Global Voices teny Malagasy » Science

Afrika: ny lalàna 7-n'ny fihavaozana
White African no manoratra ny lalàna 7-n'ny fihavaozana nosoratan'i Ethan : “Namoaka sombin-dahatsoratra nahatalanjona iray hafa indray i Ethan Zuckerman. Tamin'ity indray mitoraka ity dia ny fitondrana zava-baovao eto Afrika no resahiny sy ny fomba nitondrana azy noho ny fahavitsian'ny akora ampiasaina.”

Singapour: Tokony ho ankatoavin'ny fanjakana ho ara-dalàna ve ny varotra taova?
Misy adihevitra mafonja miainga ao Singapour : Tokony hankato ny varotra taova ho ara-dalàna ve ny governemanta ? Nanomboka tamin’ny volana lasa iny ny adihevitra raha voasambotra sy nampidirina am-ponja ireo tanora Indoneziana roa nikasa hivarotra ny voany tamina lehilahy mpanankarena mpanao afera iray tao Singapour. Ny asa famindràna taovan’olombelona dia “mandràra ny fanomezana taova, na rà ka sandaina takalo ” ao Singapour.

mr wang dia maneho mazava tsara ny resaka éthique ao anatin’ilay resaka:

“Ny tsindrian’ny éthique dia hoe ny varotra taova dia mety hitondra amin’ny fanararaotana ny mahantra sy hanimba ireo malala-tànana tsy dia mànana ny ampy loatra ara-tsosialy ary tsy manam-pidiny amin'ny fahafantarany an’izany.”

Mitàna ny laharana fahadimy eran-tany amin’ny vokatry ny aretin’ny voa (insuffisance rénale) i Singapour. Raha araka ny famakafakana iray, 3,500 raha kely ny olona tratry ny aretin’ny voa ao ; 600 amin’ireo ny ao anatin’ny lisitra famindrana taova. Nefa tsy maintsy miandry hatramin’ny sivy taona any ry zareo ireo mba hahazo avy amin’ireo mpanolotra aorian’ny fahafatesana.

I Blinkymummy dia mankasitraka ny fankatoavana ny varotra taova:

“Izaho manokana dia resy lahatra fa tsy dia misy antony loatra hanakànana ny varotra taova, raha toa ka tanterahana ao anaty fifanarahana voafaritra mazava tsara ny fifampiraharahana. Nahoana no amelana ho faty olona iray ao anatin’ny lisitry ny famindràna taova satria hoe ny fiankaviany na ny namany dia tsy misy manana voa mifanaraka amin’ny azy?

“Ny ambony indrindra ho an’ny mpividy sy ny mpivarotra, tokony hahafantatra tsara mihitsy ny zavatra mety hiseho ny roa tonta. Ary ny tsara toerana indrindra hitàna ny toeran’ny mpitsara dia ny fanjakàna. Satria izy faran’izay handaitra sy ho tsara amin’ny fanatanterahana antsakany sy andavany izay fepetra ilaina. “

Nefa nanana fomba fijery hafa kosa ny mpamaky iray:

“Tena ho mpitsara marina tokoa ve aloha ny fanjakàna? Eny, raha any amin’ny firenena filamatra. Fa raha mbola tsy misy ny firenena filamatra, tsy mihevitra aho fa hoe ny famelàna ny fanjakana hanao ny asan’ny mpitsara dia tsy hitera-doza.

“Ao anatin’ny fivarotana taova, ny mahantra dia tsy ho afaka velively hanam-bintana  higoka fiainan-tsambatra ho azy manokana, fa dia fotsiny hoe afaka nisintona ny ankohonany hiala ao anaty fahantràna. Tsy everiko mihitsy hoe ny fanjakana no ho hanana fahafahana ara-moraly hitànana io toeran’ny mpitsara ny ho làlam-piainana io.”

Nametraka lahatsoratr'i Jennifer Yeo& Madan Mohan i Singapore Law Watch . Resy lahatra ireo mpanoratra fa ahazoana tombony ny varotra taova:

“Ny fanolorana taova, na dia hisy takalony aza, dia mety hahatsaratsara ny fiainan’ny andaniny sy ny ankilany izay samy tsy mahita làlan-kivoahana amin’ny olan’ny fahasalamana na ny fahantrana. Raha toa ny fanjakana – sy ireo tia manampy ny mpiara-belona aminy – tsy afaka manampy ireo mahantra mba hisedra ny olany, tsy tokony mihitsy hanangana sakana hafa indray ho azy ireny.

“Afaka mijoro ho mpitarika i Singapore sady manome ohatra tsara ho fiandohana ho an’ny fikambanam-be iraisam-pirenena mba hankato ny varotra taova. Manana ny fotodrafitrasa rehetra ilaina hanamoràna izany fandraharahàna izany ny Repoblika.

“Hevitra iray ny hametrahana rejisitry ny aretin’ny voa mba hanangonana sy hitiliana ireo mpanolotra sy ny mpila mba hahazoana antoka fa tsy nisy ny faneriterena, na fanararaotana. Fikambanana iray mpanao asa soa na fitantanana tsy miankina no afaka handray an-tanana izany sy ny rehetra manodidina azy toy ny fanekena an-tsitrapo mazava tsara, ny fiarovana ny tsiambaratelon’ny mpanome sy mpanolotra, ny filàna, ny momba ny fandaniana ara-pitsaboana, ny fiantohana, ny fanomezana tamby sy tombontsoa ireo mpanome, ny fianakaviany sy ny hafa aorian’ny famindràna”

Maro tamin’ireo soso-kevitry ny mpanoratra no nanana ny akony teo amin’ireo minisitra ao amin’ny governemanta izay nandefa tsilian-tsofina fa amin’ny hoavy dia hisy fepetra  haroso mba hahafahana manao ny varotra taova. Carpe Deim-Seize the day koa dia mino fa:

“ Afaka mijoro ho mpitarika i Singapour amin’ny fandinihana sy fametrahana rafitra afaka miantoka ny varotra taova ka hisian’ny fifandanjàna eo amin’ny filàn’ny isam-batan’olona sy ny sarambabem-bahoaka.”

Saingy manohitra  ny varotra taova ny Fikambanana ara-pahasalamana ao Singapour. Kianin’i Angry Doctor io fomba fijery io :

“I Angry Doc dia mahatsapa fa rehefa tompon’antoka amin’ny ara-moraliny manokana ireo mpitsabo, ary amin’ny maha-asa azy, ny éthique-ntsika dia mamela antsika hisafidy ny handray anjara na hisintaka amin’izay mety ho endrika iray fandraisana anjara amin’ny traitement, toy ny maha-mpiaro ny mararintsika, ny anjara andraikitsika rehefa sendra olana ara-pitsaboana dia tokony ho fandraisana anjara mavitrika amin’ny fampianarana sy fanomezam-baovao. Tsy tokony hanandrana handositra andraikitra isika amin’ny fampiasana ny resaka moralin’ny mpitsabo sasany ho fanilihana (fialàna bala). “

Ireo mpitoraka blaogy avy amin’ny finoana Katolika dia mitsipaka ny varotra taova. A quiet moment dia nizara santionana vinavina avy amin’ny katolika :

“Ny taova iray nomena dia mety hanavotra aina iray nefa iza no handoa be? Mety ho voatampi-maso ny olona iray, voatery, voatsindry, naharay fandraviravizana na koa mety mihitsy novonoina mba hahazoana maka ny taovany, ho an’ilay mila izany.

“Mety hahazo ny fanazavana marim-pototra ve ilay marary, ary afaka hahatakatra hoe hanao ahoana ny ho fiainana aorian’ny fandidiana famindràna toy izay hiaina fiainana anaty nenina avy amin’ny rarin-tsaina (depression) sy aretina fahita aorian’ny fandidiana famindràna .”

Tsikerain’i Sze Zeng ny fivarotana izay rehetra mikasika ny aina:

“Ao amin’ny  varotra taova, ny famaritana hoe  ‘mpanome taova’ dia  toa fifanoheran-kevitra iray eo amin’ny sehatry ny varotra tsy misy fifamenoana fa  sandaina vola, ary tsy misy hoe mpanome fa tompony fotsiny izao, tsy hita taratra ao anatin’ilay fifandraisana ny fitiavana hanampy ny toa azy fa tena raharaham-barotra tsotra izao fotsiny. Ny mahasarika ho amin’ny fankatoavana ny varotra taova dia fitàran’ny fifampivarotana amin’ny ankapobeny manerana ny sehatra rehetra iainana andavanandro.”

Mampitandrina i Javert's World  fa ny dikan’ny varotra taova dia ho “lasa haraton’aina ho an’ny mpanana ary ho fandripahana ny mahantra.” Mpitoraka blaogy iray hafa no manamarika ny varotra taova dia tsy hanafoana ny tsenan’ny voa any amin’ny varo-maizina:

“Hanapa-kevitra hankato ny varotra taova ny governemanta ary hametraka rafitra feno sy manaraka lamina manaraka fomba fiasa lasitra, nefa tsy antoka hanafoana tanteraka ny varo-maizina izany. Sahala amin’ny mbola hisian’ny mpampanjana-bola na feno banky aza manodidina, na ahoana ireny filokana eny anelakelan-trano ireny no mbola miroborobo mifanindran-dàlana amin’ny filokana eken’ny lalàna.”

Nefa i CTW dia manazava fa :

“Ny fanànana fepetra fanaraha-maso maromaro momba ny varotra taova dia ahafahana misoroka ny mpanera tsy hanararaotra ireo lazaina ho mpanome. Tsy te-hilaza aho hoe zavatra tsotra kely izany fa ireo tomponandraikitra ao Singapour no tena  fatsora mahay mitady làlan-kidifiana.

Mampitandrina  ny amin’ny mety ho fandaniana volavolan-dalàna mikendry ny hanararaotana ireo firenena mahantra mifanolo-bodirindrina amin’i Singapour koa i Anders Brink:

“Rafitra araky ny lalàna manao akory moa ity, izay hananàn’i  Singapour lalàna hankatoavana ny fanararaotana ny mponin’ireo firenena mahantra manakaiky azy? Karazana hafatra toy inona no alefantsika ho an’ireo mpifanolo-bodirindrina amintsika?  Raha ny foto-dresaka, eo amin’io toerana io i  Singapour satria manan-karena izy, raha mahantra kosa ireo eo akaikiny. Raha rehefa manan-karena ianao, dia hiseho amin’ny hafa ho afaka manolotra lalàna fanararaotana (famoretana), mba ahoana no tianao hitondrana anao raha mahantra kosa ianao?

Ao anivon’ny resaka foana i Irana matetika satria izy irery eran-tany no firenena manaiky ny varotra voa (antsoin’ny Iraniana hoe ‘fizaràna taova’).

Fanamarihana iray nentin’ny mpamaky tao amin’ny blaogin’i  no maneho mivandravandra teboka iray:

“Heveriko ho zavatra iray lehibe notsinontsinoavina dia ny fiahiana ara-holistique (ny maha iray tsy mivaky ny zavatra iray tsy azo samantsamahana) ireo mpiara-belona amintsika tratry ny aretina mitaiza, ao anatin’izany ny marary tratry ny aretin’ny voa.

“Ireo marary voa manana fahasalamana marefo dia betsaka no avy amin’ny saranga tsy dia mahazo tombontsoa loatra amin’ny resaka sosialy sy toekarena. Amin’ny ankapobeny izy ireny dia manana tosi-drà avo na diabeta, nefa koa tsy afaka hiatrika ny hamafin’ny fikarakarana ara-pahasalamana ilaina mba hisorohana izay fahasarotana mety hitranga. Vokany, haingana sy aloha be ny fahatongavan’izy ireny any amin’ny tsy fahafahan’ny voany miasa ara-dalana intsony, izay ilàna fikarakarana amin’ny alalàn’ny dialyse.

“Ahoana ary no ataontsika hisorohana izany fahavoazana lehibe izany? Tena tsara lavitra ny misoroka  noho ny ‘mitsabo', toy ity tranga ity, ny famindrana voa dia tena voafetra, ary indrindra indrindra tsy taka-bidy. Nefa ny fisorohana koa lafo.

“Ny tena tokony ho fanontaniana izany dia hoe, hatraiza no fetra azon’ny governemanta hitondràna fikarakarana ny fahasalamana mora vidy ho an’ireo olona mila izany, nefa tsy afa-manoatra. Raha ny teti-bolam-panjakantsika natokana ho an’ny fahasalamana, tsy dia be loatra izany, raha mitaha amin’ny sehatra hafa toy ny fiarovana”

Raha mila fandalinana misimisy kokoa momba ny varotra taova (na ny fizahantany miharo famindràna) eran-tany, ny OMS dia manana fitaovana ho loharano tsara tokoa.

Ukraine: Fanazarantenan'ny manampahaizana Irakiana
Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat - ny fanazarana ny Irakiana  ny tekinikam-panadiovana ny tanàna izay tsy vitan'ny mpitondra tanteraka nandritra ny 23 taona lasa izao. Fa raha tsy izany, efa hitan'ny Irakiana aloha hoe ahoana moa no mety hahazo ny tanànany aoriana kely ao [raha tsy ampy ny fitandremana].”

Azia AtsimoAtsinanana: Loharanon'angovo fanolo
Noho ny fidangan’ny vidin-tsolika, maro ireo firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana no nanamafy ny ezaka ho fitrandràhana loharanon’angovo hafa ho fanolo. Eny fa na dia ireo firenena mpamokatra solitany toa an’i Malezia, Indonezia sy Brunei aza dia samy mampiasa vola hitrandraka angovo azo avaozina avokoa.

Tena andrandraina sy ilaina ny fampiasàna angovo fanolo. Niteraka hetsi-panoherana goavana tany Malezia sy Indonezia ireo fisondrotan’ny vidin-tsolika vao haingana teo Mitàna toerana lehibe eo amin’ny hamafin’ny olana ara-toekarena any amin’iny faritra iny, izay efa tandindonin’ny fiakaran’ny vidin-tsakafo sahady, ny fidangan’ny vidin’ny solika.

Miova ny fomba fiainana satria efa tonga saina amin’ny olana mikasika ny solika ny rehetra. I Tree Maple dia milaza fa hisy vondrona goavana mandàla ny tontolo iainana hijoro ao Singapour ato ho ato. Hampiasa betsaka ny loharanon’angovo azo avaozina izy io. i Tumelor kosa dia mamaritra ny tetikasan’ny fari-piadidian’i Bangkok hampiasa ny angovo azo amin’ny rivotra mba hamatsiana ny fanazavàna ireo vàla iraisan’ny daholobe (parcs publics).

Ny mpamokatra goavana indrindra thailandey amin’ireo zavatra fanjifa, Saha Group, dia nandroso drafitra iray ho fanalàna iray isan-jato amin’ny fanjifany solika amin’ity taona ity, amin’ny alàlan’ny fampiasana angovo azo amin’ny masoandro. Ho an’ny Rambling Librarian kosa indray, manantena izy fa indray andro any ny angovo azo amin’ny masoandro (sy ireo vatoaratra arifomba) dia hanome azy ny herinaratra ilainy amin’ny fitaovana fampiàsany ao an-tokantrano.

Ao amin’ny blaogin’i Asiabiofuels , voamarika fa any Indonezia, ireo orinasam-panjakana manana toeram-pambolena midadasika dia nanàngana vondrona mba hanorina ozinina famokarana biodiesel (solika ara-biolojika). Nefa toa miha-mitonbo ny fanoherana ny fampiasàna ny biocarburants manerana ny tany, ny mpitoraka blaogy The Poisoned dia manohana azy ireo. Fa i Orangutan Outreach kosa dia miampanga ny famokarana menaka voanio ao Indonezia, izay miteraka fifandirana anatiny, fifindran-toeran’ny olona manjary lasa tsy manan-kialofana, sy ny maty.

Manana toerana goavana aty amin’ny faritra ny géothermie, indrindra fa any Philippines sy Indonezia. Fanadihadiana iray no manazava fa “ireo firenena roa ireo dia tafiditra ao anatin’ny “ faribolan’ny afon’ ny ” Pacifique, faritra iparitahan’ny volkano etsy sy eroa ary toeram-pitrandrahana goavana indrindra maneran-tany amin’ny resaka géothermie (angovo azo amin’ny hafanan’ny tany ary ve ity?????).”

Mampitandrina antsika ihany anefa i The Asia Tomorrow mikasika ny sàkana mety hosedrain’ny fivoaran’ity géothermie ity :

Sàkana maro no manelingelina ireo tetikasa goavana maro amin’ny faritra hafa. Fandavàhana marobe no tsy maintsy apetraka mba hitrandrahana araka izay tratra ny fanambanin’ny tany ka hanatràrana ny rano mafàna (mivaivay) sy ny entona mafàna ilaina amin’ny fanodinana ireo turbine hamokarana angovon’aratra. Andanin’izany, ny fahazoana-dàlana takiana hahafàhana manangana ireny tetikasa ireny dia efa manataraiky azy. Ireo volkano tsy mbola levona dia manana tahan’asidra avo tokoa, izay mitarika fahalovan’ny fitaovana fitaterana ilaina mba hampiasàna ny géothermie.

Nanamarika kosa anefa ny mpanoratra ity hafatra ity fa ny tambin’ny fitrandrahana ny géothermie dia mora lavitra :

Na dia lafo aza ny fandavàhana sy ny fanangànana loharanon’angovo (générateur) raha ampitahaina amin’ireo fomba hafa entina mamokatra angovo, tsy raisina amin’izany ny fotoana fitiliana, dia ny fikarakarana sy ny fanodinana foibe géothermique iray no mora kokoa. Mila manisa fito na valo taona any ho any manomboka any amin’ny tetikasa géothermique ka hatrany amin’ny tena fanodinana azy. Ny sàndan’ny fanaovan-dàlana any amin’ny faritra mitoka-monina dia efa isan’ny olana. Ny fananam-pitokisana amin’ny « crédits carbone » dia efa mitondra tsirim-panantenana amin’ny fampiasàm-bola amin’ireny tetikasa ireny, ary mety hahafàhana sahady mamatsy amin’ny ampahany ny vola ho enti-miainga.

I Thaïlande, Vietnama ary Indonezia dia samy misaintsaina ny hampiasa angovo nokleary. Misy fiaraha-miasam-paritra iray momba ny olan’ny fahazoana antoka nokleary (sûreté nucléaire) noraisin’ireo firenena ireo tsy ela akory izay, miaraka amin’i Shina, Korea atsino ary Japana. Nefa kosa i nomad4ever dia mitsipaka ny hanangànana foibe nokleary any Indonezia :

Mba hanohànany ny firoboroboan’ny toekareny, i Indonezia dia maminavina ny hanangana foibe nokleary miisa efatra hatramin’ny taona 2025. Ambara fa ny fanangànana foibe nokleary dia hanàla ny fiankinan-dohan’ny firenena amin’ny angovo azo avy amin’ny fossiles toy ny solika na ny arintany, nefa hahafahàna mamokatra mora foana ny herinaratra ilaina. Fa mitranga ny fanontaniana : nahoana no any amin’ny faritra be volkano sy lasibatry ny horohorontany, tratry ny safo-drano sy ny tsunamis no atsangana ireo foibe nokleary? Tsy nisy safidy hafa mihitsy ve ? Ny géothermie angamba dia safidy iray azo nizorana ary miaro ny tontolo iainana, izay afaka manampy an’i Indonezia hamaly ny filany ara-angovo tsy mitsaha-mitombo sy manatsara ny fijerin’ny hafa azy manoloana ny fiakaran’ny hafanan’ny tany, ivelan’ireo teny nandritry ny fihaonam-be tany Bali.

I Bellamy Budiman koa dia manohitra ny fanangànana foibe nokleary, ary manindraindra ny fampiasàna ny angovo entin’ny rivotra ho solon’izany:

Raha tena miasa loha marina momba ny olana ara-angovo ny governemanta, dia tokony mba hanao dingana kely izy mba hampivoàrana ny angovo azo avaozina. Raisintsika ho ohatra ny angovo azo amin’ny rivotra. Manana rivotra betsaka isika eto amin’ny tanintsika. Raha mba manao ezaka mametraka ireny milina mpanome herinaratra avy amin’ny rivotra ireny isaky ny tanàna ny governemanta, dia mino aho fa hisy ampahany amin’ny olana amin’ny famatsiana herinaratra ho foana.

Tena hadalàna ny eritreritra hanangana foibe nokleary eto amin’ny firenena. Satria na dia ny olana tsotra ateraky ny fako sy ny fifamoivoizana aza tsy mbola hay ny mamaha azy, tsy hitako hoe inona no antony hanangànana foibe nokleary. Toa efa azoko an-tsaina sahady ny Tchernobyl amin’ny endrika vaovao, Hiroshima sy Nagasaki. Tsy mampiasa baomba, mazava ho azy. Tsy misy ilàna an’izany akory, satria dia hipoaka ho azy amin’ny tenany eo ilay izy. Na ny firenena vaventy aza efa miala amin’ny nokleary.

Ny Blog of Bobby, ao Brunei, dia mandroso tolo-kevitra :

Vahaolana iray azo irosoana ny fampiasana ny haitao hita anatin’ireny boky mitantara nofinofy ireny (l'utilisation de technologies de romans de science–fiction), izay mbola amin’ny sehatry ny fikarohana, nefa kosa tsy mbola tonga amin’ny fotoana azo amarotana azy (qui sont l'objet de recherches, mais ne sont pas commercialement viables). Isan'ny tena safidko amin’izy ireny ny fusion (fanakambanana) , ny Cold fusion (fanakambanana amin’ny fomba mangatsiaka???), sy ny zero point energy (???). Ny fanakambànana ara-nokleary no tena mpirotsaka antsehatra goavana indrindra, nefa sady mamokatra angovo betsaka izy ny mitroka ihany koa.

I Sarawak Headhunter dia manoratra, mikasika indrindra ny entona voajanahary:

Sarawak dia mahita angovo fanolo goavana azo aroso : ny entona voajanahary. Araka ny Sampan-draharaha momba ny fampandrosoana any Bintulu, dia manana tahirin’entona manodidina ny dimy alina milliards metatra toratelo eo ny firenena rehefa atambatra.

I mogLie's recycled ramblings dia misiisika mafy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fitsitsiana angovo :

Angamba dieny ankehitriny izao dia efa tokony ho haintsika fa tsy angovo azo avaozina akory ny solika, ary raha tsy vitantsika ny mitsitsy angovo, dia ho voafandrika ihany isika. Tsy hoe dia efa saro-tahotra diso tafahoatra aho fa tokony mba hanova fomba fisaina isika ary mandinika fa efa tamin’ny andro fahiny izany solika natao fafy kàtrana izany. Efa iadiana izao ny fitrandrahana solika (na entona) tsy dia manao ahoana, ary ny loharanon-tsika amin’ny ho avy dia ho avy any anaty rano lalina any.

Madagasikara : Manindrahindra loatra ny Tontolo iainana ?
(sary nindramina tamin'i Harinjaka)

Tsy isalasalana fa ny resaka tontolo iainana manokana misy ao aminy, no ahafantaran'a an'i Madagasikara indrindra. Na dia izany aza, ny fanindrahindrana ny tontolo iaianana dia tsapan'ny Malagasy ho toy ny manarona izay fahasarotana amin'ny fiainana andavan'androny.

Rossy izay isan'ny mpanakanto Malagasy malaza indrindra no namorona ny hira “Resa-babakoto” izay ahitana ity andininy manaraka ity:

Ny gidro sy ny ala, Tsara karakara

Andaniana drala, Amina miliara

[..] Rakoto ‘ty mijaly, tsisy mpitotaly

Ny zanany tomany, tsisy mpanontany

(sary nindramina tamin'ny foko-madagascar)

Na dia heverina aza fa misy fanavesarana ara-kanto ny ambaran'i Rossy dia mifototra tokoa ny fanahian'ireo Malagasy izay manahy fa ny fiarovana ny tontolo iaianana dia anaovana fandaniana be lavitra raha oharina amin'izay atokana hoan'ny mponina manodidina ireny faritra ireny.

Iaraha-mahalala ny fivoizana ara-politika ataon'i Rossy ary noraràn'ny fanjakana tsy hotanterahina ny andiam-pampisehoana nokasainy hotanterahina tany Madagasikara (fr). Angamba tsy ny fomba fijeriny ara-pôlitika ara-tontolo iainana loatra no anton'izany fandraràna tampoka izany anefa tsara koa ny manamarika fa isan'ny tsindrian'ny governemanta ankehitriny ho isan'ireo fototra ijoroan'ny fampandrosoana maharitra ny fiarovana ny tontolo iainana.

Windows on the New World of Sipakv manapariaka kabary natolotry ny Filoha Ravalomanana amin'izay maha-sarobidy ny zava-boahary sady manindry izay nambarany:

The famous German author Goethe already knew about the lemurs. The “Lemuren” play an important role at the end of Faust II. Mephisto calls them when Faust is dying. So, it was our lemurs that buried your ‘Faust'.

“Na dia ny mpanoratra fanta-daza Alemana Goethe aza dia efa nahafantatra ny fisian'ireo Babakoto [Gidro]. Ireo “Lemuren” dia manana ny toerany manokana amin'ny fiafaran'ny tantara Faust II. Izy ireo no antsoin'i Mephisto rehefa nodimandry i Faust. Izany hoe nireo gidronay no nandevina ny ‘Faust'-nareo ”.

Raha somary very ianareo ka misalasala ny amin'ny fototr'izany fanambarana izany dia aza manahy fa tsy irery ianareo.

Ankoatry ny kabarin'ny filoham-pirenena dia lahatsoratra vaventy roa mikasika ny tontolo iainana no nisongadina tamin'ny blaogasyfera tamin'ny herinandro lasa :

Fandinihana midadasika momba ny fiarovana ny tontolo iainana no matoandahantsoratry ny gazety Science, izay gezty manan-daza hoan'ireo mpikarka. Nomarihiko tao amin'ny blaogiko Rakoto's Rants fa na dia Anjerimanontolo aty Amerika aza ny ankabeazan'ireo mpivoy izany lahatsoratra izany dia misy ny sampan-draharaha any Antananarivo izay niara-niasa taminy ary misy mpikaroka Malagasy izay nandray anajara betsaka tamin'izany fikarohana izany.

Ny fikambanana Tany Meva izay mpivoy ny fiarovana ny tontolo iainana any Madagasikara dia isan'ireo valo nandrombaka ny tolotry ny MacArthur Foundation “Creative and Effective Institutions” [fanampiana ara-bola]. Azavain'ny namana Jogany ao amin'ny blaoginy The Purple Corner ireo izay sahanin'ny fikambanana Tany Meva:

Tany Meva seeks to increase sustainable use of the environment, to educate and empower communities and to save the threatened forests. […]

(Their) mission is to sensitize and manage the financial resources so as to:

-promote the sustainable management of the environment in Madagascar

-contribute to the global challenges to this concern through the active engagement of the local communities.

Mikatsaka izay hampitomboana ny fampiasana vahaolana maharitra izay manaja ny tontolo iaianana ny fikambanana Tany Meva, fampianarana sy famohazana ny fandraisan'andraikitr'ireo fiaraha-monina mba hiarovana ireo reniala izay tandidomin-doza. […]

Raisiny (izy ireo) ho adidy ny fivoizana ho amin'ny fitantanana mba :

- hanajariana ny fitantanana maharitra ny tontolo iaianana any Madagasikara

- fandraisana anjara amin'ireo tanjona iraisam-pirenena mikasika ny tontolo iaianana, amin'ny alalan'ireo fiaraha-monina manodidina [ireo reniala].

Farany, Tomavana no manontany tena ao amin'ny Malagasy Miray izay lohalaharan'ny fitondrana ankehitriny:

Tandis que la famine et la malnutrition menacent plusieurs régions de l’île, rien ne semble ébranler le déroulement de la partie qui a commencé depuis un certain temps déjà

Raha mbola manambana ireo faritra maro ny kere sy ny tsy fahampian-tsakafo, toa tsy misy mampiraika ny fitohizan'ny lalao [fandravana ny FMF, fandraràna an'i Rossy, sns …] izay efa nanomboka fotoana ela ihany izay

Irak tao anaty dimy taona: Nihetsika izao tontolo izao
Anio, 19 mars, no manamarika ny fahadimy taonan'ny “Ezaka ho fanafàhana an'i Irak”. “Tany amboalohany dia tetika nentina handrodànana an'i Saddam Hussein sy ” hamàrana ny ady tsy mbola miantomboka”  mbola mitohy hatramin'izao ny ady ao Irakl, mampivarahontsana ny olon-tsotra maro maneran-tany. Anatin'ity lalan-dra ity, Global Voices Online  no hamoaka ny hafatr'ireo mpitoraka blaogy maro avy any Iraka, Moyen-Orient sy Afrika Avaratra, sy ny hafa koa.

Ny mpitoraka blaogy jordaniana The Black Iris dia manandratra avo ny hafatra misy ny lisitr'ireo Irakiana nafàhana”, sady manambara hoe “raiso ny lapika-nareo:

- 82,000 et 89,000 - fanisana mivantana Irakiana

- 151,000 - avy amin'ny governemanta irakiana & Organisation Mondiale de la Sante (Mar.03 - Jona.06)

- 654,865 - araka ny The Lancet, gazety ara-pahasalamana Britanika(mars 2003 sy jolay 2006)

- 1,189,173 - hoy ny Opinion Research Business (toy ny tamin'ny 2008)

Ha Ana Za, egyptiana dia niverina nitodika ny lasa ary mizara ny fahatsapàny toy izao:

Tadidiko tamin'ny 2003, maro no nankalàza ny fidabohan'ny tsangambato lehibe naneho an'i Saddam Hussein tao afovoan'i Bagdad ary nihevitra ny rehetra fa ho afaka amin'izay sy ho tany demokratika i Iraka any ampàran'ny ady, ho fitaratra amin'ny resaka fahafàhana sy fahalalàhana manerana any Moyen-Orient. Dimy taona izao,  vinavinaina ho maherin'ny 1.120.000 no isan'ny aina nafoy, manodidina ny 5 tapitrisa ny Irakiana nafindra toerana. Iraka raha raisina amin'ny maha firenena, dia hita ho nanalavitra tokoa ny resaka fandriampahalemana noho ny tany aloha tany, miaraka amin'ny adim-poko anatiny mahatonga ny nofinofy  mba hanana fitoniana ho sarotra tanterahina.

Manontany koa izy hoe:

Nahoana isika no manohy tsy mijery (mody fanina) an'i Irak? Isan'andro isika dia mandre vaovao momba ny zera baomba miteraka vono olona mahatsiravina, fanafihana maro, ary dia mbola ho ngolin'ny tahotra (horohoro) ihany ve isika? Angamba ho latsa-dranomaso kely ihany isika ary avy eo dia hanodina kosa indray ny saintsika hanaraka lalao baolina kitra. Amin'io fijery iray io dia diso (meloka) daholo isika rehetra.

Avy any Torkia, ny mpitoraka blaogy WorldTurkey dia mitsetra ity tsingerintaonan'ny ady ity:

Ho an'ny Amerikana maro ankehitrio, fitsingerenan'ny faha dimy taonan'ny fanombohan'ny ady tany Iraka izay tsy nanana velively ny antom-pisiany ny anio,  ady iray namoizana aina an'arivony maro sy vola an-tapitrisa tapitrisa dolara. Ho an'ny fitondrana faha-Bush, na izany aza, raisiny ho tsingerin-taona voalohany tamin'ny tetika tany Iraka izay nitondra tsirim-pahombiazana iny tranga iny.

Ilay Siriana Maysaloon, maka ohatra amin'ny hafatra vao haingana nalefan'i Robert Fisk momba ny ady, fanehoan-kevitra:

Tiako be ilay hafatra farany nalefan'i Fisk. Mora kokoa ny mety hahavariana antsika amin'ny taitain-javatra lazain'ny andaniny sy ny ankilany mifandona ao Iraka noho izay tena misy. Izay no mahatsara ny mamaky hafatra avy amin'olona manana fomba fijery tsy mitongilana momba ny zavatra miseho - sy liana amin'ny tantara. Tsy matahotra ny kiana, Fisk dia manoratra tsara tokoa ny ankabeazan'ireo zava-mitranga ankoatry ny any Libanona izay virtoaly sy sarotra takarina ihany izy, miombon-kevitra amin'i Abu Khalil aho amin'io. Izany eo ihany fa, Pity the Nation dia hijanona ho boky iray ankafiziko ao anatin'ny maro.

Any Palestina, mahatsiaro ny nanombohan'ny ady i Al-Falasteenyia :

Dimy taona lasa-

Mpianatra taona voalohany tao amin'ny kolejy aho ary teo ampisakafoanana niaraka tamin'ny namako tao amin'ny Campus no indro Bush niseho tamin'ny fahitalavitra. Maresaka tokoa ny Campus amin'ny ora toy izany, nefa nony nanomboka niresaka i Bush dia nijanona daholo ny zavatra rehetra. Vantany vao nanambara ny ady amin'i Iraka izy, nitodika nijery ny manodidina ahy aho ary hitako ho toy ny sary vongana daholo ny rehetra, nibanjina ny fahitalavitra- ary hadinon-dry zareo hatramin'ny nanohy ny sakafo. Anisan'ny fotoana iray tsy hohadinoko mandrakizay izany satria tsy hitovy intsony ny fiainana aorian'izay fotoana izay. Tsy vitako intsony ny nanapitra ny sakafoko taorian'izay. Efa fantatro sahady izay ho tohiny- nefa tsy azoko an-tsaina velively hoe ahoana no ho fizotr'ity tantara ratsy ity. Herinandro maro taorian'io dia samy nahita ny zera baomba nahazo an'i Bagdad isika rehetra- ny fahitalavitra dia nampisongadina izany ary niantso azy iny ho sedra sy tahotra. Nanontany tena aho ny amin'ny tsy niantsoan-dry zareo iny raharaha iny araka ny tokony hiantsoana azy- zera baomba ho fandroahana ny helo ho any ivelan'ny Irakiana.

Nanontany tena izy raha mbola nahatsiaro kosa an'i Iraka sy Palestina isika:

Ny zava-misy mampalahelo dia na any aminy any Iraka na Palestina na toerana hafa any Moyen-Orient- tsy afaka handray an-tànana ny momba antsika intsony isika. Efa ho enimpolo taona izao no nametraka ny fanontaniana momba ny fotoana hiverenany amin'ny taniny ny Palestiniana. Manontany tena aho hoe raha mbola miampy enimpolo taona indray vao afaka hiverina ny Palestiniana sy ny Irakiana. Antsefantsefam-potoana eny anefa, manohy mipetraka isika, mitazana, ary mitsetsetra : manontany tena, miandry, ilay andro ahafahantsika mitaky indray ny amintsika.

Juan Cole mpitoraka blaogy Amerikana (mpampianatra tantara sy momba ny Moyen-Orient)‚ dia namaritra ny dimy taona lasa tamin'ny asan'ingahy Bush:

Lazaiko fa ny taona tsirairay tamin'ny ady dia nifototra tamin'ny lainga iray avy tamin'ny fampielezan-kevitr'ingahy Bush.

Taona 1: “Tsy misy izany ny ady anaty akata”

Taona faha-2: “Demokrasia fakana tahaka i Iraka”

Taona faha-3: “Zarqawi no fototry ny korontana rehetra”

Taona faha-4: “Tsy misy ady sivily izany”

Taona faha-5: ‘Milamina daholo ny zava-drehetra ankehitriny”.

Ary mbola arosoko koa aza hoe i John McCain dia manosika mba ho:

Taona faha-6: “Efa manangasanga ny fandresena”

Eto am-pamarànana, ny The Angry Arab News Service ivelan'i Libanona dia namaly ny kabarin'ingahy Bush androany:

Nandinika an'i Bush aho teo aloha teo. Mbola manandrana mampitahotra ny Amerikana ihany izy. Mbola hanohy ny fampitahorana ny Amerikana ihany ilay zalahy io hatramin'ny andro farany hitondrany ny tany sy ny fanjakana. Raha tany amin'ny fotoanan'ny Moyen-age dia ho be tokoa ny olona ho tia an'ilery: ireny ilay olona nikarenjy nanerana ny lalankely sy ny tanana sady mikiakiaka miantsoantso momba ny majikam-behivavy sy ny fomba fiainana mivaona amin'ny maha-olona (na koa ara-pivavahana).

Creative Commons-licensed photo by Dean Terry

Borkina Fasô : fomba, fety ary boky vaovao
Samy manana ny fotoany avokoa na ny andro sahaza ho azy avokoa ny zava-drehetra, hoy ny voasoratra ao amin’ny baiboly araka ny Bokin’ny Mpitoriteny (sy ny hiran’ny mpihira rock amerikana tamin’ny taom-polo 1960 the Byrds). Misy ny andro ahaterahana. Misy ny andro ahafatesana. Zavamisy mpitranga any Borkina Fasô izany tahaka ny any amin’ny toeran-kafa rehetra ihany koa.

Toy ny nidify ny iray amin’ny dingam-piainana lehibe indrindra isika tsy mba mahalala tantaram-pahaterahana, na asa na fampiraisan’olon-droa amin’ny alalan’ny mariazy. Ireto tsikaritra ireto dia avy amin’ny mariazy ambanivohitra noraiketin’i Rhadikha any Borkina:

Not unlike in America, weddings are good times with wild and crazy dancing and acceptable public drunkenness. Unlike American weddings, everyone is invited. Those immediately involved go to the “mayor’s” house for the exchanging of vows and signing of contracts. That is the equivalent of the ceremony. No one but the bride, the groom, and their parents are expected to be interested in that part. There are no registries with china patterns and cutlery. Your gift is showing up and getting down. The party starts at sunset and ends when the roosters start cock-a-doodle-doo-ing. The bartender is someone’s underage cousin serving up home brewed millet beer in nature’s beer mug, a dried gourd. There is drumming, dancing, and chanting of the sort that one might see on the discovery channel.

Tsy samihafa amin’ny any Etazonia fa fotoana mahafinaritra arahina dihy mitsinjatsinjaka sy fileferana amin’ny fisotroana zavamahamamo ny mariazy. Asaina avokoa tsy misy anavahana tsy tahaka ny any Amerika ny mariazy. Ny any mankany amin’ny lapan’ny tanàna avy hartany dia mifanao dina sy manao ny sonian’ny sora-piankohonana. (marina fa) Misy mitovy amin’izany ihany koa ny fotoam-pampakaram-bady. Ny ampakarina sy ny mpampakatra ary ny ray aman-dreniny ihany no antenaina handray anjara (amin’ny fisoratana). Tsy misy rezisitra misy fanaka sy soratra shinoa (tsy hay vakiana ?) amin’izany (fotoam-pampakarana izany). Aseho ny rehetra ny fanomezana atolotrao ary apetraka. Manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ny fotoana ary tsy mifarana raha tsy amin’ny maneno akoho (tena misy fiteny malagasy ity !).Havana mbola tanora dia tanora no mpanome ny zava-pisotro labiera nokarakaraina an-trano ary natao anaty veran-dabiera vita nanahary efa nomainina. Dobodoboka fomban’amponga, fandihizana ombam-pihirana tahaka izay mety ho efa hitanao tao amin’ny discovery channel no hitanao ao.

Any Gorom-Gorom, tanàna lehibe avaratra indrindra any Borkina Fasô ( 485kilometatra avaratry Ouagaodugou), no tontosaina ny “Festicham,” hetsi-piravoravoana fanao isan-taona ahitana hazakaza-tsoavaly sy rameva sy fampirantiana sokitra sy kolontsaina. Tamin’ity taona ity dia tsy diso anjara i Keith avy ao amin’ny Under the Acacias (ambanin’ny hazo akasia) :

We arrived late, during the second heats of camel races. The whole town seemed to be there, along with a couple of government ministers, accompanying police guards, and a bunch of Italians who apparently finance the whole thing. Dust filled the air, kicked up by hundreds of hooves of various sizes, and thousands of feet.

Tara izahay fa tonga nandritra ny hazakazaka rameva andiany faharoa. Tahaka ny ao avokoa ny iray vohitra, miaraka amin'ny minisitra ao amin’ny governemanta roa otronin’ny polisy mpiambina, sy andiana Italiana izay heverina ho nikarakara ara-bola ny zava-rehetra. Mitora-jofo ny toerana noho ny fivezivezen’ny olona (fanitsahan’ny tongotra ny vovoka).

Andao aloha mbola hiaraka amin’i Keith ihany. Raha niaina tsy nisy herinaratra tanaty “woodless construction” (fanorenana tsy mila hazo) na tranobongo vita amin’ny tany nandritra ny 15 taona tany Gorom-Gorom izy dia namantana avy hatrany tao anatin’ny taonjato faha-21 raha nampiditra jiro notarihina avy any an-tanàna no mbola nampiditra telefonna misy aterineto haingam-pandeha ihany koa.

Rehefa ela ny taona nianohana ny filaminana sy ny fanginana dia naka ny anjara toerany tsikelikely ireo zava-baovao roa ireo, hoy ny tenin’i Keith. Taorian’ny nanoratany sy nandefasany vy tao an-trano ny bolongan-tsoratra voalohany tao an-trano, dia nieritreritra izy raha “izay angamba ny fotoana handaozana an’i Gorom-Gorom sy hifindrana mankany amin’ny toerana lavidavitra kokoa …”

Stephen Davies, mpanoratra ao amin’ny Voice in the Desert (Feo avy any amin’ny tanihay) indray moa dia nandany fotoana vetivety tao Ouagadougou tamin’ny herintaona hamitany ny “fanitsiana” fametrapetrahana faraparany ny tohitelon-dahatsoratra mikasika ny ankizy nitranga tany amin’ny faritanin’i Oudalan any avaratry Burkina Faso (sy any an-tanàna Gorom-Gorom) ka hatrany Niger. Ny lahatsoratra voalohany ahitana an’i Sophie sy ny tetidratsin’ny mofomamy mavo, ny faharoa kosa ahitana ihany koa an’i Sophie sy ny ozon’ny valala. Ny bokin’i Stephen fahatelo, dia saiky nampitondraina ny lohateny hoe Sophie sy ilay Jeneraly tsy mahitsy fo saingy vao nosoloiny hoe Sophie sy ny fiokoan’ny ampemba voaendy vao haingana, hoy ny filazany. Kendrena hivoaka amin’ny volana Septembra 2008 moa ny boky.

Noho ny fanakaikezan’ny mponina ambanivohitra any Borkina Fasô sy ny natiora dia miara-dalana amin-dry zareo mandrakariva eny hatrany ny fahafatesana. Charlie ao amin’ny Blooming Desert (famiramiranana ny tanihay) no mitantara ny fahabangana tao amin’ny tontolon’ny biby:

“He's in a bad way, I'm afraid”, said Steve, carrying the patient across the bus station. Six hours of dust, fumes and bone-rattling on the road from Ouagadougou had clearly been too much. His head was limp, his whole body flaccid. We laid him out on the ground and a crowd gathered. Instinctively I stretched out my hand, gently laid it on his chest and prayed. As I did, he shuddered and took his last breath. It was a sad moment.

« Malahelo aho fa mandeha amin’ny lalan-diso izy » hoy Steve nitondra ny marariny nankeny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitaterana. Hita ho tafahoatra ny nizorana ora enina tanaty vovoka, setroka ary ny fipiapiaky ny taolana hatrany Ouagadougou. Lozotra ny lohany, malemy ny tenany manontolo. Nampandrianay tamin’ny ahitra izy ary dia nitangorona ny olona. Tsitapitapitr’izay natsotrako ny tanako, dia napetrako tsimoramora teo amin’ny tratrany ary dia nivavaka aho. Rehefa vita izany dia nipararetra izy sady nisento farany. Nahaontsa ny fotoana.

Notantarainy moa fa “ salama tsara ny akohovavy frantsay fito ary efa mihatamana amin’ny toerana vaovao nametrahana azy.”

Any amin’ny toerana maina kokoa no itantaran’i Valentine avy amin’ny My So-Called Life in Africa (ny lazaina fa fiainako eto Afrika) ny fandidiana sahona tany an-tsekoly. Fantany tsara fa hiatrika ny fianarana ny haiaina izy raha niangavy azy hiasa amin’ny sahona lehibe indrindra anaty (harona) izy:

Well, we started cutting and you know how some things are suppose to be juicy like a nice steak, and some things just aren’t? Well let me tell you this was extra juicy frog. Maybe that’s a good thing if you are French and like frog legs, but not if you are an 8th grader in biology class. After a few minutes of poking around in the frog’s leg, we found a gross white thread with a few pieces of black stuff clinging to it. I don’t even know what it’s called and don’t want to know because after having met it, I don’t ever want to again!

Eny ary, nanomboka nandidy ary izahay ary fantatrareo ihany fa misy ny zavatra heverina ho mampilendalenda tahaka ny tono-kitoza tsara ary misy kosa ny tsy mba izany ? Ie , avelao aho hiteny aminareo fa nampilendalenda ity sahona ity. Mety ho zavatra tsara io raha ohatra ka Frantsay ianao ary tia fen-tsahona, fa tsy ho izany kosa raha mpianatra any amin’ny kilasy faha-8 ao amin’ny kilasin’ny haiaina ianao. Rehefa nopotsipotserinay ny manodidinany fen’ilay sahona dia nahita toa harato (kofehy) fotsifotsy maharikoroko iraiketana zavatra mainty vitsivitsy teo aminy izahay. Tsy fantatro hoe inona no iantsoana iny ary tsy tiako ho fantatra ihany koa fa rehefa nahita iny aho dia tsy te-hiherika hijery an’iny intsony.

Ary farany, niainga avy eto Borkina Fasô ho any Taiwan hanatrika ny fandevenana (fa tsy fandorana moa ?) ny raibeny i AKIA , mpirotsaka ao amin’ny Peace Corps. Tantarainy ao amin’ny AKIA-BLOG, ny fombam-pandevenana izay fifangaroan’ny fomba bodista sy taiwaney araka ny filazany:

Since he passed away, my relatives have been going to the temple to pay respects to my grandfather. Each morning, they go to bai4bai4. This involves burning incense and giving thanks or offerings and general respect paying. According to Taiwanese beliefs, he is ascending to the afterlife but he has not taken anything with him. Each morning, after paying our respects by burning incense at his soul altar, we burn paper flowers (the steps for him to reach the afterlife) and sacrificial money (money for the afterlife). Basically, my grandmother's apartment is reminiscent of a paper/origami factory.

Hatramin’ny nahalasanany dia nankany an-tempoly hanefa (handoa) ny fanajana ny raibeko ny havako. Manatontosa ny bai4bai4 isa-maraina izy ireo. Fandoroana emboka sy fanehoam-pankasitrahana no atao amin’izany na fanaovana fanatitra sy fandoavana (vola) fanajana. Araka ny finoana Taiwaney moa dia tafakatra any amin’ny fiainana any ankoatra izy ary tsy nahatondra na inona na inona. Koa isa-maraina, rehefa nanefa ny fanajana tamin’ny fandoroana emboka izahay eo anoloan’ny alitaran’ny (ôtelin’ny) fanahiny dia mandoro vonikazo taratasy (dingana atao hahatrarany ny fiainana any ankoatra) sy volam-pisoronana (vola ho an’ny fiainana any ankoatra). Amin’ny ankapobeny dia mampahatsiahy taratasy/vokatra origami ny tranon’ny renibeko.

Afrika : Matematika tsikaritra amin'ny haitaotrano Afrikana
Afropolitan no manolotra lahatsary ahitana an'i Ron Eglash mamelabelatra mikasika ny Matematika tsikaritra amin'ny haitaotrano Afrikana :

Mathmetician Ron Eglash traveled to Africa to do research on fractals. What he found was amazing, but not surprising to those of us who appreciate the ingenuity and creativeness in Africa.

“Nitety an'i Afrika hanatanteraka fandinihana mikasika ireo “fraktala” ny Matematisiana Ron Eglash. Mahatsikaiky izay vokatry ny fikarohany, anefa tsy dia mahataitra loatra ireo toa antsika izay mpankafy ny hakingan-tsaina sy ny kitikitika madinidiniky ny Afrikana.”

Rosia : Nikolai Marr
Mizara ny fiainana, ny tantara ary ny asan’i Nikolay Yakovlevich Marr i De Rebus Antiquis Et Novis:

“Lasa mahay tenimpirenena maro malaza izy ary tokony ho mpampianatra tenim-pirenena ikoizana, noho ny fitiavany fatratra sy ny nibahana loatra tao an-tsainy ny petrakeviny tsy mety voasedra. Tsy niatrika fianarana tenim-pirenena na dia indray mandeha akory aza izy. Olo-tsotra nankamamy ny zavatra tiany izy, tahaka an’i Schliemann amin’ny arkeolojia. Saingy ny tsy itovizany tamin’i Schliemann kosa dia tsy nahomby kosa ny tenany.”

Nizeria : « Angidim-by vita Nizeriana » tany Kano
Ny blaogy Afrigadget dia mitatitra momba ilay « angidim-by [hélicoptère] vita Nizeriana » :

« Yahoo! News carries a story from October 21st about Mubarak Muhammad Abdullahi of the Kano Plains of Nigeria who has built a working helicopter over the last 8 months using scrap aluminum and parts from a Honda Civic, an old Toyota and from the remains of a crashed Boeing 747. »

« [Ny vohikala fampahalalam-baovao] Yahoo! News dia nitatitra tamin'ny 21 Oktobra ny tantaran'i Mubarak Muhammad Abdullahi monina any amin'ireo lemak'i Kano, any Nizeria izay nanamboatra [samirery] angidim-by nandritra ny  8 volana, nampiasa fatim-biraty sy fatin'ireo fiarakodia Honda Civic sy Toyota ary potipotika fiaramanidina Boeing 747 izay nianjera. »

Ndesanjo Macha