· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Aogositra, 2011

Peroa : Baolina kitra, Dokambarotra Amin'ny Fahitalavitra , Fitrandrahana Harena An-kibon'ny Tany ary Tambanjotra Sosialy

  03 Aogositra 2011

Ny Talata, 19 Jolay [es], raha mbola nijalytamin'ilay lalao manasa-dalana teo amin'ny Peroa-Orogoay tamin'ilay Amboaran'i Amerika ry zareo Peroviana, nanana n y antony nandefasana bitsika tamin-katezerana ireo mponin'ny aterineto nijery ilay lalao baolina : Dokambarotra nataon'ny Sociedad Nacional de Mineria, Petróleo and Energia [es] (National Institute of Mining, Oil and Energy) na ny (Foibem-pirenena misahana ny harena an-kibon'ny tany, Solika ary ny Angovo) niaraka tamin'ilay mpilalao baolina taloha Juan Carlos Obitas eo amin'ny toeran'ny mpilalao fototra, nalefa nandritra ny fialan-tsasatra, izay nampiasa ny fifandrafiana nisy taloha teo amin'ny Peroa sy ny "Chile" mba hitadiavana ny olona mitsipaka ny fisondrotan'ny haba amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany.