· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Siansa tamin'ny Novambra, 2012

Vahoaka Maleziana Manohitra Ny Fanadiovana ‘Terre Rare’ / Vovo-tany Tsy Fahita Firy

  22 Novambra 2012

Voalaza fa hanangana ny toeram-panadiovana lehibe indrindra manerantany amin'ny resaka Vovo-tany Tsy Fahita Firy i Malezia taorian'ny nandàvan'ny fitsarana ireo fanangonan-sonia hanafoanana ny fahazoan-dàlana nomen'ny governemanta ho an'io tetikasa voalaza io. Setrin'izay, vondrana maro samihafa mpiahy ny tontolo iainana, mponina sy olom-pirenena velon'ahiahy no nanao dingana niroso tamin'ny hetsi-panoherana ilay fotodrafitrasa. Ireo mankasitraka dia milaza fa hitondra tombontsoa ho an'ny toekarena ao Malezia ilay tetikasa saingy marobe ireo vondrona miasa loha amin'ny lafy ratsy entin'izy io ho an'ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.

Saint Lucia : Akondro Loharanon'Angovo Azo Havaozina Hoe?

  03 Novambra 2012

Lahatsoratra iray tanaty blaogy tamin'ny 2011 mikasika ny fampiasàna ny akondro amin'ny famoronana solika avy amin'ny zava-maniry no nanome aingam-panahy an'i Dane Gibson hametraka fanontaniana vitsivitsy mikasika ny sehatry ny angovo azo havaozina ao amin'ny firenena kelin'i Santa Lucia ao Karaiba