The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Software & Tools Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Software & Tools

2008-07-25

Russia ,
U.S.A.

Robert Amsterdam no manintona ny fampirantiana an-tserasera ny fomba fiasan'ny Golàgy nandritra ny fitondrana Sovietika - natsangan'ny ivon-toerana momba ny tantaram-pirenena sy ny New Media [haino amanjery vaovao] ao amin'ny  Anjerimanontolon'i George Mason ary iarahany miasa amin'ny mpandala ny  zon'olombelona Rosiana “Memorial” - ka asehony an-dahatsary ao fomba fisamboran'olona nandritra ny andron'i Stalina.

2008-07-06

Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana

Olympics
Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.

2008-06-08

Japana: Ny lazan'ny tolotra Q&A

Voka-pikarohan’ny NetRatings Japan, Inc. [ja] nivoaka ny 23 May ary nivoaka tao amin’ny japan.internet.com [ja] no namoaka fironana vitsivitsy nanaitra [ja] nalaina avy amin’ireo mpampiasa aterineto Japoney. Tanatin’izany rehetra izany, ny fanadihadiana no nahita fa arakaraky ny fitombon’ny fotoana lanin’ny olona eo amin’ny aterineto, dia toa tsy ary ambony ...

Tanzania: milina fikarohana avy any Tanzania

White African dia nahatsikaritra tranonkalam-pifandraisana roa vaovao avy any Afrika Atsinanana: “Bongoza dia milina fikarohana natao ho an’i Tanzania. Nanitikitika ahy ny fisainana hoe milina fikarohana iray isaky ny firenena. Ny mahazatra ahy dia ny misaina fa hoe izay milina fikarohana lehibe dia tokony ho azo anaovana ny asa rehetra ...

2008-05-29

Egypta : Fampijaliana azo ekena ihany

Zendana ny mpiblaogy Egyptiana Mostafa raha nahatsikaritra taorian'ny fanadihadiana notanterahiny anivon'ny mpiray dia ao amin'ny vohikala Facebook, fa misy ireo namany izay mihevitra fa azo ekena ihany ny fampijaliana atao ny olona iray, mba hanongotana an-tery izay tiana ho fantatra mandritra ny fampanoavana azy.

2008-05-26

Afrika Atsimo : Fametrahana an-tsaritany ireo toerana izay nisehoan'ny herisetra

Black Looks no manapariaka ny fametrahana an-tsaritany ho indray mijery ireo toerana izay nisehoan'ny herisetra sy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra any Afrika Atsimo : The Ushahidi engine is being used to map xenophobic attacks in South Africa at the “United For Africa” website. “Ampiasaina mba ametrahana an-tsaritany ho indray mijery ireo ...

2008-05-08

Barbada : Fisamihafàna eo amin'ny Fanaovana Blaogy sy ny Fanaovana gazety

Bajan Global Report dia mizara izay heviny mikasika ny adihevitra mikasika ny fisamihafàna eo amin'ny Fanaovana Blaogy sy ny Fanaovana gazety : Jewel Forde believed that blogs should be policed. She believed that they are indiscipline. According to Ms Forde, blogs deal with personal opinions. Journalism reports the story and leave ...

2008-04-11

Angola

Ambaran'i Francis Pac [pt] fa misy ny tranonkala web 2.0 mitovy amin'ny Digg mba ahafahan'ny olona mijery sy mifampizara vaovao avy any Angola. “ Ny nahatonga ny safidy ampiasana ity fitaovana ity ho an'i Angola manokana dia noho ny fahavitsian'ny vaovao mikasika an'i Angola  sady ankavitsiana tokoa no mba ahitana ireny vaovao avy any ireny. Na eo aza izany dia hahazo vaovao tsy tapaka sady hahaliana kokoa avy any Angola isika noho ity fitaovana ity”. Azonao jerena eto moa io tranonkala io.

2008-03-29

Qatar

Ngourlay no milaza fa nosakanan'ny Qatar Telecoms ny fampiasana (tranonkala) ny Facebook sasantsasany. Nalahatry ny mpamaham-bolongana ny antony dimy mahatonga ny fanakanana ny vohikala: pôrnôgrafia ( na fampisehoana sary mamoha fady), fitsikerana politika ny firenena ao amin'ny Helodrano ary fananganana vohikala fanoherana ny fivavahana Islamo; ny vohikala sasany indray moa dia voasakana ‘tsy nahy' ary ny hafa indray dia voasakana satria mety ho manakiana olona fotsiny.

2008-03-24

Paragoay: ireo mpilatsaka ho fidìna izay mampiasa ny blaogy hahazoana mpifidy

Sary nalain'i Muna Annahas Amin'ny 20 aprily ho avy izao no hifidy izay ho filoham-pireneny ny Paragoay. Betsaka amin'ireo mpilatsaka ho fidiana manan-danja no mampiasa ny blaogy ho fomba ifandraisana amin'ireo mpifidy, satria ao no ilazàny ny fomba fijeriny ny lafin-javatra iray manokana, ary ao koa no anazavàny ny drafitry ny ...