· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Desambra, 2012

Nanohina An'i Meksika ny Fahafatesan’ilay Kolombiana Mpilalao Baolina Kitra Miguel Calero

  29 Desambra 2012

Fanavaozam-baovao (4 Desambra 2012): Tamin'ny alalan'ny fanambarana an-gazety navoaka Facebook [es] no nilazan'ny Pachuca Football Club (Meksika) fa maty tamin'ny talata 4 desambra i Miguel Calero.  Nandalo fotoan-tsarotra ilay mpialalao baolina kitra Kolombiana taloha Miguel Ángel Calero sy ny fianakaviany. Nanaraka fitsaboana manokana avy amin'ny dokotera spesialista i Calero hatramin'ny 25 Novambra,2012 taorian’ny fahatapahan'ny lalan-drà...

Football: Iza no Mitàna Ny Zava-Bita Tsara indrindra, Messi avy any Argentina sa Chitalu avy any Zambia ?

  18 Desambra 2012

Saiky montsan'ilay mpilalao baolina fandaka Argentiniana Lionel Messi avokoa ny zava-bita tsara indrindra amin'ny baolina voarakitra ka anisan'izany ihany koa ny baolina tafiditra tanatin'ny taom-pilalaovana iray, sa tsy izay moa? Nisy azo nampifaninanina tamin'i Messi, izay mahavalalanina jerena rehefa milalao miaraka amin'ny ekipany ao amin'ny la Liga izay tsy iza fa ny FC...

Mipetraka Ho Tantaran'ny Football Boliviana Ilay ‘Dakan'ny Maingoka’ Nataon'ilay Lohalaharana

  08 Desambra 2012

Nahavita 'dakan'ny Maingoka' hatreny ivelan'ny faritra tsy azo ivalozana i Gastón Mealla, lohalaharan'ny Nacional Potosí 24 taona, ka tafiditra ny baolina. Na dia tsy tafiditra tao anatin'ny baolina tafiditra 3 tsara indrindran'ny taona aza ny baolina mahatalanjona tafiditr'i Gastón Mealla dia hitoetra ho iray amin'ny baolina tsara sy mampitolagaga eo amin'ny tantaran'ny football Boliviana ilay dakan'ny maingoka.

Fuleco, Biby Famantarana Fifaninanan-Dalao Mampisara-tSaina an'i Brezila

  03 Desambra 2012

Hantsoina hoe Fuleco ilay biby famantarana ny fiadiana ho tompon-daka manerantany hatao any Brezila. Safidy nampalahelo satria amin'ny tenin-jatovo breziliana dia mety hidika hoe "lava-pitombenana" io na hoe olona kamo na mpandainga. Nilaza ny tsy fahafaliany manerana ny tambajotra sosialy ny mpiserasera breziliana. Efa nisy ny fanangonan-tsonia nahavoriana sonia mihoatra ny 39 000.

Lalao Virtoaly Nahazoany Asa Tena Izy, Lasa Mpitantana Baolina Kitra Ao Azerbaijan Izy

  03 Desambra 2012

Tamin'ny 21 Novambra 2012, namafisina fa i Vugar Huseynzade no mpitantana vaovao ny ekipan'ny FC Baku, Azerbaijan, 21 taona izy ary nahavita fianarana ambony teny amin'ny oniversite, ny filalaovana lalao Football Manager (Mpitantana  Baolina fandaka) amin'ny aterineto na ny lalao video no tena fialam-boliny. Tsy mbola nisy tahaka izany fa voasongony ireo mpilalao...