkozy ve no fototry ny olam-pifandraisan'i Shina sy Frantsa?

'Fahafahana , Fitoviana, Firahalahiana, mba teny mambabo fo loatra lahy izany! Raha izany ary nahoana no mbola misy lonilony eo amin’i Shina sy Frantsa?'

2008-07-07

Shina : Mivonòna sahady ny hijoro vavolombelona amin'ny fahatongavan'ny lalao Ôlaimpika

Olympics
Efa nilaza sahady i Zuola izay vavolombelona mpitatitra eto amin'ny Aterineto fa isan'ireo ho any an-toerana izy [zh], ho tonga any koa ireo mpanao vy very ny ainy ara-pivavahana, ary toa  eo am-pikatsahana mpanatri-maso avy any an-toerana ireo gazety vahiny, ary ireo vohikala mpivoy ny web 2.0 dia mihevitra fa misy lahatsary blaogy ara-tsary ...

2008-07-06

Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana

Olympics
Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.

2008-07-05

Shina : Raràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsarin'ny manodidina ny lalao Ôlaimpika

Olympics
ProState in Flames izay mpitatitra an-gazety sy mpiblaogy no mitatitra mikasika ny fanambarana nataon'i Xu Chao, izay tale jeneralin'ny sampan-draharaha misahana ny zon'ny mpamorona [copyright] izay nanambara fa raràna ny fakana lahatsary manodidina ny lalao Ôlaimpika mba hanapariahana azy amin'ny blaogy, satria heverina ho tsy fanajana ny zo mifehy ny ...

2008-06-25

Rosìa : “Revôlision'ny kitra”Photos post

Tena alin-dìa [bibidìa] sady tsy natoriana mihitsy tany Rosìa, taorian'ny fandresen'ny ekipa nasionaly ny Hôlandey 3-1 sy ny fahazahoany hiatrika ny lalao manasa-dàlana. Nahatratra 50'000 ireo olona nidina teny an-dalamben'i Môskoa, nankalaza ity fandresena izay tsy nantenaina intsony - ary fanehoam-piravoravoana toy izany no saiky hita niredareda eran'ireo tanana Rosìana ...

2008-06-24

Rosìa : Mpanohana kitra any Môskoa, an-tsaryPhotos post

nl mpampiasa LJ no manapariaka sarin'ireo mpanohana kitra any Môskoa izay nankalaza ny fandresen'ny ekipa nasionaly Rosìana ireo Soedàna - ato sy ato.

2008-06-11

Madagasikara : Nahoana i Afrika no tsy mba avela hijery ny fiadiana izay ho tompon-dakan'i Eorôpa amin'ny baolina kitra UEFA ?

Raha mbola mankafy eo am-panarahana izay fiadiana izay ho tompon-dakan'i Eorôpa amin'ny taranja baolina kitra UEFA izao tontolo izao, firenena maro any Afrika no tsy afaka manaraka afatsy lalao 8 monja. Ny namana Jentilisa, dia manazava fa ny fikambanana AFNEX (African Network and News Exchange) no nametra izay isan'ny fifandonana ...

2008-06-05

Cap Vert : Fantarò i Pedro Gomes

Dan Klotz no manapariaka ao amin'ny Cape Verde Basketball mikasika an'i Perdo Gomes izay mpilalao Baskety avy any Cap Vert : Pedro Gomes is a very important part of the national team, a key man behind the scenes, involved with virtually everything to do with both the men’s and women’s national ...