GlobalVoices anaty

Siansa

Tahiry Lohahevitra · 31 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Siansa

21/04/2013

Sary Lahatsoratra
Fahatezerana Tamin'ny Nanendrena ny Monsanto Ho ao amin'ny Tempolin'ny Laza

Tohin'ny lahatsoratra

Raha vao nanambara ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Acción y Reforma Agrícola (ARA) (Katroka sy Fihavaozana Ara-Pambolena) [es] fa nanendry ny orinasa ara-pambolena Monsanto ao amin'ny Tempolin'ny Laza Ara-Pambolenan'i Puerto Rico [es] dia maro ireo fikambanana any amin'ny vondro-paritra no naneho ny fanoherany marindrano izany.

13/01/2013

Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara

Famokarana Lavanila any Madagasikara, saripika nalain'i David Darricau tsikaritra ao amin'ny vohikala Flickr | Fahazoandalana CC NC-BY-2.0

Atoa Antoine Ganne no mitatitra ny fomba izay nihavian'ny Lavanila avy any Meksika ka zary nampalaza azy any amin'ny ireo Nosy Madagasikara sy La Réunion [fr]. Tantarainy ary fa mpivaromandeha Eorôpene no nividy Lavanila tany Meksika ary nitondra izany hoan'ny mpanjaka frantsay Louis XIV izay nikasa hamboly izany tany amin'ny nosy La Réunion saingy tsy nahomby. Atoa Edmond Albius andevolahy tany La Réunion kosa no nahita ny vahaolana amin'ny famokarana idiran'ny tananolombelona an-tsehatra, fomba fanao izay mbola ampiasaina mandrak'ankehitriny. I Madagasikara no mpamokartra Lavanila be indrindra manerantany ankehitriny.

08/01/2013

Sary Lahatsoratra
Ekoatora: Mandà Tsy Hitokana Vala Famokarana Herinaratra Ahodin-drivotra Ny Filoha

Tohin'ny lahatsoratra

Nisafidy ny tsy hanaisotra ny voalin'ilay vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra ao Villonaco ny Filoha Ekoatoriana, izay heverina fa mbola tsy vita hatramin'ny farany. Manana ireo fanehoan-kevitry ny mponina ao Loja i Alison Martínez.

06/01/2013

Aostralia: OVNI Miteraka Adin-teny

Tohin'ny lahatsoratra

Lahatsari-na OVNI iray tany Queensland, Aostralia niteraka sahoan-dresaka tao amin'ny tontolon'ny twitter hatramin'ny mpino ny fisiany ka hatramin'ny tsy manaiky resy lahatra.

22/11/2012

Vahoaka Maleziana Manohitra Ny Fanadiovana ‘Terre Rare’ / Vovo-tany Tsy Fahita Firy

Tohin'ny lahatsoratra

Voalaza fa hanangana ny toeram-panadiovana lehibe indrindra manerantany amin'ny resaka Vovo-tany Tsy Fahita Firy i Malezia taorian'ny nandàvan'ny fitsarana ireo fanangonan-sonia hanafoanana ny fahazoan-dàlana nomen'ny governemanta ho an'io tetikasa voalaza io. Setrin'izay, vondrana maro samihafa mpiahy ny tontolo iainana, mponina sy olom-pirenena velon'ahiahy no nanao dingana niroso tamin'ny hetsi-panoherana ilay fotodrafitrasa. Ireo mankasitraka dia milaza fa hitondra tombontsoa ho an'ny toekarena ao Malezia ilay tetikasa saingy marobe ireo vondrona miasa loha amin'ny lafy ratsy entin'izy io ho an'ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.

13/11/2012

An-Tampon'ny Alam-Baton'i Bemaraha Eto Madagasikara

The Stone Forest a.k.a Tsingy in the Strict Nature Reserve of Bemaraha in Madagascar  on wikipedia CC-license-3.0

Ny alam-bato a.k.a Tsingy ao amin'ny Valan-javaboarin'i Bemaraha eto Madagasikara hita wikipedia CC-license-3.0

Tohiny »

03/11/2012

Saint Lucia : Akondro Loharanon'Angovo Azo Havaozina Hoe?

Tohin'ny lahatsoratra

Lahatsoratra iray tanaty blaogy tamin'ny 2011 mikasika ny fampiasàna ny akondro amin'ny famoronana solika avy amin'ny zava-maniry no nanome aingam-panahy an'i Dane Gibson hametraka fanontaniana vitsivitsy mikasika ny sehatry ny angovo azo havaozina ao amin'ny firenena kelin'i Santa Lucia ao Karaiba

27/10/2012

Madagasikara: Vokatry ny fikarohana mikasika ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany

Ny praograma ASM-PACE izay sady mifantoka amin'ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany [ASM na Artisanal and Small-scale Mining] no mifantoka koa amin'ny faritra natokana hiarovana ireo zavaboahary sy ny tontolo-iainana osa [PACE na Protected Areas and critical ecosystems] no nanapariaka ny vokatry ny fikarohana amin'izay fomba mety hataon'i Madagasikara mba

ensure continued socioeconomic development without undermining ecological resiliency

“ahafahany sady manamafy ny fivoarany ara-piaraha-monina sy ara-toekarena anefa tsy manampy trotraka ny mahazo ny zava-boahary”

Io tatitra io dia mifantoka indrindra amin'ireo fepetra rehetra noraisina, na nahomby na tsia, mba hampiantoana ny voka-dratsy izay ateraky ny firongatry ny mpitrandraka any amin'ireo faritra vao nahitana harena an-kibon'ny tany.

23/07/2012

Video Lahatsoratra
Mongolia: Mandinika Ireo Zanaka Sakadia An-dranomandry

Tohin'ny lahatsoratra

Vitsy dia vitsy ary sarotra tratrarina ireo sakadia an-dranomandry. Nanao fanadihadiana lava momba ireo sakabe ireo ny vondrona manam-pahaizana avy ao amin'ny Snow Leopard Trust ary nizara ampahany tamin'ny fandinihan'izy ireo.

21/03/2012

Video Lahatsoratra
Lahatsary: Mpilalao Surf, Mpanjono ary Taratra Mampididoza Taorian'ny Horohorontany Tao Japana

Tohin'ny lahatsoratra

Nanatontosa lahatsary fanadihadiana momba ny fiainan'ny olona miady amin'ny taratra radioaktifa taorian'ny horohorontany tao Japana ilay mpanao gazety Lisa Katayama  sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Jason Wishnow. Tao amin'ny lahatsary Radioaktifa (akora...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny