Global Voices teny Malagasy » Fanatanjahantena
Alzeria sy Ejipta: Efa tsy resaka baolina fandaka intsony
Iza moa no mba nino fa niteraka romoromo amina firenena roa tahaka izao ny lalao baolina fandaka iray? Saingy ny marina dia tafakatra hatrany amin'ny dingana tsy nampoizina ny fifanenjanana teo amin'i Ejipta sy Alzeria. Maro ny mpamaham-bolongana no mihevitra fa tsy misy ifandraisany ilay lalao sy ny gidragidra misy eny an-dalambe, ary maro ihany koa no tahaka ahy no tohina tanteraka fa misy ireo fampahalalam-baovao malaza no tsy mahatakatra akory ny fandehan'ny tantara iray manontolo - Mbola mino ihany ireo fampahalalam-baovao ireo fa fihetsiketsehana sy gidragidra eo amin'ny samy mpanohana ny ekipam-pireneny noho ny vokatry ny lalao no misy. Toy izao ary ny antsipirian'ny fivoaran'ny toe-draharaha - araka ny nosoratan'ny mpamaham-bolongana.
Taorian'ny lalao natao tany Ejipta dia nilaza ny gazety Alzeriana fa nisy ny Alzeriana no maty (saingy nolavin'ny ambasadera Alzeriana any Le Caire izany vaovao izany). Niteraka fanafihana ny fonenana sy toeram-piasana Ejipsiana tany Alzeria izany tsaho izany; Potika ny masoivohon'ny Egypt Air. Notaterina ihany koa fa mpiasa Ejipsiana mihoatra ny 1500 no voatafika sy voatakalon'aina tao anatin'ny rotaka; Voatery narovan'ny mpitandro ny filaminana Alzeriana ihany koa ny Ambasady Ejipsiana.
Manoratra ireny tsahotsaho ireny ao amin'ny bolongany El Journaljy i Ihab Omar:
ثم اتت الطامة الكبرى، حينما رأى الاعلام الجزائري ان الادعاء بوجود وفيات في المبارة سوف يدعم الموقف الجزائري بطلب اعادة المباراة، خاصة ان ملف المباراة تحت التحقيق بالفعل في الفيفا، و هكذا خرجت الصحف الجزائرية تتحدث عن نعوش جزائرية وصلت الي مطار الجزائر قادمة من مصر، جثث المشجعين الجزائريين المساكين الذين طاردهم المصريين الهمج في كل شوارع مصر
Tonga ny tsy nampoizina, rehefa nilaza ny fampahalalam-baovao Alzeriana fa nisy ny mpanohana ny ekipan-dry zareo no maty. Noheverin-dry zareo fa raha manao izany ry zareo dia afa-mangataka fanafoanana ny lalao, indrindra moa fa hoe eo ambany fiahian'ny FIFA io lalao io. Avy eo dia nanambara ireo gazety Alzeriana ireo fa nisy vatampaty avy any Ejipta tonga tany amin'ny seranam-piaramanidin'izy ireo. Mitondra ny vatamangatsiakan'ireo mpanohana Alzeriana notafihan'ny barbariana Ejipsiana nanerana ny lalamben'i Ejipta ireo vatapaty ireo araka ny filazany.
Taorian'izany dia nandà ny fisian'izany ny Ambasadera Alzeriana ka nilaza fa tsy nisy Alzeriana maty izany tany Ejipta. Saingy araka ny nosoratan'i Inferad ao amin'ny bolongany, dia tsy nahasakana ny fielezan'ny tsaho sy ny herisetra niaraka taminy io fanambarana io.
وأشار السفير حجار إلى أن ما أشاعته صحيفة “الشروق” الجزائرية يوم الأحد عن مصرع سبعة جزائريين بالقاهرة عقب المباراة عار تماما من الصحة، مؤكدا أن هذا الأمر لا يمكن أن يحدث دون علم السفارة، منوها في الوقت ذاته بوجود إصابات بين عدد من الجزائريين نتيجة للتدافع أثناء خروجهم من استاد القاهرة عقب المباراة
يأتي ذلك في الوقت الذي أكدت فيه الخارجية المصرية تعرض العاملين في عدة شركات مصرية بالجزائر لإصابات واعتداءات جماهير جزائرية تقدر بالآلاف، جراء الإشاعات التي روجت لها الصحف الجزائرية لها عقب المباراة
Nanambara moa Atoa Hajjar, Ambasadera Alzeriana any Ejipta, fa tsy misy fahamarinany mihitsy ny navoakan'ny “El Chorouk” milaza ny fahafatesana mpanohana Alzeriana fito tany Le Caire. Nampiany moa fa tsy misy zavatra tahaka izany ka tsy fantatry ny masoivoho, na izany aza dia maromaro ny naratra noho ny firohotana nivoaka ny kianjan'i Le Caire.
Taorian'izany moa dia nanambara ny minisitry ny raharaham-bahiny Ejipsiana fa maro amin'ny Ejipsiana miasa any Alzeria no notafihan'ny Alzeriana anarivony notarihin'ireny tsahotsaho ireny, izay niely tamin'ny alalan'ny gazety Alzeriana.
Nandritra sy taorian'ny lalao tany Ejipta moa dia mbola nilamina ny tontolom-bolongana Ejipsiana. Nanoratra ny mpamaham-bolongana tahaka an'i Nile Wise fa lalao baolina fandaka fotsiny iny ka tsy tokony hanao zavatra mihoam-pampana ny olona:
مباراة كرة القدم بين الفريق المصرى والجزائرى تحولت وبشكل سخيف الى مايشبه اعلان الحرب بين الدولتين ,فالمباراة مهما كانت اهميتها للفريقين فانها فى النهاية مجرد مباراة نعلم جميعا أن مصر لم تتأهل لكأس العالم من 20 عام والجزائرلم تتأهل منذ 24 عام
Niofo ho fihantsiana ady teo amin'i Ejipta sy Alzeria ny lalao baolina fandaka nisy teo amin'ny roa tonta. Lalao baolina fandaka tsotra iny raha tsy jerena ny lanjany eo amin'ny ekipa tsirairay avy, indrindra moa rehefa fantatsika rehetra fa tsy tafita amin'ny dingan'ny famaranana eo amin'ny fiadiana ho tompondaka erantany i Ejipta tao anatin'ny 20 taona izay, raha 24 taona kosa izany ho an'i Alzeria.
Nanambara ny bolongana tahaka an'i Inferad fa ny fampahalalam- baovao eo amin'ny firenena roa tonta no mendrika hotreronina. Niangavy ny olona eo amin'ny firenena roa tonta izy tsy hinohino fahatany izay vakìny sy henony:
لا تصدق كل مايقال لك عن اعمال عنف ضد المصريين فى الجزائر ولا عن قتل الجزائريين فى شوارع القاهرة ..نعم هناك حالة احتقان يفتعلها الاعلام المتطرف بمساندة حكومات فاسدة وفاشلة هنا وهناك ..حكومات لا تعبر عن الشعوب بل استولت على السلطة بالقوة وتحاول الهاء الشعوب بمباريات الكرة والافلام العارية والصحافة الداعرة
Aza mino izay rehetra voasoratra amin'izany hoe Ejipsiana notafihina tany Alzeria na Alzeriana nisy namono tany Le Caire izany. Eny, misy ny faka mangidy (lonilony) foronin'ny fampahalalam-baovao ary ankasitrahan'ny governemanta mpanao kolikoly andaniny sy ankilany - governemanta nahazo fahefana tamin'ny alalan'ny hery, ary te-hisarika ny fifantohan'ny olona amin'ny baolina fandaka, fiboridanana, ary amin'ny gazety tia fanafintohinana (horikorika na journaux à scandales).
Misy ihany koa ny mpamaham-bolongana hafa tahaka an'i Al Journaljy, no manaiky ny fisian'ny herisetra nisy eo amin'ny firenena tsirairay natao tamin'ny mpankasitraka ny hafa:
في مباراة الذهاب التى اقيمت بين مصر و الجزائر هنالك في التصفيات الجارية حالياً، تم قذف اتوبيس المنتخب بالحجارة في شوارع الجزائر
Nandritra ny lalao natao tany Alzeria dia voatora-bato teny an-dalana ny fiara nitatitra ny ekipa ejipsiana.
Ary dia nanohy izy:
سهر الجماهير محدثين أكبر قدر من الضجيج و العربدة اسفل نوافذ اللاعبيين المصريين حتى لا ينعمون بالراحة والنوم لمباراة اليوم التالى
Nandany ny alina hitabataba teny akaikin'ny trano natorian'ny mpilalao Ejipsiana ny mpanohana an'i Alzeria mba tsy hahafahan'ireo mpilalao ireo miala sasatra sy matory.
Nanaiky ihany koa izy fa tsy tsara tahaka ny mpanohana an'i Ejipta ny mpanohana an'i Alzeria, ary samy nanao ny hadalany ry zareo talohan'ny lalao natao tany Le Caire.
و لنصل الي المحطة الاخيرة، الي مباراة السبت الماضى، بالطبع كان هنالك تجاوزات جرت من الطرف المصرى
Ary nitranga izany nandritra ny lalaon'ny sabotsy, azo itokisana fa nisy ny fihoaram-pefy nataon'ny andaniny Ejipsiana.
Ary izao ihany koa no nanoratan'i Daily Barid avy hatrany:
هناك أمر مؤكد بشأن أعمال الشغب من الجانبين المصري و الجزائري فهم ليسوا ملائكة والكل يعلم هذا ,ولكن من يفصل في هذه الأعمال هي السلطات وليس أحد آخر و يجب أن تتحمل السلطات مسؤولياتها الكاملة إذا كان هناك وفيات كما أشيع ولا أتمنى ذلك فالوحيد المسئول عن هذا الأمر هو القضاء و التعامل يكون كالتعامل مع أي قضية إجرامية ودون التوسع إلى أمور أخرى يجب على السلطات في كلى البلدين محاسبة جميع الوسائل الإعلامية غير النزيهة و التي ساهمت بشكل فاضح و شرير في إلهاب مشاعر الحقد بين أفراد الشعب ين
Azo itokisana fa samy nanao herisetra na ny Ejipsiana na ny Alzeriana. Tsy olo-masina ireo, ary samy mahalala izany ny rehetra. Fa ny governemanta (roa tonta) no tompoon'andraikitra nifampiraharaha tamin'ireo nanao action fa tsy tamin'ny hafa. Raha nisy ny fifamonoana, manantena aho fa ny rafi-pitsarana no miditra an-tsehatra, ary tokony ho raharahan-keloka ihany. Tokony hanasazy ny fampahalalam-baovao tsy nanaja ny etikany niteraka savorovoro teo amin'ny vahoaka roa tonta ny governemanta roa tonta.
Raha ny marina ireo zava-nitranga notantaraina tetsy ambony ireo dia azo heverina ho fampidirana ny zava-nitranga tamin'ny alarobia teo tany Soudan. Toy ny manao famaranana na ny Ejipsiana na ny Alzeriana mba ahafahana mahafantatra izay hiakatra amin'ny dingana famaranana hotontosaina any Afrika Atsimo amin'ny herintaona.
Misy ny mpamaham-bolongana manahy fa hisy herisetra hihatra amin'ny mpijery baolina Ejipsiana any Soudan. Izany no nahatonga an'i Lokmet Eish miantso ny mpitandro ny filaminana hiaro ny mpanohana sy ny mpilalao Ejipsiana any:
بعد أخبار صحيفة الخبر الجزائرية المفبركة والكاذبة
مطلوب حماية أمنية خاصة للفريق القومى المصرى،وللجماهير المصرية المرافقة
Taorian'ny vaovao tsy marina navoakan'ny gazety Alzeriana, Al Khabar, dia nisy ny mpitandro ny filaminana manokana nangonina hiaro ny mpanohana sy ny mpilalao Ejipsiana.
Nanao izay ho afany ihany ny Sodaney hifehezana ny kianja tamin'ny nandefasana miaramila miisa 15 000. Saingy efa nivadika moa ny toe-draharaha ka na dia maro tahaka izany aza tsy mbola ampy hahafehy ny raharaha. Nosoratan'i Zeinobia ao amin'ny bolongany izay nitranga:
Natory tamin'alahelo ny ankamaroan'ny Ejipsiana halina taorian'ny faharesena teo anatrehan'i Alzeria, lalao io ary samy mahafantatra fa mety ho resy izahay ary tsy izay akory no farandro saingy mbola niari-tory ihany ny maro amin'ny Ejipsiana manerantany hatramin'ny maraimbe fa hazain'ny jiolahimboto Alzeriana romotra hoe, raha izay no ilazako azy, ny mpanohana antsika nandritra ny alina.
Ejipsiana anarivony no nandany ny alina tany ampiafenana na izany tany amin'ny trano fandriambahiny na trano fisakafoanana na tany amin'ny orinasa Ejipsiana HQ ao Khartoum ary misy aza miafina any an-tranon'ny Sodaney noho ny tahotra sao dia tratra ka voadaroky ny jiolahimboto Alzeriana entin'ny voromby Alzeriana.
Araka ny filazan'ny nanatri-maso tao amin'ny kianja Sodaney dia tsy ireo mpanohana Alzeriana mahazatra ireo tonga tany ireo, tsy nohirainy akory manko ny hira malaza ahafantarana azy ireo manao hoe “1,2,3 Algerie”. Jiolahy efa zatra ady namotsy ny tsenan'i Um Darman tao anatin'ny telo andro katroka tamin'ny alalan'ny kalaza, antsy, sabatra ry zalahy ireo. Mazava loatra fa efa nampitandremana izahay fa tsy noeritreretinay ho tahaka izany ny fandehany indrindra moa efa fantatra fa resy isika. Teny ampividianana tapakila aza dia efa maro ny Ejipsiana tsy nandeha tany noho ny tahotra hisian-javatra tahaka izao indrindra.
Nihaza ny fiarakodianay sy ny fiarabenay tamin'ny vato sy tavoahangy ireo jiolahy Alzeriana ireo, ary maro mihitsy ny Ejipsiana no naratra. Ny seranam-piaramanidin'i Khartoum moa dia tahaka ny tsy haiko ny milaza azy,mety hoe mahantra noho ny toe-karena fa tena hipoka, tena hipoka mihitsy.
Nandritra ny alina manontolo ny firenena no mahare antsom-pihorohoroana avy any Soudan ataon'ny olo-malaza, mpanao gazety, solombavambahoaka sy mpanohana mahazatra izay voafandrika any an-dalamben'i Khartoum any mandritra ny ora ary tsy mahafantatra izay lalan-kodiavina.
Nanoratra momba ny mpankasitraka Ejipsiana iray poa-maso noho ity raharaha ihany koa izy, ary mampitaha izay nitranga ihany koa 20 taona lasa izay raha nanapoaka masona mpankasitraka Ejipsiana iray ihany koa ny mpankasitraka Alzeriana iray:
Aoka ho fantatrao fa olo-pirenena Ejipsiana iray antsoina hoe Marwa Abdel Karim ihany koa no poa-maso, tahaka ny hoe misy fifandraisany fa nanao toy izany tamina olo-pirenena Ejipsiana hafa ihany koa 20 taona lasa izay i  Baloumi tamin'ny 1989.
Eto ihany koa dia nanoratra izay nitranga tany Soudan i Bani Adam Maa Waqf El Tanfeez. Nosoratany ny lahatsary iray nivoaka an-tserasera nampitandrina ny Ejipsiana tsy hankany, ary misy ahitana ireo mpankasitraka Alzeriana mitondra antsy eny an-tanany:
أولا أعتذر عن سوء فهمي للموضوع و قيامي بمبادرة تعمل على نبذ التعصب و للأسف كتبت عنها الجرائد الجزائرية .. مما يجعلني أشعر بالعار الآن
لا أعرف كيف لم أصدق كلامهم .. فقد شاهدت بعيني فيديو أسمه ( تحذير لكل مصري ) يقول فيه كل ما سوف يحدث و أنهم سوف يرسلون بلطجيه و لصوص و مسجلين خطر للانتقام من المصريين
بعد فهمي للموضوع أري أن الحكومة الجزائرية و سفيرها في مصر مشارك في المجزرة التي حدثت
Tena miala tsiny indrindra aho, noho ny tsy fahazoako ny resaka iray manontolo ary niantso fandraisana andraikitra hampitsahatra ny herisetra misy eo amintsika sy ny gazety Alzeriana nanoratra momba an'io. Tena manao azafady indrindra noho izany aho ankehitriny.
Tsy fantatro hoe naninona no tsy ninoako izay nambaran-dry zareo. Nahita ny lahatsary iray navoakan'izy ireo aho [tao amin'ny YouTube] izay “Nampitandrina ny Ejipsiana rehetra”, izay efa nilazan-dry zareo ny hitranga ary efa nanampikasana ny handefa mpamono olona mitondra fitaovam-piadiana hamaly faty ny Ejipsiana.
Ankehitriny hitako fa nandray anajara tamin'ity famonoana ity ny governemanta Alzeriana sy ny ambasaderany.
Ary dia notohizany ny resaka:
أرسلت مصر خير أبنائها لمشاهدة المباراة لإضفاء نوعا من السلام و الحب ..
فمن في الوطن العربي كله ؟ لا يسمع محمد فؤاد ؟؟ من في الوطن العربي كله لا يحترم الفنانة فردوس عبد الحميد . من الوطن العربي كله لم يضحك على كوميديا الفنان احمد بدير ؟؟ و غيرهم و غيرهم
أنهم رموز مصر و رموز الوطن العربي كله
بينما أرسلت الجزائر أبنائها من قاطعين الطرق و مسجلين الخطر و غيرهم و نقلتهم على قواتها الحربية ؟؟ كما أكدت وسائل الإعلام أمس أن الجزائر كانت تستخدم الطائرات الحربية ؟؟؟
أذن الجزائر تكره مصر ؟؟
نعم
الجزائر تكره مصر …. الجزائر أعلنت الحرب و نحن كنا نقول وردة لكل جزائري
هل رأيتم شعب يتصرف بساذجة مثلا !! بالطبع
Nandefa ny vato nasondrotry ny tany avy amin'ny fiaraha-moniny tany i Ejipta hijery ny lalao, mba ho mariky ny fitiavana sy ny fandriampahalemana.
Iza tamin'ny tontolo arabo moa no tsy efa nihaino an'i Muhammad Fouad [mpihira ejipsiana], na efa nanaja an'i Fardous Abdel Hameed [mpanao tantara tsangana Ejipsiana], na efa nihomehy tamin'ny hatsikan'i Ahmed Bedeir. Ary ireo hafa ihany koa.
Olomangan'ny Arabo ireo.
Nefa etsy ankilan'izany kosa i Alzeria dia ireo mpisetrasetra sy mpamono olona no notaterin'ny voromby maro an'ny miaramila.
Koa mazava ankehitriny fa mankahala an'i Ejipta i Alzeria. Eny, halan'i Alzeria i Egypt, ary efa nihantsy ady tamintsika, raha mbola teo ampiresahana raozy ho an'i Alzeriana tsirairay isika.
Efa nahita vendrana tahaka antsika tahaka izao ve isika taloha? Tena tsia mihitsy.
Ary dia hita ampahibemaso izany ankehitriny, vonton'alahelo (adala) noho izay nitranga tany Soudan na ny fampahalalam-baovao, na ny vahoaka eny an-dalambe, na ny fitondrana Ejipsiana.
Manoratra ato izay nolazain'ny manam-pahefana Ejipsiana i Zeinobia:
Nampiantso ny Ambasadera Ejipsiana (hody) i Ejipta tao anatin'ny fotoana efa naharatsy ny fifandraisantsika ka vao maika nanampy trotraka ny faharisarisam- pifandraisana tamin'i Alzeria izany
Efa tsy hita eto Ejipta intsony ny Ambasadera Alzeriana, mino aho fa mangoron'entana izy izay.
Efa mifaninana amin'ny fepetram-piarovana ny ambasadin'i Etazonia, i Isiraely ary i Danemarka ny fiarovana any ambasady alzeriana ao amin'ny lalana Brezila any Zamalek.
Nisy fifampiantsoana hanafika ny ambasady manko hatramin'ny maraimbe tany amin'ny takelaka facebook
Nanao fanambarana ofisialy mitsipaka sy manameloka ny fanafihana ny mpanohana antsika ny federasiona Ejipsiana , antenaina fa hotaterintsika any amin'ny FIFA izany
Niala tao amin'ny federasiona baolina fandaka Afrika avaratra ny federasiona Ejipsiana
Nanambara ny orinasa mpamokatra lahatsary tantara (tantara an-tsarimihetsika) Ejipsiana “ orinasa Arabo mpamokatra sy mpampiely lahatsary tantara” fa hanao ankivy ny hetsika Alzeriana.
Tarek Amr
Karaiba: Vitan'i Bolt indray letia a!
Medaily volamena  Olaimpika sy fitazonana ny zava-bita vaovao manerantany eo amin'ny hazakazaka 100 metatra sy 200 metatra no vitan'ilay Jamaikana Usain Bolt, ary tao anatin'ny fandresena nahoraka  sy  nahavalalanina no nahavitany izany tamin'ny faran'ny herinandro nandritra ny fiadiana tompondaka manerantany IAAF notontosaina tany Berlin,  tafiditra 9.58 segondra nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra.  Mientanentana ny mpamaham-bolongana any amin'ny faritra, indrindra ny any Jamaika…
Tsy menatra i Life, Unscripted, on the Rock niteny:
Mi glad bag buss!
BIG UP, Bolt and Asafa. Lightning Bolt scorched, and Asafa [Powell, who took home the bronze for Jamaica in a time of 9.84] showed us what he’s made of.
Congratulations are also due to all the Caribbean participants on a job well done.
Voan-dalana masaka mahafeno harona leitsy!ITY ‘TY IZY, ry Bolt sy Asafa. Nasehon'ilay mitselatra Bolt sy Asafa[powell zay nahazoan'i Jamaika ny medaily alimo tao anatin'ny 9.84] antsika indray  hoe  iza moa izy.
Arahabaina ihany koa ny Karaibiana rehetra nandray anjara nahavita zava-dehibe.
Niresaka momba ilay fandresena ny Abeng News Magazine:
Usain Bolt’s sizzling 9.58 sec world record 100 meters run on Sunday gave Jamaicans one more reason to celebrate, despite the tough economic times facing the island.
Nanome fomba iray hafa hifalian'ny Jamaikana indray tamin'ny alahady ny nahazoan'i Usain Bolt tao anatin'ny 9.58 segondra ny hzakazaka 100 metatra, na dia eo aza ny fahasarotana ara-toe-karena mahazo ny nosy.
Tsy very anjavony ihany koa ny dikan'ity zava-bita ity aho an'ny The Phoenix in a Gas House:
One day Usain Bolt is going to do something that a normal human being might do. He'll spill his tea, or drop his chicken nuggets, or trip over his shoelaces.
One day. For now, he astonishes and astounds with everything he does.
Almost exactly 73 years ago in this Olympiastadion, Jesse Owens produced an athletic performance that made sporting history. Before Sunday night, it seemed impossible that anyone could ever match those deeds.
That was before 9.58 seconds. That was before Usain landed.
The greatest 100m in history? Surely. The greatest sprinter ever? Unquestionably.
Vitan'i Usain Bolt indray andro ny tokony ho vitan'ny zanak'olombelona tsotra. Handraraka ny dite-ny izy, na misy poti-kenan'akoho avy aminy, na ho voafingan'ny tadi-kirarony izy.Indray andro. Manomboka izao dia hahagaga sy hahatalanjona izay rehetra ataony.
Saiky 73 taona lasa katroka izao teo amin'io Olympiastadion io ihany i Jesse Owens no nahavita hazakazaka izay noraiketin'ny tantaran'ny fanatanjahantena. Talohan'ny alahady alina, dia noheverina fa tsy ho vitan'olombelona mihitsy ny vokatra tahaka izao.
Talohan'ny 9.58 segondra izany. Talohan'ny nahatongavan'i Usain izany.
Hazakazaka 100m halaza indrindra eo amin'ny tantara ve? Mihitsy. Mpihazakazaka faingana indrindra hatramin'izay? Tsy azo iadian-kevitra izany.
Mbola mangovitry ny hagagana sy ny hafaliana hatrany i Girl With a Purpose, - nanampy i Stunner's Afflictions:
Once again the man dubbed the fastest man on earth has proven why he got that title and in fine style.
Mbola noporofoin'ity lehilahy heverina ho faingam-pihazakazaka eto an-tany ity indray hoe nahoana izy no nahazo ny amboara tamin'ny endrika meva.
Nanome lanja azy ity ihany koa ny mpamaham-bolongana avy any Trinidad and Tobago. Nolazain'i  Trinidad and Tobago News Blog ho “mahagaga” ity fandresena ity ary hoy ny ttgapers.com:
Usain Bolt proved again he races in a world all his own.
Noporofoin'i Usain Bolt indray fa mihazakazaka eto an-tany araka izay tratry ny heriny izy.
Ny hajia nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, “Puma press ad in honour of Usain Bolt's world records at Beijing”, dia avy amin'i teemus, arovana araka ny dinan'ny Creative Commons.  tsidiho teemus' flickr photostream.
Janine Mendes-Franco
Brezila: fahatsiarovana an'i Ayrton Senna, Tompondaka F1 tsy nety resy
“Ayrton Senna da Silva. Velona tsy mety resy, maty tsy misy mahasolo voasolo”, hoy ny iray amin'ireo vohikala maro mahatsiaro ilay intelo tompondaka erantany tamin'ny Formule 1, ary nanohina an'i Brezila sy izao tontolo izao ny fahafatesany tamin'ny voalohan'ny volana mey 1994. Nitari-dalana nandritra ny Grand Prix de San Marino 1994, tsy nahafehy ny fiara nentiny i Senna ka nampisosa azy teo amin'ny fiolahan'i Tamburello. Niteraka alahelo lehibe teo amin'ny mpankafy azy ny fahafatesany,raha vao 34 taona monja izy ka mbola isaonany hatrany 15 taona aty aoriana.
“Raha sanatria tratran'ny lozam-piarakodia mety hiantraika amin'ny aiko aho, iriko raha tonga dia maty aho. Tsy tiako ny hotarihina amin'ny seza misy kodiarana. Tsy tiako ny hijalijaly any amin'ny hopitaly amin'ny karazan-dratra na voina rehetra. Raha mbola miaina aho, dia aleoko miaina izany manontolo, feno sy mavitrika, satria olona mavitrika aho. Manimba ny fiainako raha miaina tapatapany aho.”
Ny anaran'i Ayrton Senna amin'izao fotoana izao no anisan'ny be mpametraka indrindra ao amin'ny Andavanandro breziliana ao amin'ny Twitter. @biellebrunner ohatra namoaka sary iray mampiseho ny famangiana nataony teo amin'ny tsangambato teo amin'ny toerana nahafatesan'i Senna, teo amin'ny fiolahan'i Tamburello. Vinicius Cordeiro [pt] tamin'ny fiandohan'ny herinandro no iray tamin'ny nahatsiaro ny fahafatesany voalohany tamn'ity taona ity. Hoy izy hoe:
Toda vez que 1º de maio se aproxima, meu coração fica apertado: mais um ano sem Ayrton Senna… Eu estava vendo aquela corrida. :'(
Feno ny foko isaky ny manatona ny voalohan'ny volana mey:  taona iray hafa tsy misy an'i Ayrton Senna indray… nanatrika ny hazakazaka aho tamin'iny fotoana iny. :'(
Tsy irery i Cordeiro mijery fahitalavitra indray alahady izay maizina indrindra teo amin'ny tantaran'i Brezila. Nahita ny fahafatesan'ilay Aotrishiana Roland Ratzenberger i Imola iray andro monja mialoha ny loza nahazo an'i Senna. Tsy misy very ao amin'ny fahatsiarovan'ny olona maro ny sary, ny fialan'aina, ny hirifiry niainana. Hoy i Guilherme Tsubota [pt] mahatsiahy ity andro mahory ity:
O dia da sua morte, infeliz coincidência também do aniversário da minha mãe, foi um dos piores que já vivi. Lembro da empolgação e da certeza que a partir daquele GP de Ímola o Ayrton ia virar o jogo sobre o “alemão”, e como sempre acordei cedo para ver a corrida.
Sentei no sofá e ali fiquei o resto do dia, acompanhando atônito a todas as notícias. Convidados do aniversário?!? Não vi ninguém entrar e sair, não lembro de ter falado com ninguém. Só lembro das imagens e notícias que a Rede Globo disponibilizava sobre o acidente do Senna.
Os dias seguintes viraram história, e qualquer pessoa daquela geração, principalmente os paulistantos, lembram-se de como a cidade parou para homenageá-lo. Impressionante, coisa nunca vista antes.
Andro ratsy indrindra tamin'ny fiainako ny fahafatesany, izay indrisy nifanandrify indrindra tamin'ny vaninandro ahatsiarovana ny nahaterahan'ny reniko. Tsaroako ny fahataitairana sy ny fitokisana fa amin'ity Loka lehiben'i Imola ity, dia hahasongona ilay “Rainiboto” i Ayrton, ary araka ny mahazatra dia nifoha maraina aho hijery ny fifaninanana. nipetraka teo amin'ny sezalava aho nandritra ny tontolo andro, nanaraka ny  sombim-baovao rehetra tamim-pahagagana. Aniveriseran'ny vahiny? Tsy nahare izay fahatongavana na fahalasanan'ny hafa aho, tsy tadidiko akory ho niresaka taman'olona aza aho. Ny hany tsaroako dia ny sary sy ny tantara navoakan'ny Globo TV broadcast momba ny loza nahazo an'i Senna.
Niditra ho tantara ny andro manaraka, ary nahatsiaro izay rehetra niaina tamin'iny fotoana iny, indrindra ny avy any São Paulo, hoe tahaka ny ahoana ny niatoan'ny tanàna ho fanajana azy. Tena nahavariana, zavatra tsy mbola hitako mihitsy nialoha io fotoana io.
“Any andro iray, mandritra ny toe-javatra iray, mieritreritra ianao fa manam-petra. Ary dia manatratra io fetra io ianao ka tratranao izany, dia hoy ianao, ‘Okay, hatreto ny fetra.' raha vao tratranao io fetra io, dia misy zava-mitranga ary dia mbola afa-mihoatra kely tampoka ianao. Miaraka amin'ny herintsainao, fikirizanao, herimponao sy ny traikefanao mazava loatra, dia afa-misidina avo ianao”
Nanararaotra nahatsiaro ny rainy izay fan(ina) an'i Senna sady misy fifanandrifian-javatra mahagaga mampanakaiky ny rainy amin'ny maherifony i Eduardo P.L [pt]. Ho an'ity mpamaham-bolongana ity dia kamban'alahelo no iainany:
Num sábado, há 15 nos atrás, eu estava num restaurante almoçando, quando fui avisado pelo telefone, que meu pai falecera! Fui para o apartamento dos meus pais, e com minha mãe e irmãos, uns poucos amigos e familiares enterramos o Dr. Santo. No domingo seguinte, portanto um dia depois, morre o Senna. Até aí só uma triste coincidência. Uma semana após chega o corpo ao Brasil, é velado e enterrado no mesmo cemitério, ao lado da tumba do meu pai. Onde estiverem, estão juntos como gostaria meu pai.
Indray Asabotsy, 15 taona lasa izay, teo ampisakafoanana tao amin'ny restaurant iray no naharay antso nilaza fa maty ny raiko! Nankany an-tokatranon'ny ray aman-dreniko aho, dia nandevina an'i dokotera Santo izaho sy ny reniko, ny mpiray tampo amiko, namana sy olompantatra vitsivitsy. Tonga ny alahady, izany hoe andro iray taty aoriana, maty i Senna.  Raha heverina, fifanandrifian-javatra mampalahelo. Herinandro taty aoriana dia tonga teto Brezila ny razana, ary taorian'ny fiandrasam-paty dia nalevina teo anilan'ny fasan-draiko izy, miray tokotanim-pasana ry zareo. Na aiza na aiza misy azy ireo, miara-dalana izy ireo tahaka izay notadiavin'ny raiko.
Ricardo Vieira [pt] no manazava ny tsy fahafaha-mionon'ny olona anarivoarivony teo ampahalasanan'i Senna:
A partir daquele fatídico domingo, Senna deixou milhões de órfãos, inclusive eu, de suas alegrias, de seu exemplo de vida, de sua determinação profissional e seu maior do moral: a humildade. (…)
Apesar da triste lembrança, apesar da saudade, temos muitos motivos para reverenciar a vida e a obra de Senna.
Namela olona an'arivoarivony, ary anisany aho,  ho kamboty ny fifaliany, ny ohatry ny fiainany, ny asany sy ny fahazotoany ary ny ngeza indrindra tamin'ny hatsarany dia ny fanetretenany i Senna tamin'ity alahady tsy azo nivalozana ity. (…)
Na dia eo aza ny fahatsiarovana mampalahelo, na eo aza ny embona, dia manana antony maro hanajana ny fiainana sy ny asan'i Senna isika.
15 taona no lasa, fa nasehon'ny Birao Breziliana misahana ny antotanisa sy ny fitsapana ny hevitry ny olona fa i Ayrton Senna hatrany no be mpankafy indrindra eny fa na dia ho an'ireo taranaka taty aoriana tsy nahalala azy fahavelony sy nanaraka ny asany aza: manakaiky ny 400 ny tanora anelanelan'ny 15 ka hatramin'ny 19 taona no saiky niteny avokoa fa i Senna no mpanao fanatanjahantena ankafiziny indrindra. Tahaka an'i Pele, dia  nanome faharisihana ny Breziliana hanana fanajana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Senna. Eo anatrehan'izany dia mino i  Alan Ferraz [pt] fa ny lova tsara indrindra napetrak'i Senna dia ny nahafahan'ny Breziliana mirehareha. Mihetsi-po izy eo am-pahatsiarovana azy:
Enquanto escrevia esse post não pude conter as lágrimas, mesmo após 15 anos. Acredito que isso se repita em todos os que amam a fórmula 1 e que foram apunhalados pelo destino com a partida de nosso eterno campeão.
Dia 1 de maio de 1994 estará para sempre na mente de todos que após esse dia não puderam mais ouvir o: Ayrton, Ayrton, AYRTON SENNA DO BRASIL.
Tsy tanako ny ranomasoko eto ampanoratana, na dia 15 taona aty aoriana aza. Mino aho fa ho tahaka izany avokoa ny fahatsapan'ireo tia Formula 1 sy ankona (toy ny voatsatok'antsy) tamin'ny fahalasanan'ilay tompondakanay mandrakizay. Ho fahatsiarovana mipetraka mandrakizay ao an-tsain'ny rehetra tsy nahenoana ny hira manakoako manao hoe: “Ayrton, Ayrton, AYRTON SENNA DO BRASIL” intsony ny ampitso ny voalohan'ny volana mey 1994.
“Ao anatin'ny rako ny mifaninana mihazakazaka (fiarakodia). Anisan'ny tenako, anisan'ny fiainako; io hatrany no ataoko mandritra ny fiainako. Ary io no voalohandaharana mialoha ny zavatra hafa rehetra”
Asehon'ny gazety ho miavonavona sy mpihatakataka, mirona kokoa ho amin'ny fandresena fa tsy amin'ny fiaraha-mientan'ny mpitia fanatanjahantena, nampiady hevitra ihany koa ity mpanamory ity teo anatrehan'ny mpijery. Nefa samy nahatsapa ny rehetra, ary tafiditra amin'izany ny tsy mpankasitraka azy loatra tahaka an'i Wilton Sturm [pt], fa tsy mbola nisy aloha ny tahaka an'i Senna:
Me orgulho de dizer que assisti todas as suas 41 vitórias.
Ficou a impressão de que quando finalmente estava relaxando um pouco, se dando o prazer de apreciar outras coisas que não os champanhes das vitórias, Ayrton Senna se foi.
Hoje, sinto e lamento sua falta. E me esforço para tentar não julgar suas atitudes e sim lembrar suas belas atuações. Nunca fui aquele super “Sennista”, mas costumo dizer que em pista, ou seja, disputando uma corrida de Fórmula 1, Ayrton Senna foi o melhor que eu vi!!! Pretendo um dia visitar seu jazigo e não sei qual será minha reação, mas provavelmente direi “obrigado” pelas grandes corridas, pelas grandes ultrapassagens, pelas grandes vitórias que ele me proporcionou assistir!
Afa-mirehareha aho raha milaza fa nanatrika ny fandresena rehetra nahatratra 41 nataony. Tahaka ny tsapa fa efa nanomboka nanala azy ihany izy, efa niditra tamin'ny fankafizana fahafinaretana ankoatra ny fanapoahana champagne aorian'ny fandresena, dia lasa i Ayrton Senna.
Ankehitriny, banga ny fisiany ary malahelo azy aho. Miezaka aho ny tsy hitsara ny nataony fa hahatsiaro kosa ny zavatra tsara tontosany. Tsy tena  “Sennist” loatra aho hatramin'izay saingy, tiako kosa ny milaza, fa mandritra ny fifaninanana Formula 1 iray, dia i Ayrton Senna no mahery indrindra tamin'izay hitako hatramin'izay! Te-hamangy ny fasany aho indray andro any fa tsy fantatro aloha izay fihetseham-poko, fa angamba aho hiteny hoe “misaotra” tamin'ireny fifaninanana goavana ireny, ny fandresena mahafinaritra nasehony ahy!
Namoaka andian-dahatsoratra manokana ho fahatsiarovana an'i Senna ao anatin'ity voatsonga ity i Ricardo César [pt]:
Primeiro de maio de 2009. São exatamente 15 anos de uma perda sentida até por quem não torcia por ele. Lembranças de quem como eu que acompanhei os 10 anos de sua carreira na F1. Imagens de batalhas e conquistas, de manhã de tarde ou de madrugada.
Lembrança de quem um dia deixou de existir como homem, para renascer como mito, talvez o maior ídolo já produzido por um país carente de heróis. Mais um da Silva como muitos brasileiros que nunca desistem. Aquele que será para sempre o nosso campeão.
Valeu, Ayrton Senna.
Voalohan'ny volana May 2009. 15 taona katroka izay ny fahatsapana fa nilaozana na dia ho an'ireo izay tsy niankim-po taminy aza. Misy ny fahatsiarovan'ny olona, tahaka ahy, izay nanaraka ny hazakazaka nataony hatramin'ny fahafolo taonako. Sarin'ny fifanandrinana sy fandresena, isa-maraina, isa-tolakandro na isan-kariva. Fahatsiarovana olona iray izay nitsahatra indray andro tamin'ny fisiana ho olombelona, fa teraka kosa ho  angano, angamba ny olomanga efa teraka sahady tao amin'ny firenena iray mitady olona mahery fo. Antsoin'ny hafa hoe  ‘da Silva' izay tsy kivy mihitsy, tahaka ny Breziliana maro. Ho tompondakanay izy mandrakizay.
Misaotra anao Ayrton Senna.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/L3vI2lXZxr4&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/L3vI2lXZxr4&hl=en&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Namoaka lahatsarin'ny fotoana tsara indrindra tamin'ny nataon'i Ayrton Senna ny mpampiasa YouTube DONIARIANO, ary nampiarahany tamin'ny hira izay nanakoako isaky ny alahady maraina tany Brezila. Mpampiasa hafa koa i 1958misterLotus1994 namoaka ny lahatsarin'ny Loka Lehibe Belza  1985 izay no tantarain'i  Senna tenany tamin'ny teny anglisy. ny tenin'i Ayrton Senna di notsongaina tao amin'ny Wikiquotes. Ny sary kosa dia nalaina tao amin'ny vohikala AytonSenna.net sady efa azon'ny rehetra  isintonana atontankevitra.
Paula Góes
Pakistana: Nanjakan'ny tahotra ny lalao Cricket!
Andian-jiolahy roambin’ny folo no nanafika ireo ekipa mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amina hazo) androany maraina mialoha ny lalao niaraka tamin’ny ekipa Pakistana tao Lahore. Nahafaty olona fito ireto tsy mataho-tody lian-drà, anisan’izany ireo polisy 5 maty voatifitra ary teo koa ireo mpilalao Sri Lankey 6 naratra. Mitana fitaovam-piadiana hari-fomba ireto mpampihorohoro, anatin’izany ny grenady, ny roketa, ny basy marovava, sns. Tsara vintana fa tsy niharam-boina ireto mpilalao Sri Lankey ary efa eny an-dalana mody any amin’ny taniny izy ireo.
Tao an-tsekoly aho no naheno ny firefodrefotry ny tifitifitra. Liana te ahafantatra izahay ary nanomboka nananao fanadiahadiana hoe inona marina moa no tena nitranga, ny iray tamin’ny namakao aza moa dia nanao vazivazy madinika mikasika izany teny am-pandehanana. Kanefa tsapako fa zavatra hafahafa sady mahatsiraviana no azo antoka fa nitranga. Dimy minitra avy teo dia nahazo hafatra SMS avy tamin’ny namako aho ary azoko tamin’izany ny vaovao momba ilay fanafihana.
Natahotra avoko ny tsirairay niaraka tamin’ny mpampiantray ary hita fa tsara fanahy tokoa izy nanaiky anay hivoaka. Eo akaikin’ny toerana nisy ny fanafihana no misy ny anjerimanontolo ianarako, antsoina hoe Liberty Chowk. Hita fa mitohana ny fifamohivohizana ary hita ihany koa fa mihotakotaka ny eny amin’ny arabe ivelan’ny anjerimanontolo. Misiosio ny tsaho eny rehetra eny fa hoe mahatsiravina be hono ny fanafihana, vitsy no miteny fa anisan’izany ireo olona Sri Lankey.
Nandeha niazakazaka haingana teny amin’ny trano fijerena aterineto aho ka antenaina fa ahita mivantana ny zavatra tena nitranga marina. Tohina tanteraka ny tenako nahita ny fifampitifirana mahatsiravina nisy teo amin’ny mpampihorohoro sy ny polisy tao anatin’ny sary tapatapany omen’ny televiziona SAMAA. Nitony ny saiko rehefa nahafantatra fa tsy nisy naninona ny Sri Lankey, kanefa etsy andaniny, malahelo ihany ny tenako naheno ny nanjo ireo polisy tao an-toerana.
Raha te hijery ny antsipirihiny ny tantatra entiko, dia asaina ianao hiditra ao amin’ny blaogiko.
Nampiditra anterineto ny horonantsary manaraka tao anatin’ny YouTube miaraka amin’ny ampahan-tsarin’ny fanafihana I AljazeeraEnglish:<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/Y5Q0eleGnVY&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/Y5Q0eleGnVY&hl=en&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
miaraka amin’ity teny manaraka ity no namborahan’I Naeem Sidhu ny vaovao:
Ny Talata maraina, nisy nanafika tao Lahore ny mpilalao Criket, namana ankafihizinay, avy any Sri Lanka, izany dia nametraka ny firenena iray manontolo tao anatin’ny henatra, dona ary miaraka amin’ny eritreritra voakorontan’ny tsy finoana. Miaraka amin’ny fanomezan-dalana avy amin’ny Governemanta Colombo, dia nanapa-kevitra ny hitety an’I Pakistan any ekipa SL na dia eo aza ny tahotra mahakasika ny fandriampahalemana ary toherin’izy ireo ny toro-hevitra avy amin’ny firenena mpilalao Cricket. Mimisy ihany vava ataon’I india izay manohitra ny fitetezam-paritra ataon’ny ekipa SL. Noho ny fahadisoantsika teo amin’ny filaminana, ny fitifirana tamin’ny Talala dia nanampy ny fanamarinana ny fijorona ananan’izy ireo ary nahatonga ny fikatonan’ny varavarana eo amin’ny lalao iraisam-pirenena Criket ao Pakistana mandritra ny taona maro ho avy – Ny fihemorana ratsy indrindra ho an’ny lalao teo amin’ny tantara.
Niezaka ny ampifoha ny governemanta mitondra amin'izao fotoana izao i Yasir Imran amin'ny teny hoe:
“toe-javatra mampalahelo izy ity, izay azo amarinina fa ratsy ho an’ny mpilalao Cricket Pakistaney. Fa ny fihetsiky ny governemanta ankehitriny dia mety hanamaivana ny loza. Tokony miheritreritra ny tombotsoan’ny tenany ny vahoaka Pakistaney, mba hanokana fotoana ho an’ny firenena satria tao aorian’ny fanjakan’ny lalanan’i Bhutto, dia tsisy tamin’ny olona ao amin’ny antokon’ny governemanta no nanaporofo fa mendrika ny firenena. Tao anatin’izay governemanta rehetra nentin’izy ireo izay, dia nitombo hatrany ny fiakaran’ny vidin’entana sy ny tsolotra.”
Mizara ny fahasorenany I Pakistani Housewife blog:
Inona no nitranga teto amin’izao tontolo izao iainantsika? Mety misy farany ve ny hatezerana? Ny toe-javatra miseho eto amin’izao tontolo izao sy ao I Pakistana manokana no miharatsy andro aman’alina. Ireo no lalana diavintsika, ireo no arabe ivezivezen’ny fiarantsika miaraka amin’ny zanantsika kanefa tsy ohatry ny taloha intsony ny zava-drehetra. Mihevitra aho fa nahafaty olona vitsivitsy ihany ity asa fampihorohoroana ity kanefa kosa nampisavorovoro ny sain’ny olona an-jatony sy anarivony amintsika izany. Mahadonto anay, manala ny fanirinay hiaina sy hanana fanantenana satria ao anatin’ity  fotoana mahatsiravina ity dia efa tsy eto aminay intsony ny fahasambarana ho amin’ny andro ho avy.
Miteny I Teeth Maestro:
Azo antoka ankehitriny fa ity fotoana mampalahelo ity no manamarika ny faran’ny lalao Cricket ao Pakistana mandritra fotona maromaro, efa manakaiky ny sehatra korontana ilay lalao niarahana tamin’I India, tondroin’ny mpandinika toy  I Kamran Khan ao amin’ny Geo sy Hamid Gul sahady I India. Tokony ho voamarika tsara aloha fa mitovitovy tamin’ny fanafihana an’I  Mumbai ity asan-jiolahy ity kanefa araka ny tokony ho izy dia tokony ho fantatry ny olona iray fa mety ho mifono fiforonan’ny ady hevitra  eo amin’ny India sy Pakistana izany. Efa nangetaheta mafy mitady fialan-tsiny hamaliana an’I India mahakasika ny fanaratsiana an’I Mumbai ny mpanao politikantsika, ny biraom-pitsikilovana ambony sy ny gazety, ary mety hanome azy ireo fahafahana manatanteraka izany sahady ny toe-javatra niseho androany tao Lahore.
Mamintina I Kamran Abbasi ao cricinfo:
Ny voka-dratsy  faran’ny kely indrindra tao anatin’ity fahavoazana ity dia ny hoe voamarina fa tsy nekena ny hevitr’ireo mpisolovava – tao anatin’izany ny tenako  -  manohana ny fitohizan’ny lalao iraisam-pirenena Cricket ao Pakistana. Tsy hisy intsony izany ny ekipa iraisam-pirenena hamangy an’I Pakistana, ary ny fiadidian’ny lalao Cricket ao Pakistana dia tokony  efa manomboka ny fanoloran-tena  mikarakara  amin’ny endrika tsotra ny fitetezam-paritra ho amin’ny taona ho avy, na mihoatra izany. Ity no andro maizina indrindra ho an’ny tantaran’ny lalao Cricket Pakistaney ary nitranga izany tao anatin’ilay tanana mahate-ho-tia Lahore, renivohitra lehiben’ny zaridaina sy ny fandrihampahalemana izy tamin’izay andro izay,
Kyrgystan: Tambatsary tsy misy hevitra politika
Tapitra ny vanim-potoanan’ny ririnina, ary miandry ny lohataona mafana I Kyrgyzstan: ny fivorivoriana, ny hetsika fitakiana sy ny sisa. Kanefa aleho kosa mba hiresaka ny hatsarana isika e, fa tsy hoe ny politika tsisy farany io foana. Mba nanao ahoana izay ny sarin-drininina tao Kyrgyzstana?
Nendefa am-bolongana ny sary tokan’ilay olo-malaza mpilalao sarimihetsika Kyrgyz antsoina hoe Suymenkul Chokmorov ny  mpikirakiran’ny Livejournal doctormoro. Tsy manam-paharoa ny tantaran’ity sary ity. Misy mpakafy ny fakantsary fahagola iray tao amin’ny fifaneraseram-pifandraisana anterineto Diesel (Diesel Internet forum). Indray mandeha no nisy  vehivavy vitsivitsy nanome azy horonantsary maro. Notarafiny izy ireo ary hitany tao ny sary noraisina avy tamin’ny vata fanandramana ilay horonantsary antsoina hoe “The Scarlett Poppies of the issyk-Kul” (ilay voninkazo menan’I Issyk-Kul) sy ireo sary notifirina nandritra ny fangoronana io horonantsary io ihany. Nomen’ity lehilahy  ho an’I Doctormoro ireo sary voatifitra ary naheliny tao anatin’ny blaoginy izy ireo.
See
Sary tsy manampaha-roa misimisy kokoa no hita ao anatin’ny bolongany [ru]. Soratan’ny mpikirakiran’ny Livejournal antsoina hoe Azamat Imanaliev aka azzzik ny andalana hafa mikasika ny zavatra tena mahavariana mahakasika ny diany nankany Etazonia ny taona 2007 miaraka ireo kararazan-tsary mahafinaritra. Mba vakio anie ny tantaran’ny dia nataon'i azzzik e, ary mba jereo hoe ahoana ny fomba fijerin’ny olona Kyrygzstany an’I Etazonia!
Vakio ary Jereo ireo sary ao anatin’n blaogin’ny Azzzik  [ru]. Mba fantatrao ve hoe maro ireo olona Kyrgyzstanis no tia milalao hockey? Fantatrao ve fa nisy amboaran’ny lalao hockey tao Kyrgyzstan vao tsy ela akory izay? Tsia? Koa raha izany dia mba jereo ary ity, amarino tsara ary ankafihizo! Isaorana i azzzik tamin’ny fandehanana nijery ity amboara ary naka sary marobe.
Hitanao eto misimisy kokoa ny sarina lalao hockey  [ru]. Nandeha nijery fifaninanana  korisan-kapila an-dranomandry (snowboard) tao kazakhstana ny mpikirakira LiveJournal _jpeg. Diso fanantenana izy tamin’ny vokatra azon’ny mpilalao korisan-kapila an-dranomandry Kyrgyz, fa sary mahafinaritra aok’izany  kosa anefa no nentiny na dia teo aza ny hatevin’ny zavona.
Ankafihizo ny sarin’ny ranomandry ao amin’ny Flickr! hoy ny mpikirakira liveJounal nuraika [ru]:
Nanome antsika tsio-drivotra mahafinaritra ny volana Febroary ary omeny ny horoka avy tamin’ny ranomandry farany. Mamampalahelo kely fotsiny fa tsy hahita ranomandry intsony ato ho ato….
Veloma ry mpamaham-bolonganan’ny ririnina! Ho avy eny amin’ny Kyrgyzstan tsy mety reraka ny loko sy ny hetsiky ny mpamaham-bolongan’ny lohataona!
Afganistana : Fonja, Fahantrana ary Pôlitika
Raha nanambara ny mpitantana miaraka amin'i Obama fa hanampy miaramila 17 000 any Afganostana hanampy ireo efa any an-toerana dia miresaka mikasika ny fanamby miandry an'i Afganistana tahaka ny hoe fanagadrana vehivavy, ny fahantrana sy ny pôlitika ny mpitoraka bilaogy.
Baktash Siawash, mpanao gazety ao amin'ny toby ao Kabul sady mpitoraka bilaogy no nanoratra mikasika ny zava-tsarotra iainan'ireo vehivavy voafonja :
Ny fonjan'ny vehivavy: vao haingana tany avaratry ny faritanin'i Kunduz no nisy vehivavy folo migadra miaraka amin'ny ankizy 6 hatramin'ny 10 taona miaraka aminy ao. Efitrano kely 2 misy trano fivoahana no misy azy ireo. Ny fonjan'ny Pul-e-Charkhi any Kabul renivohitra no fonja malaza indrindra : ratsy koa ny fitondrana ny vehivavy ao amin'io fonja io. Tsy nahazo nitsidika ny fonja natokana ho an'ny vehivavy moa ny mpanao gazety.
Mpitoraka bilaogy iray monina any Etazonia no nanoratra ao amin'ny Afghancorner fa tsy milamina ny any Afganistana ary mihenjana ny tady aminy sy Etazonia. Mbola nampiany hoe :
Nilaza zavatra maro mikasika an'i Afganistana ny filoha Hamid Karzai (Talibana, Pakistana, ny fifidianana filoham-pirenena vonjy maika sy ny fifandraisan'ny governemantany amin'ny filoha vaovaon'i Etazonia) niaraka tamin'i Al Jareeza's David Frost. Voamarika fa naneho ny heviny ny firaisam-ben'ny firenena eran-tany indrindra ny kolikoly any Afganistana, ary nanakiana ny governemanta i Obama noho ny tsy fahampian'ny fandrindrana sy ny fitantanana. Tamin'ny fandraisam-peo farany natao an'i Karzai no nilazany fa matroka ny fifandraisana amin'i Obama.
I Christian Bleuer, mpianatra PhD avy any Aostralia no nanoratra ao amin'ny in Ghosts of Alexander fa i Jennifer McCarthy, mpianatra mpikaroka  PhD no nanapak-kevitra fa hiaina ny toe-bolan'i Afganistana ankehitriny mba hampitomboana ny fanentanana sy ny fanampiana ara-bola hafa. Izy ihany koa no hanome ny fizotr'izany zavatra rehetra teneniny amin'ny bilaogy izany.
Tsy ny zavatra rehetra anefa no ratsy sy matroka any an-toerana araka ny nosoratana ao amin'ny bilaogy fa voalaza ao koa i  Mirwais Mohsen, Afganistana voalohany amin'ny mpiangaly patinage artistique izay sampana vaovao ara-panatanjahan-tena nosokafana any Kabul.
Hamid Therani
Hamid Tehrani
Tonga any Jordana ilay mpihazakazaka hitety an'izao tontolo izao
Mihazakazaka mamakivaky ny kaontinanta efatra hampiroborobo ny zavatra iraisan'ny kolontsaina rehetra  ilay Danoà Jesper Olsen. Manoratra momba izany indrindra ny Ambasadaoro Danoà any Jordana HE.Thomas Lund-Sørensen :
As I am writing these lines the Ultra Runner Jesper Olsen from World Run II is crossing the Ramtha border control (hopefully without too much hassle) and entering Jordan. Jesper will be running through Jordan from today and is planning to exit to Egypt on the day before Christmas the 24th of December.
Ao amin'ny toby fanarahamaso ny sisitany (antenaina mba tsy hahazo fahasahiranana loatra izy) ao  Ramtha amin'izao fotoana anoratana izao ilay mpihazakazaka Jesper Olsen avy amin'ny World Run II (hazakazaka mitety an'izao tontolo izao faharoa). Hihazakazaka hamakivaky an'i Jordana i Jesper manomboka androany ary efa nametraka fa hivoaka any Ejipta ny andro mialoha ny noely, 24 desambra.
From December 18th to 24th, 2008, the Danish ultra runner Mr. Jesper Olsen will run through Jordan. He is completing the World Run II Project: The North - South Run, which is the world’s longest non-stop run, aiming at completing a distance of 40.000 km passing through four continents in three years. The run began in Nordkapp, Norway, July 1st 2008 and the finish point in New Foundland, Canada, is expected to be reached by the end of 2010. When arriving in Jordan Jesper Olsen will already have completed more than 8000 km of running.
Ny 18 - 24 desambra 2008 no hamakivakian'Atoa Jesper Olsen an'i Jordana. Eo ampanantanterahana ny World Run II izy: Hazakazaka avaratra-atsimo, izay hazakazaka lava indrindra tsy ankijanona, kendrena hahavitana halaviran-dalana 40 000 km mitety kaontinanta efatra ao anatin'ny telo taona. Niainga tany  Nordkapp, Nôrvezy tamin'ny 1 jolay ny hazakazaka ary hifarana any New Foundland, Canada, izay antenaina ho tratra mialoha ny fiafaran'ny taona 2010. Efa nahavita hazakazaka 8 000km i Jesper Olsen amin'izao fidirany eto Jordana eto izao.
Having met Jesper tonight I can say he feels fit and very welcome in Jordan. Passing the Ramtha border was a piece of cake - he was officially saluted “Ahlan wa Sahlan” by a small detachment in uniform and received various maps.
Raha nihaona tamin'i Jesper aho halina di hitako salama tsara ny lehilahy ary tonga soa eto Jordana tokoa. Nahafinaritra (toy ny mofomamy) ny niampitana sisintany tany Ramtha - ary noraisin'ny vondrona manao fanamiana tamin'ny fomba ofisialy hoe “Ahlan wa Sahlan” ary nahazo sarintany maromaro.
Today Jesper ended up just outside Amman on Jordan Street. Tomorrow he and Ammar Sabbah together with other Amman Road Runners will run to JRTV for a live interview on Ammar’s show “Beiti” on Jordan television and then continue towards the south. Other runners should feel free to join. Both Jordan Times and Jad’s blog wrote about the World Run Project. It is a truly unique and enormous project and for once something that is far away from politics.
Vao avy namakivaky ny araben'i Jordan ivelan'i Amman indrindra i Jesper. Rahampitso izy sy Ammar Sabbah miraka amin'ireo mpihazakazaka an-dalan'i Amman dia hihazakazaka hizotra ho any amin'ny JRTV (jordan radio television?) hiresadresaka mivantana ao amin'ny fandaharana  “Beiti” ary dia hanohy ny dia mianatsimo. Afaka mandray anjara malalaka avokoa ny mpihazakazaka hafa. Samy niresaka momba ny World Run Project avokoa na ny Jordan Times na ny bolongan'i Jad. tetikasa tokana sy goavana tokoa izy ity satria sambany izy ity no lavitry ny resaka politika.
Mohammad Azraq
Cote d'Ivoire : Namoaka ôtôbiografia i Didier Drogba
Théophile Kouamouo mpanao gazety mitatitra hoan'ny gazety Frantsay “Le Monde” avy any Abidjan no mizara izay fiheviny ilay boky “C'était pas gagné” [Tsy fandresena mora azo], ôtôbiografiana kalaza mpilalao baolina kitra Ivoariana, i Didier Drogba :
C'était pas gagné m'est apparu comme un livre passionnant, qui permet de mieux cerner la personnalité de Didier Drogba. Un émotif, qui carbure aux grands sentiments, qui considère la fidélité comme une valeur - ce qui peut le faire souffrir dans un milieu du foot où l'argent est roi et la mobilité souvent traumatisante.
Didier Drogba s'exprime aussi dans son livre sur la crise politique qui a déchiré la Côte d'Ivoire. Il livre sa part de vérité, sans prétention - mais l'on sent bien que sa double appartenance française et ivoirienne a souvent été difficile à gérer, notamment en novembre 2004. Comme beaucoup d'entre nous, en tout cas, il considère que la politique ivoirienne de Jacques Chirac a été, pour utiliser une litote, problématique, et il le dit
“Boky mahaliana no fahitako ny “C'était pas gagné”, nahafahana nahalala bebe kokoa izay maha- Didier Drogba an'i Didier drogba. Olon'ny fo, izay mora resy lahatry ny onjan'ny fo, izay mihevitra ny tsy fivadihana [fidelité] ho toy ny toetra sarobidy - izany dia mitarika fanaintainana ho azy indraindray anivon'ny tontolon'ny kitra izay anjakan'ny vola sady nohon'ny fifindra-monina izay manahirana matetika.
Aborak'i Didier Drogba ao anatin'ny bokiny koa izay niainany nandritra ny krizy ara-pôlitika izay nosedrain'ny Côte d'Ivoire. Am-panetre-tena no anambarany izay mba ampahany fantany, - anefa dia tsapa tsara ny fahasarotana izay nosedrainy amin'ny maha-sady Frantsay azy no Ivoriana, indrindra tamin'ny volana Novambra 2004 [ndlr. notafihin'ny fiaramanidina Ivoriana ireo miaramila mpampandri-tany Frantsay ary dia nopotehin'ny Frantsay ireo fiaramanidina roa]. Mitovy hevitra amin'ny ankamaroantsika aloha izy ka mihevitra fa ny pôlitika nampiharinny filoha Frantsay Jacques Chirac tany Côtes d'Ivoire, dia nitarika olana, ary dia hantritranteriny izany”
Kolombia: Mpilalao golf lasa reharehan'ankizy
Ao amin'ny Good Times in Medellin (fotoana mahafinaritra ao Medellin), no anoratan'i Medellin Travel fa manana olona vaovao azo atao fitaratra ny ankizy Kolombiana: 26 taona ilay mpilalao star Camilo Villegas, izay nahazo ny matoam-baovaon'ny haino aman-jery raha nandrombaka ny BMW Championship PGA Golf Tour tamin'ny volana lasa, izay vao sambany ho an'ny Kolombiana.
Jamaïka, Guyana : Makotroka ny fodian'i Bolt any an-tanindrazana
The rain didn't stop Usain Bolt's return ‘back a yawd'. People lined the road from Norman Manley Airport all the way to the Jamaica Pegasus Hotel in New Kingston
“Tsy nahasakana ny fodian'i Bolt aty amin'ny tanàna ny filatsahan'ny orana. Vory lanona ny olona eran'ireo arabe izay manasaraka ny seranam-piaramanidina Norman Manley sy ny Hôtely Jamaica Pegasus any New Kingston”
: samy mitatitra ny figadonan'i Bolt [ilay nandrombaka ny medaly Olaimpika volamena amin'ny hazakazaka 100m tany Beijing farany teo] amim-piezinezenana any Jamaïka avokoa ry A Fe Me Page Dis Iyah sy YardFlex.com ary Guyana 360.