2009-09-05
Tontolo arabo: tonga soa ny ramadan
Volana manana ny lanjany eo amin'ny tetiandron'ny silamo ny volana masin'ny ramadan. Kendrena mandritra ny volana ny mampianatra ny mpino ara-panahy hahatsapa ny fangirifirian'ireo tsy mitovy saranga aminy, ka tsy mihinan-kanina ny silamo amin'io, tsy misotro, tsy mifoka ary tsy manao firaisana ara-nofo ny maraina vao miposaka mandrapilentiky ny masoandro, ...
2009-08-26
Iran: Fijoroana vavolombelona amin'ny fampijaliana sy fanolanana
Notondroin'ny manam-pahaizana tsy miankina avy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny mpanohitra ho mampijaly ireo mpanao fihetsiketsehana nogadraina izay nanohitra ny vokam-pifidianana ny 12 jona lasa teo ny fanjakana iraniana. Medhi Karoubi mpitarika ny mpanohitra sady mpitondra tenin'ny parlemanta taloha no nanamarina fa mpigadra lahy sy vavy no iharan'ny ...
2009-08-18
Bolivia: Fetin'i St Roch ho fanomezam-boninahitra ny alika
2009-08-17
Indonezia: Mipatitaka ny fampihorohoroana
Nibahan-toerana tamin'ny televiziona Indoneziana ny fifampitifirana teo amin'ny vondrona Densus 88 miady amin'ny mpampihorohoro, ny polisy andaniny ary ny ankilany kosa dia ny vondron'olona heverina fa tarik'i Noordin Mohammed Top sy ny tariny, mpampihorohoro tadiavina indrindra tamin'ny 8 aogositra lasa teo tany ambanivohitr'i Temanggung anivontanin'i Java. Teratany Maleziana heverina ...
2009-08-11
Myanmar(Birmana): Bodista tafintohina tamina sarina mpilalao sarimihetsika
Sary iray manafintohina ahitana mpilalao sarimihetsika iray miaraka amin'ny namany miankanjo rebareba saffron no nisy nametraka tao amina blaogy birmana malaza iray, nampisafoaka ny fiombonamben' ireo mpitoraka blaogy birmana. Tan, mpanoratra ao amin'ny GV no nandika ity lahatsoratra ity avy tamina blaogy Birmana.
2009-07-19
Maraoka: Volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova
Raha mihamanatona ny lohataona eto amin’ny fanjakana, ny lohahevitra hita ho mampientanentana ny mpitoraka blaogy manerana an’i Maraoka izao dia ny momba ny fiovana. Nanomboka hatrany amin’ny traikefa vahiny azon’i Maraoka ka hatramin’ny fahalalàhana (na ny tsy fisian’izany) ho an’ny asa fanaovan-gazety, ny ‘blogoma' [Avy amin’ny mpandika: tontolon’ny fitorahana blaogy maraokana] dia toa niova ho sehatra filozofika mikasika lohahevitra maro
2009-06-05
Myanmar: Rava ilay fiangonana bodista manan-tantara
Nirodana nandritra ny asa fanavaozana azy ny fiangonana bodista iray, olona 5 farafahakeliny no maty ary mpiasa sy mpanao fivahinianana masina maro no naratra.
Ny fiangonana ao Danoke taorian'ny fianjerany (New Era Journal)
Any ampitan'ny reniranon'i Yangon ao amin'ny kaomina Dala, faritra Rangoun, no misy ity fiangonana ao Danoke ity, fiangonana manana ...
2009-06-04
Iran: resaka taorian'ny fipoahana baomba tany amin'ny Mosquée
Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môske Ali Ibn-Abitaleb, môske Shiita faharoa amin'ny habeny any Zahedan, Iran. 25 raha kely indrindra ny isan'ny maty. Olona telo nampangaina ho nandray anjara tamin'ity fanapoahana môske ity no nahantona tamin'ny sabotsy maraina teo. Vondrona Sonita mitampiadiana antsoina hoe Jundullah, izay midika hoe Borigadin'Andriamanitra ...
2009-05-22
Okraina: faha-65 taonan'ny famindràna faobe ireo Tartares avy any Crimea
Ny 18 May no anamarihana ny faha 65 taonan'ny Sürgün, ny famindràn-toerana faobe tamin'ny 1944 natao an'ireo Tartares avy any Crimea hiala ny tanin'izy ireo tao Crimée.
J. Otto Pohl dia nanoratra momba ny tantàran'ireo famindràna faobe, ary indro misy ampahany avy amin'ny hafany:
Tamin'ny 18 May 1944, ny NKVD sovietika no ...
2009-05-17
Iran: Mitao amin'ny alalan'ny facebook ny mpanohana an'i karroubi amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena
Vao nitsahatra ny fandrarana ny Facebook tany Iran, saingy ankehitriny dia mampiasa azy ho fitaovana hanaingana ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena ny mpanohana ny mpitondra tenin'ny antenimiera teo aloha, Mehdi Karroubi.
Singa iray lehibe amin'ny fametrahana teti-panorona an-tserasera mandritra ny "fampielezan-kevitra 88" ataon'i Karroubi ny Facebook. Lasa iray amin'ny mpanolotsainan'i ...




