· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Jolay, 2012

Kenya: Fampianarana Taranja “Toraka Lefona” Amin'ny YouTube

  31 Jolay 2012

 Julius Yego, Afrikanina Kenyana tompondaka nasionaly teo amin’ny taranja “javelot na toraka lefona”, no nandresy nandritra ny fifaninanana atletisma tao Finlady tamin’ity herinandro ity. Taorian'ny fampiasany YouTube mba hanatsarany ny fahaiza-manaony sy ny teknika, niakatra  81.12 metatra ny halavirana vitan’i Yego.   Bilaogin’ny SportsKenya (Fanatanjahatena Kenya) nandrakitra ny zava-bitan’i Yego: mampandeha irery...

Bahrain: Tsy Mandray Anjara Amin'ny Lalao Olaimpika

Ny zanaka lahin'i Mpanjaka ao Barhain, ny Printsy Nasser Bin Hamad Al Khalifa no mpitarika voalohany momba ny fanatanjahatena ao Bahrain; tsy nofidiana ara-demokratika fa notendrena tahaka ireo fianakaviany, izay eo amin'ny fahefana. Nahazo laza ity tovolahy ity taorian'ny fikomiana tamin'ny 14 Febroary tamin'ny taon-dasa, raha nampijaly mafy ireo mpanao...

Manantena Ny Fandresen'ireo Atleta Valo Solontenany i Panama

  29 Jolay 2012

 Efa vonona i Panama handray anjara amin'ny lalao Olaimpika ao Londres miaraka amin'ireo atleta fito hifaninana amin'ny taranja atletisma, ady totohondry, judo, lomano ary taekwondo. Vitsivitsy ihany ny solontena saingy na dia izany aza, manana fanantenana ny Panamaniana izay mametra ny fahatokisany amin'i Irving Saladino, tompon-daka tamin'ny vikin-davitra (saut en longueur) nandritra...

Meksika: Fihanihana Tendrombohitra Hiadiana Amin'ny Olan'ny Rano

  24 Jolay 2012

Ny Fanamby "Challenge "dia ny hanairana ny saina mikasika ny olan'ny rano sy ny olan'ny fanajariana manerana izao tontolo izao ary hanangonana vola mba hiantohana rano fisotro ho an'ny olona rehetra. Ilay mpamorona ny Fanamby 21, Jake Norton, dia mihevitra ny hanatanteraka azy ity amin'ny fihanihana ireo tendro telo avo indrindra isaky ny kaontinanta tsirairay. Lahatsary roa manaraka no ahafahantsika mahita ny fomba anaovany izany, anisan'izany ny fihanihana ny Pico de Orizaba ao Meksika.