The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Rindrambaiko & Fitaovana Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Rindrambaiko & Fitaovana

2009-09-07

Etazonia, Meksika: Mi-tweet avy eny an'habakabaka ilay mpanamory sambondanitra José Hernández

Eo am-piodinana manodidina ny tany izao ilay mpanamory sambondanitra José Hernández ao anatin''ilay iraka ataon'ny sambondanitra ho eny amin'ny Toby an'habakabaka iraisampirenena, ary mi-tweet izy mandritra ity iraka ataony ity..

2009-08-09

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity ...

2009-07-15

Shina: Noana ny mpiserasera, tsy misy resa-bary intsony!

Nahantona hatramin'ny faha-8 jolay lasa teo ny Fanfou izay shinoa mpifaninana amin'ny Twitter. Hatramin'izao fotoana ny hany nolazain'i Wang Xing mpanangana ny Fanfou dia hoe noho ny antony “fikojakojana” io fa tsy misy resaka fahazoan-dalana hanao tolotra aterineto (ICP). Saingy noho ny fotoana fampiatoana azy nifanjohy tamin'ny rotaka ...

2009-05-25

Rosia: “Mpamaham-bolongana malaza”

Any amin'ny tontolon'ny endri-tsoratra Sirilika (grika sy rosiana) ao amin'ny LiveJournal dia ny isan'ny mpamaky  - “namana” -misoratra ao amin'ny bolongana iray no iray amin'ny fepetra mamaritra ny laza (na “hery”) ananany. Ny mpamaham-bolongana manana “namana” arivo raha vitsy indrindra dia antsoina hoe tysyachniki (avy amin'ny voambolana rosiana hoe tysyacha, ...

2009-03-08

Meksika: Notsongaina handray anjara amin’ny mozika Orkestra YouTube ny mpitendry anankiroa.Podcasts postVideo post

Notsongaina hilalao ao amin'ny Mozika Orkestra Iraisam-pirenena ireo mitendry Meksikana roa, tetika fiaraha-miasa ampiasaina ny gazety ara-tsosialy amin’ny alalan’ny haino an-tsofinan’ny horonantsary YouTube. Samy nampiditra horonantsary mampiseho ny talentany eo amin'ny mozika i Manuel Zogbi avy amin'ny saltillo sy ny mpikirakiran'ny YouTube Intisamente ao veracruz mba hiavaka ao anatin'ny fifaninana.

2009-03-05

Bolivia: Nandrakotra ny Twitter ny Fitsampan-kevi-bahoaka

Raha vao nikatona ny fifidiana nananerana ny Bolivia izay nentina nanaovana fitsampan-kevi-bahoaka ho fanovana ny lalampanorenana , betsaka tamin’ireo firenena isankarazany izay mpampiasa ny twitter no niasa mafy nandefa ny hafatr’izy ireo momba ny traikefa hananan’izy ireo avy amin’ny toerana misy azy ireo.Araka ny fandaminana mba ahafahana mametraka eo ampivoany ny vaovao avy amin’izy ireo dia mampiasa ny famantarana #referendum.

2009-02-26

Ekoatera: Resadresaka miaraka amin'ny mpandresy tamin'ny blaogy Amerikanina Latina tsara indrindra

Na dia tsy afaka nandeha tany Espana[es] mba hahazo ny loka (prize) amin'ny “Blaogy Latina Amerikanina tsara indrindra"  tao anatin'ny fifaninanana[es] notohanan'ny mpampahalala vaovao  Espaniola 20 Minutos aza,  Carlos Suasnavas dia nahazo voninahitra tamin'ilay mari-pahatsiarovana ary nanolotra izany kosa ho an'ireo mpamaky azy. Ny blaogy, izay iarahany manoratra amin'i Evan ...

2009-02-17

Kioba : Fampisehoana ny Nova Baire, fomba fitrandrahana ny Open-Source Operating system

Tamin'ny vokatry ny fikarohana natao tao amin'ny Anjerimanontolon'ny fampahafantarana sy ny Haitao eto La Havanne[es] (raikipohy UCI amin'ny teny espaniola) any Havane dia namoaka ny fomba fitrandrahana infôrmatika "open-source Linux operating system"  azy manokana koa ny governemanta Kiobana. Antenain-dry zareo fa ovaina ho amin'io fomba fitrandrahana vaovao nomeny ny anarana hoe Nova Baire ...