The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Fanatanjahantena Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Fanatanjahantena

2009-08-18

Karaiba: Vitan'i Bolt indray letia a!

Medaily volamena Olaimpika sy fitazonana ny zava-bita vaovao manerantany eo amin'ny hazakazaka 100 metatra sy 200 metatra no vitan'ilay Jamaikana Usain Bolt, ary tao anatin'ny fandresena nahoraka sy nahavalalanina no nahavitany izany tamin'ny faran'ny herinandro nandritra ny fiadiana tompondaka manerantany IAAF notontosaina tany Berlin, tafiditra 9.58 ...

2009-05-04

Brezila: fahatsiarovana an'i Ayrton Senna, Tompondaka F1 tsy nety resy

“Ayrton Senna da Silva. Velona tsy mety resy, maty tsy misy mahasolo voasolo”, hoy ny iray amin'ireo vohikala maro mahatsiaro ilay intelo tompondaka erantany tamin'ny Formule 1, ary nanohina an'i Brezila sy izao tontolo izao ny fahafatesany tamin'ny voalohan'ny volana mey 1994. Nitari-dalana nandritra ny Grand Prix de San Marino ...

2009-03-12

Pakistana: Nanjakan'ny tahotra ny lalao Cricket!

Andian-jiolahy roambin’ny folo no nanafika ireo ekipa mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amina hazo) androany maraina mialoha ny lalao niaraka tamin’ny ekipa Pakistana tao Lahore. Nahafaty olona fito ireto tsy mataho-tody lian-drà, anisan’izany ireo polisy 5 maty voatifitra ary teo koa ireo mpilalao Sri Lankey 6 naratra. Mitana fitaovam-piadiana hari-fomba ireto mpampihorohoro, ...

2009-03-05

Kyrgystan: Tambatsary tsy misy hevitra politika

Tapitra ny vanim-potoanan’ny ririnina, ary miandry ny lohataona mafana I Kyrgyzstan: ny fivorivoriana, ny hetsika fitakiana sy ny sisa. Kanefa aleho kosa mba hiresaka ny hatsarana isika e, fa tsy hoe ny politika tsisy farany io foana. Mba nanao ahoana izay ny sarin-drininina tao Kyrgyzstana? Nendefa am-bolongana ny sary tokan’ilay olo-malaza ...

2009-02-24

Afganistana : Fonja, Fahantrana ary Pôlitika

Raha nanambara ny mpitantana miaraka amin'i Obama fa hanampy miaramila 17 000 any Afganostana hanampy ireo efa any an-toerana dia miresaka mikasika ny fanamby miandry an'i Afganistana tahaka ny hoe fanagadrana vehivavy, ny fahantrana sy ny pôlitika ny mpitoraka bilaogy. Baktash Siawash, mpanao gazety ao amin'ny toby ao Kabul sady mpitoraka ...

2008-12-27

Tonga any Jordana ilay mpihazakazaka hitety an'izao tontolo izao

Mihazakazaka mamakivaky ny kaontinanta efatra hampiroborobo ny zavatra iraisan'ny kolontsaina rehetra ilay Danoà Jesper Olsen. Manoratra momba izany indrindra ny Ambasadaoro Danoà any Jordana HE.Thomas Lund-Sørensen : As I am writing these lines the Ultra Runner Jesper Olsen from World Run II is crossing the Ramtha border control (hopefully without ...

2008-10-09

Cote d'Ivoire : Namoaka ôtôbiografia i Didier Drogba

Théophile Kouamouo mpanao gazety mitatitra hoan'ny gazety Frantsay "Le Monde" avy any Abidjan no mizara izay fiheviny ilay boky "C'était pas gagné" [Tsy fandresena mora azo], ôtôbiografiana kalaza mpilalao baolina kitra Ivoariana, i Didier Drogba : C'était pas gagné m'est apparu comme un livre passionnant, qui permet de mieux cerner la personnalité ...

2008-10-06

Colombia

Ao amin'ny Good Times in Medellin (fotoana mahafinaritra ao Medellin), no anoratan'i Medellin Travel fa manana olona vaovao azo atao fitaratra ny ankizy Kolombiana: 26 taona ilay mpilalao star Camilo Villegas, izay nahazo ny matoam-baovaon'ny haino aman-jery raha nandrombaka ny BMW Championship PGA Golf Tour tamin'ny volana lasa, izay vao sambany ho an'ny Kolombiana.

2008-09-10

Jamaïka, Guyana : Makotroka ny fodian'i Bolt any an-tanindrazana

The rain didn't stop Usain Bolt's return ‘back a yawd'. People lined the road from Norman Manley Airport all the way to the Jamaica Pegasus Hotel in New Kingston “Tsy nahasakana ny fodian'i Bolt aty amin'ny tanàna ny filatsahan'ny orana. Vory lanona ny olona eran'ireo arabe izay manasaraka ny seranam-piaramanidina Norman Manley ...

2008-09-09

Olympics

“Volam-pihobiana ity olana Septambra ity ho an'i Tirinite sy Tobagô ary Jamaika noho ny figadonan'ireo Atileta nandray anjara tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing farany teo tany an-toerana”: Caribbean Beat Blog te-hanomboka ny fety izany!