· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Novambra, 2012

Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena

  27 Novambra 2012

Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.

Niafara Tamin'ny Gidragidra Ny Lalao Baolina Kitra Tao Tajikistan

  23 Novambra 2012

Voatery nofaranana ny lalao baolina kitra tao avaratr'i Tajik, tanànan'i Istaravshan, taorian'ny gidragidra niseho tao amin'ny kianja filalaovana. Tonga tao an-tanàna avaratra ny ekipa Energetic avy ao Dushanbe tamin'ny 8 Novambra mba hanatrika ny lalao nasionaly hifaninanana amin'ny ekipa ao an-toerana, Istaravshan. Ireo vahiny no nahatafiditra baolina voalohany, kanefa nihetsika mafy...

Miady Amin'ny Herisetra Amin'ny Fanatanjahantena i Ekoatera

  10 Novambra 2012

‘Fanatanjahantena Tsy misy Herisetra ao Guayaquil’ no anaran'ilay fanentanana vaovao izay antenaina fa hanafoana ny herisetra amin'ny lalao baolina kitra sy eny an-kianja, taorian'ny fifandonana tamin'ny 4 Novambra teo amin'ny mpanohana an'i Barcelona sy Emelec (ekipa roa matihaninana amin'ny lalao baolina kitra sy mpandray anjara tamin'ny “Shipyard Derby“), namoy ny ainy i George...

Kolombiana ‘Tiger’ Radamel Falcao, Voatendry Anisan'ny Ballon d'Or FIFA

  05 Novambra 2012

Namoaka fanentanana fampahafantarana ilay mpanafika Kolombiana Radamel Falcao mifaninana ho lasa  Ballon d'Or FIFA 2012 ny klioba baolina kitra Espaniola Atlético de Madrid Mitondra ny lohateny hoe “Falcao: Liona Volamena” ny ao amin'ny fanentanana, izay ahitana sary manodidina ny Kianja Vicente Calderón, ary nosoloina sarinà lohanà liona ireo takelaby (panneau de signalization) tamin’izany.. Ahitana mozika misy...

Etazonia: Miomana Hiala NBA Amin'ny taona 2014 Ny Kaomisera David Stern

  05 Novambra 2012

David Stern, iray tamin'ireo mpitantan-draharaha ela niasana indrindra teo amin'ny sehatry ny fanatanjahatena no nanambara fa hiala amin'ny filohan'ny ligin'ny tontolon'ny basikety malaza indrindra manerantany, dia ny NBA (National Basketball Association). Andro vitsivitsy monja mialoha ny taom-pilalaovana 2012-13, ny 31 Oktobra 2012, no nanaovana ity filazana ity. Indro misy horonantsary ny filazana fisotron-dronono eto amin'ny...

Nijanona Tsy Nilalao Ady Totohondry Ilay Tajikistana ‘Million Dollar Baby’

  02 Novambra 2012

Nijanona tsy nilalao aditotohondry mandritra ny herintaona farafahakeliny i Mavzuna Chorieva, “Million Dollar Baby” ao Tajikistan izay nampahazo medaily alimo ho an'ny fireneny tamin'ny Lalao Olaimpika 2012 tao London, taranja totohondry ho an'ny vehivavy, sokajin-danja maivana. Tamin'ny 27 Oktobra, nanambady ity mpilalao aditotohondry 19 taona ity ary nanambara [ru] fa tsy hiverina hilalao aditotohondry raha...