· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Septambra, 2012

Bolivia: Tsy Laharam-pahamehan’ Ireo Atleta Amin'ny Lalao Olaimpika Tao Londona

  06 Septambra 2012

Atleta 5 monja no nentin'i Bolivia niatrika ny Lalao Olaimpika faha- XXX atany Londona. Nisy tantara ratsy mifandray amin'ny fandaniana ataon'ireo mpitarika Olaimpika nipoaka teny anaty tambajotra sosialy ary tonga hatrany amin'ireo mpampahalala vaovao. Miompana amin'ny toerana ambany dia ambany misy ny fanatanjahantena ao amin'ny firenena ihany koa ny fifanakalozan-dresaka, izay tsy mbola nahazo medaly Olaimpika mihitsy hatrizay.

Lalao ‘Paralympiques’ : Lasa izao !

  03 Septambra 2012

Hatramin'ny 29 Aogositra ary hatramin'ny 12 Septambra, atleta 4.200 avy aminà firenena 166 no mandray anjara amin'ny andiany faha-14 amin'ny lalao 'paralympiques' ao Londona ary hifanandrina anaty taranja roapolo. Tantara miavaka amin'ny mahazatra no zarain'i Anna Guèye.