Global Voices teny Malagasy » Fivavahana
USA: Mampivoitra manokana ireo Silamo ao amin'ny tafika ilay vono-olona tao Fort Hood
Nahatonga ireo Silamo any Amerika ho eo ambanin'ny jirobe mpanazava indray, indrindra fa ireo ao anatin'ny tafika ilay  Tifitra variraraka iray nataon'i Nidal Malik Hasan, manamboninahitry ny tafika Amerikana, nahafatesana 13 sy naharatrana 31 tao Fort hood, Texas.
Fotoana vitsy taorian'ny nilazana fa ny Manamboninahitra  Hasan no voatondro ho ilay mpitifitra, nahitàna fahasahiranana lalina teo amin'ireo mpanolotra vaovao sy mpanadihady ny amin'ny fiaviany ara-poko sy ara-pinoana. Notaterina betsaka ihany koa fa matetika no iharan'ny antsojay avy amin'ireo olona avy ao anatin'ny antokon-tafika misy azy ihany  ireo Silamo.
Howard M. Friedman, mpampianatra lalàna fanta-daza ao amin'ny Anjerimanontolon'i  Toledo, dia milaza ao amin'ny blaoginy  ReligionClause:
“Ny tafika dia nanao fandraisana Silamo noho ny fananana traikefa amin'ny tenim-pirenena sy ny kolontsaina ilaina hiatrehana ny adin'i Iraka sy Afganistana. Na izany aza anefa dia misedra ny fiahiahian'ireo manamboninahitra mpifehy azy ireo Silamo. “
Na izany aza anefa, ny fiahiahiana ireo Silamo mpikambana ao anatin'ny antokon-tafika dia efa nisy talohan'ny nitrangan'ny tifitra, fa ny tena atahoran'ny tsirairay izao dia ny ho fitomboan'ireny noho ny vono-olona tao  Fort Hood. Mipoitra ny fanontaniana sao ny Major  Hasan ka isan'ireo henjam-pihetsika izay manao fanafihana mifototra amin'ny resa-pinoana irony, na koa marary saina tsotra izao fotsiny.
Any Canada, ny mpanoratra Gwynne Dyer, ao amin'ny gazety maimaim-poana mpivoaka isan-kerinandro any Vancouver  Straight.com, dia manoritra fa mamohafoha zavatra maro saro-pady ny fanondroana ny foto-pinoan'ilay mpamono:
“Andro vitsy taty aoriana, raha mbola nihazohazo ny fanadihadiana nanoloana ny fahasamihafan'ireo fitantarana, ny mpampahalala vaovao dia efa nametraka ny fanazavana hoe resa-poko/ fihodirana/ finoana no nahatonga ny hadalan'i Nidal. Ireo olona ratsy manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny maha-Amerikana no tomponandraikitra voalohany indrindra amin'ilay zava-doza, ary misy misy farany io.
Ny fanazavana iray tsy naroso dia ny hoe ireo ady ataon'ny Amerika any amin'ireo tany Silamo ampitan-dranomasina any dia vao mainka manamafy fo ireo Silamo ao aminy.  Tsy miraharaha hoe ireo mpampihorohoro Silamo ao an-toerana izay nanafika ny rafi-pitateran'ny Londres tamin'ny 2005, na ireo mpiray tsikombakomba Silamo isan-karazany izay voasambotra tany amina firenena Tandrefana samihafa talohan'ny hahatanterahan'ny tetik'izy ireo  dia saika nanameloka ny fananiham-bohitry ny  Tandrefana any amin'ny tany silamo avokoa ka vao mainka manamafy ny fon'izy ireo. Tsy miraharaha, indrindra indrindra, hoe ny tena vao mainka nanamafy fo azy ireo dia ny tsy fisian'ny fifandraisan'ireny fananiham-bohitra ireny amin'ny resaka fandriampahaleman'ny  Tandrefana akory”
Ny Fox News, voatsikera matetika noho ny fitsaratsaràna ataony momba ireo olana mifandraika amin'ny fifindra-monina  sy ny pôlitikan'ny fikombonana [conservative], dia voalaza fa nanao antso avo ho an'ny “fitiliana ireo Silamo” ao amin'ny tafika. Ao amin'ny vohikala Veterans Today, manamboninahitra taloha iray tao amin'ny Mpiambina ny morontsirak'i Amerika, Tom Barnes, dia miteny fa mamoromporona hevitra  hambolena fifandroritana tsisy fotony “isika mifanandrina amin-dry zareo” ilay fantsom-baovao:
“… raha fintinina dia “tsy misy ilàna azy” ilay fantsom-baovao, raha ny filazana tsy dia masosotra tany amboalohany azy ity no  hivadika ho tafika masin'ny Fox Channel mifanandrina amin-dry “zareo” atsy ho atsy ity fanontaniana azo leferina ity atsy ho atsy. Tsy hoe lasa mitarazoka ihany ity zavatra ity, fa sady mampidi-doza ihany koa. Eto ny tantara.
Araka ny efa nolazaiko tery aloha, efa nitranga taloha tao amin'ny Tafika Amerikana ny tranga toy izao. Efa leon'ny Fox News manondro amiko hoe iza avy no fahavaloko aho. Isaky ny mihetsika. Tsy ankijanona. Tsy azoko veroka mihitsy fa be loatra ilay  “ry zareo” eny rehetra eny!”
Maromaro izao ireo gazety mandinika ny hoe ahoana ny fiantraikan'ny fihetsik'i Major Hasan amin'ireo Silamo miasa amin'ny tafika Amerikana, sy ireo Silamo monina manodidina an'i Fort Hood.
Ity misy video notaterin'i euroamericannews tao amin'ny YouTube momba ny fomba fijeren'ireo Silamo monina any Fort Hood ireo zava-tranga.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Satria mbola mitohy ny fanadihadiana momba ilay vonoolona, mbola hitohy hibanjina an'ireo Silamo miasa ho an'ny tafika koa ny mason'ny rehetra.
Georgia: Mampitabataba orthodoksa
Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro, dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola  ratsy kokoa noho izany sady mampidi-doza ny manivaia azy ireny, araka ny taterin'ny This is Tbilisi Calling [miantso ity i Tbilisi].
The Georgian police are reported to have tracked down the thought criminals responsible for “indecent and insulting” satirical videos which targeted the head of the Orthodox Church and caused a nationwide scandal in this fervently religious country. A statement from the Interior Ministry identified the culprits as a school pupil and a student. […]
Notaterina fa nahasarona ireo mpanao heloka tompon'antoka tamina lahatsary  satirika[mampihomehy toa maneso] “tsy mahalala menatra sy manompa” ny lehiben'ny Fiangonana Orthodoksa ka nampitabataba nanerana ity firenena fatra-pivavaka ity ny polisy Georgiana. Ny fanambarana nataon'ny minisiteran'ny atitany no nahafantarana fa mpianatra madinika sy mpianatra any amin'ny anjerimanontolo ry zalahy ireo.[…]
Nasondrotr'i Evolutsia hivelatra kokoa ny adihevitra ka nosinganiny ny herin'ny Fiangonana sy ny fahalalahana hiteny. Tao amin'ny singan-dahatsoratra tao amin'ny vaovaon'ny bolongana vaovao mamoaka vaovao amin'ny teny anglisy i Inge Snip no nampaneno ny lakolosy fanairana.
One of the most fundamental freedoms is, I believe, the freedom of speech. Freedom of speech enables a country to show to every citizen that their opinion is allowed to be heard, no matter the content. In addition, a true democracy allows the mocking of important figures in society, and by doing so, it shows its maturity.
To conclude, there is no grounds for investigating this issue, nor should there be; however, the law enforcement agencies did the opposite, because there is some kind of popular demand. As a student of law, this is easily one of the most ridiculous grounds for any judicial investigation I have ever heard.
Araka ny fahafantarako azy, ny fototra lehibe iray manorina ny fahalalahana dia ny fahalalahana miteny. Avy amin'ny fahalalaham-pitenenana no ahafahan'ny firenena iray maneho amin'ny olom-pirenena tsirairay fa omena alalana hohenoina ny hevitr'izy ireo, tsy maninona izay votoatiny. Ankoatra izany ny tena demaokrasia dia mamela ny fanesoesoana ny tsongoin' olom- bolo eo amin'ny fiaraha-monina  handeha, fa avy amin'ny fanaovana izany no anehoany ny fahamatorany.
Raha fehezina dia tsy misy antony tokony hanaovana famotorana amin'ity raharaha ity, na tokony tsy hisy izany;  saingy ny mifanohitra amin'izany moa no ataon'ny mpampihatra ny lalàna, satria misy ny karazana fitakiam- bahoaka amin'izany. Amin'ny maha-mpianatra ny lalàna, dia ity no iray amin'ny famotorana ataon'ny fitsarana kidaladala indrindra henoko.
Onnik Krikorian
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambàra fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovy fihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
“Ny lalànan'i Jim Crow” izay nitaky ny fisarahan-toeran'ny Amerikana fotsy sy mainty dia foana tamin'ny 1965, ary ireo lalàna manohitra ny fifangaroan-karazana fihodirana izay nandrara ny fifanambadiana olona tsy mitovy fihodirana na ny firaisana ara-nofo dia foana nanerana ny firenen-drehetra nanomboka ny 1967.
Nefa mbola misy hatrany ny fanavakavaham-bolon-koditra. Na dia hoe tsy hita mitsikafona aza izy ireny matetika, misy kosa fotoana anandratany ny lohany mahatsiravina amin'ny fomba  tsy takona hafenina; nahatonga lohateny lehibe maro manerana an'i Etazonia ity tantara ity, niteraka lahatsoratra blaogy maro avy amin'ny fiaraha-monina ao an-toerana sy ivelany.
Ho valin'ny “fiarovan-tena” nataon'i Bardwell hoe mampivady olon-droa mainty foana izy, nampiseho ny hatezerany ilay blaogy manohitra ny fanavakavahan-bolon-koditra, Stuff White People Do, amin'ny fitenenana fa:
Hay, toa tsara fanahy tokoa ianao, Atoa mpitsara Bardwell. Ny fiarovanao tsy lazaina intsony.
Raha ny tranon'i Bardwell no resahina, izay mino aho fa feno vahoaka keli-na zazakely fotsy sy mainty miara-milalao dia tokony hiteny an'izao koa izy:
Manana namana mainty hoditra maro dia maro tokoa aho. Mankanyany an-tranoko ry zareo, Mampivady azy ireny aho, ampiasain'izy ireo ny trano fidiovako. Raisiko tahaka ny olon-drehetra ry zareo.
Hay moa, namana mainty hoditra koa, maro be. Hatrany amin'ny trano fidiovany!
Mpametraka hevitra iray ao amin'ilay blaogy Siditty (izay nanoratra ny lahatsorany manokana koa  ato), dia nikitika ny momba ny eson-tenin'ny hatezeran'i Bardwell:
Manontany tena foana aho hoe fa naninona ny lehilahy avy any Louisiana, izay manan-tantara goavana momba ny fifangaroana fihodirana (volon-koditra), na amin'ny alalan'ny rafitra fametrahana na amin'ny kolontsaina kiriolona (créole), no toa niditra tamin'ny fiahiana ny ankizy tampoka teo? Tsy niasa saina momba izany ry zareo tany amin'ny taona 1700 tany, tsy tokony koa izy ankehitriny.
Ny blaogy Racism Review dia nanohitra ny “fiasàn'i Bardwell saina momba ny taranaka” tamina porofo momba ireo zaza teraka avy amin'ny fiarahan'olona tsy mitovy fihodirana:
Ary, mba handalinana kokoa ilay porofo, tsy mijaly ireo zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana raha ampitahaina amin'ireo zaza hafa raha miaina anaty tontolo manaiky ny fahasamihafana sy ny zaza teraka tamina fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy ireo. Raha sendra fanavakavahana ireny zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana ireny (sy tsy fitoviana ara-drafitra hafa), dia mety hisedra adin-tsaina izy ireo, ary koa aretina mifandraika amin'izany adin-tsaina mitombo izany, toy ny fidorohana sy ny fibobohana. Izany no vokatry ny fanavakavahana, ary antony iray hafa tokony hanaovana izay hahafoana ny fanavakavahana.  Fa  tsy tokony ho antony – raha atsimbadika ny lojika – hanamafisana ny fanavakavahana izany.
Ary Black Girl in Maine koa dia niresaka  tsara momba ilay fanontaniana  “ahoana ny momba ireo zaza?”, ka nilaza ny zava-niainan'ny zanakalahiny izay metisy:
Ary ho an'ireo ankizy, ahoana ny momba azy ireo? Eny, indraindray ireo ankizy metisy dia ampijalian'ny hafa nefa tsy matetika izany, ary izaho aza mieritreritra fa amin'ny tanora ankehitriny dia efa saika mahafinaritra izany hoe metisy izany. Araka ny nolazain'ny namako ahy dia tsy mijaly noho ny tsy fananany namana lahy na vavy,  ny zanako lahy. Amiko, ny fotoana mety hananan'ireo zaza metisy olana goavana dia rehefa tsy misy na iza na mba  hiresahany momba izay razambeny. Amiko rehefa mifandray amin'ny razambeny sy ny foko ara-tantara ireo ankizy dia mamorona toeram-piadanana ho azy ireo izany.
Any Etazonia, misy lalàna maro manohitra ny maha-metisy any amin'ireo firenena maro, mandràra ny fanambadiana eo amina Amerikana fotsy hoditra sy Amerikana mainty hoditra (ary Amerikana avy amina fihodirana hafa).  Raha tany amin'ireo firenen-kafa kosa, nofoanana nanomboka tamin'ny taona 1780 ireny lalàna ireny, tany amina firenena enina ambin'ny folo tsy nofoanana ireo lalàna ireo raha tsy taorian'ilay tranga Loving vs. Virginia tamin'ny 1967, izay nisamborana tany am-pandriana mpivady tsy mitovy fihodirana, nivady tany Washington, D.C..  Tonga hatrany amin'ny Fitsaràna Avon'ny Etazonia ny ady ara-dalànan'izy ireo, ary nofoanana tamin'izay ireo lalàna.
Mpitoraka blaogy maromaro no niresaka momba ny endrika araka ny lalànan'ity raharaha ity. Misy mpitoraka blaogy iray, Jay Says, manoratra:
Amin'ny maha-Mpitsara misahana ny fandriampahalemana azy, tokony hahafantatra izy fa tsy voarara intsony ny fanambadiana tsy mitovy fihodirana – nambara ho tsy araka ny lalampanorenana, 40 taona lasa izay. Ity ohatra miavaka ity dia nipoitra taorian'ny Diabem-pirenena  ho an'ny Fitovian-jo tamin'ity herinandro ity, ka nanadihadiako fohy mpifankatia tsotra tsy mitovy fihodirana, ry Newmans (horonantsary) ny momba ny antony anaovan'izy ireo izany diabe izany.
Ny fanavakavahana volon-koditra, sokajy, lahy na vavy, fankahalana vahiny, tsy fandeferana ara-pinoana sy ny sisa dia afaka ary misy eo amin'ny fiaraha-monintsika, nefa tsy tokony hisy izy ireny ho arovan' ny  lalàna. Mahasosotra ny famelàna mpiasan'ny governemanta mikarama amin'ny hetran'ny “olona afak'i”  Etazonia (na amin'ity tranga iray ity, firenena iray any Etazonia) hampiasa ny faharesendahatra azy manokana mba hanapahana ny momba ireo olana izay tantanin'ny lalàna sivily. Raha tsy manaiky ny fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy dia tokony hitady asa vaovao – mety hoe Lehiben'ny  Ku Klux Klan ohatra?
Farany, nisy mpitoraka blaogy iray nanaraotra ka namadika ity trangan-javatra iray ity ho fotoana hakàna lesona. Ilay mpitoraka blaogy, manoratra ilay blaogy Inona no mba haiko? [What Do I Know?], dia nangataka ireo mpamaky mba hieritreritra ny fihetseham-pony tsirairay avy momba ity resaka ity:
Raha manahy ianao fa mbola velona anatintsika rehetra ny fanavakavaham-bolon-koditra, eritrereto ny tenanao mivady amin'ny olona iray tsy mitovy fihodirana aminao, indrindra raha fotsy hoditra ianao dia mainty hoditra ilay olona. Eny e, tsy haninona izany ho an'ny olon-kafa, nefa tsy hahita antony tsara sy mitombina ve ianao hoe mety hanasarotra lavitra ny fiainany ny zanakao vavy rehefa hitondra ny fofombadiny mainty hoditra ho any an-trano izy? Aza mihatsara velatsihy e. Na dia miteny aza ianao hoe “Ts'isy olana” tsy ho nisalasala na dia kely fotsiny aza ve ianao? Raha tsia dia olona tsy dia fahita loatra ianao.
Amin'izao Bardwell miteny izao fa tsy hiova hevitra izy ny momba an'io, zavatra iray no tena azo antoka: tsy maintsy ho maro ny vaovao ho avy.
Nepal: Mankany amin'ny fankalazàna ny Dashain tsy misy fanaovana sorona ireo biby
Ny fety be ara-pinoana manan-danja indrindra any Nepal, Dashain dia hifarana amin'ity taona ity ny Sabotsy 3 Oktobra. Ity andro ity dia natokana ho an'ny Andriamani-bavy Hindu izay Andriamanitry ny fahasalamana sy fahombiazana, izay antsoina ihany koa hoe Kojagrat Purnima. Manamarika ny fiafaran'ny dimy ambinifolo andron'ny fety fankalazana izy ity.
Hindupad, blaogy momba ny Hindoisma, dia manazava ny momba ireo andro samihafa amin'ny Dashain:
“Tamin'ny andro voalohan'ny Dashain, nodinihana manokana ny Ghatasthapana puja ary ny Dashain Ghar, na noravahana ny efitra voatokana hivavahana. Nandritra ny Dashain, i Saptamatrikas (Reny masina 7), Ashtamatrikas (Andriamani-bavy Tantrika  ary Andriamani-bavy Nava Durga (ireo endrika 9 hanehoana ny Durga) no nasandratra. Aparitaka eny amin'ireo tavy vita avy amin'ny tany (ghata) ny “orge” sy ny vary ary ao aorian'ny folo andro dia mitsimoka ireo voa. Manamarika taon-jina izany. Ireo teratany Nepaley tsy mipetraka any an-tanindrazany dia miverina any daholo mba hankalaza ny Dashain.”
Nandritra ny andro dimy farany tamin'ny fety be, dia nahazo tsimoka antsoina hoe jamara avy any amin'ireo zokiolona ny mponina ho toy  fitahiana avy amin'ny Andriamanitra vavy Durga miaraka amin'ny tika (vary afangaro amin'ny vermillon vovony sy yaourt [habobo]).
Jamara nambolena ho an'ny Dashain, sary avy amin'ny Bhumika Ghimire
Niraina ny hiram-pivavahana Sanskrit tamin'ny fotoana nanoloran'ireo zoky olona ny  jamara sy tika. Ireo lehilahy nihira ny “‘Aayu Drona Sute” ary ireo vehivavy kosa dia ny  “Jayanti mangala kali” .
Nepaleselaw manazava ny dikan'ny andàlana voalohany amin'ny “Aaayn Drona Sute”:
“Ny dikan'ny ‘Aayu Drona Sute’ amin'izao fotoana dia hoe Mba ho ela velona toy ny Zanakalahin'i Drona anie ianao. Ny zanak'i Drona dia antsoina hoe Asosthama, izay lazaina ho iray avy amin'ireo Aastha Chiranjivi (Aastha Chiranjivi dia ireo olona valo velona mandrakizay amin'ny finoana Hindu ). Noho izany, rehefa misto-drano ireo zanany ny raiamandreny hoe ‘Aayu Drona Sute’, dia midika hoe ataovy ho ela andro iainana ohatran'i Asosthama ny zanako………midika izany fa tsy ho faty mandrakizay ianao”
Ity hira ity koa dia mirary fahombiazana, famotehana ireo fahavalo ary fandresena. Esty andaniny, ny Jayanti mangala kali dia vavaka atao amin'ny Andriamanitra vavy fa  misy hàtaka mihitsy na iray aza .
Ho an'ny diaspora avy any Nepal, ny Dashian dia fotoana manokana manindrona ny fo. Lavitry ny akany niaviany, ny fianakaviany sy ny namany, dia miezaka izy ireo manao fety fankalazana miaraka. Ity fety ity dia manome azy ireo fahafahana mifankahita amin'ny teratany  Nepaley hafa, mamisavisa ny an'ny an-tanàna sy miara-miravoravo.
Bhumika, taorian'ny nandraisany ny tika sy jamara
RangeenChara, blaogin'ny diaspora Nepaley, mitantara ny fankalazàna ny Dashain tany ivelan'i Nepal. Ny Dashain koa dia fety be izay manana ny “gadon-kirany” manokana. Ny gadon-kira Malshri dia natao nandritra ny fankalazàna, izay raisina ho mitory hoavy tsara.
Ity ny mpanakanto Nepaley  Sur-Sudha izay mikalo ny Malshri.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/ehJ_CKhOZH8&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/ehJ_CKhOZH8&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Tamin'ity taona ity dia nisy tsy fifankahazoana kely tamin'ny Dashain tany Nepal, noho ireo mpiaro ny zon'ny biby niantso fampitsaharana ny fanaovana  sorona ny biby mandritra ny fankalazana. Ireo osy, ondry, omby ary ireo akoho dia atao sorona ara-pomba ary omena ny Andriamanitra vavy.
AnimalRightsNepal miantso amin'ny fanaovana ny fetin'ny Dashain mifanaraka kokoa amin'ny maha-olona :
“Ireo bokin'ny finona Hindoisma dia miresaka ny fiarovana ity planeta ity sy ireo miaina rehetra eto mba  hananana tontolo tsara, noho izany ajanony ny famonona sy fanaovana sorona ireo biby amin'ny anaran'Andriamanitra. Ankalazao lavitry ny rà sy ny hena ny Dashain. Vonjeo ny biby, vonjeo ny tontolo iainana.”
Vondron'olona maro, ao anatin'izay ireo mpikatsaka  Nepal mandry fahalemana, dia nivondrona mba handràra ny fanaovana sorona ireo biby ao amin'ny firenena. Hatramin'izao aloha, mahavelom-panantenana ny fihetsiky ny olona nefa  hatramin'izao aloha dia tsy  mbola nahitàna fnambaràna ofisialy momba ity resaka ity.
Na eo aza ireo tsy fanekena, ireo fandresen-dahatra  ara-pinona maro  na koa ny fahasarotana ara-politika sy ekonomika any Nepal, ny Dashain dia ankalazaina ohatran'ny fotoana mampiravoravo ary mitoetra hatrany ho fety be mampifandray ny olona.
Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana
Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary
Ny minisitry ny Atitany  Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny famoahana sariitatr'ilay Printsy vao nanambady, Moulay Ismail.  Tao amina fanambarana ofisialy, no namaritan'ilay minisitra ilay sariitatra ho “manimbazimba ny fianakavian'ny mpanjaka”.  Voatondro ihany koa ny fampiasana manokana ny Kintan'i Davida tao amin'ilay kisarisary, ary “mampanontany tena ihany koa ny tanjona tian'ny namoaka ny sary aseho izay mivandravandra fa mampirona any amin'ny fanavakavahana ny Jiosy sy ny ‘jodaisma'.”
Ilay mpitoraka blaogy Analitikis dia mieritreritra fa very ny kivazivazy fanaon'i Maraoka, nefa manontany tena momba ilay mpanao gazety izay nilaza fa ilay kintana dimy tendro eo amin'ny sainam-pirenena Maraoka no tiany naseho tamin'iny, amin'ny fitenenana fa:
Mazava loatra fa fotoana fanararaotran'ny Minisitry ny atitany mba handrarana famoahana ny iray amin'ireo gazety tsy miankina vitsy dia vitsy eo amin'ny firenena…Raha manohana ny falalahan'ny mpanao gazety maneho hevitra aho dia manontany tena momba ny kabariny vao haingana izay nanambarany fa nafangaro tamin'ny Kintan'i Davida ilay kintana raha ilay Maraokana efa mahazatra izy ity. Noho izany dia nanapa-kevitra aho ny hampiasa ny fahaizana kely ananako amin'ny fikirakirana Photoshop mba hitsapana ny fahamarinan'ny teniny… Ianao no mitsara
Avy eo dia niezaka ny tendro dimin'ny kintana izy saingy tsy nahatafavoaka mihitsy…
Mampiseho ireo tena tendron'ilay kintana ilay mpitoraka blaogy Analitikis
…ary namintina hoe: “Manontany tena aho raha misy idiran'ny fiaviana Alemana avy amin'ny vadin'ny Printsy ity tantara ity…”
Mandinika ny toe-javatra ilay mpitoraka ny blaogy A Moroccan About the World Around Him , amin'ny filazany fa:
Mampanahy be ihany ny governemanta Maraokana ireo gazety tsy miankina, satria miresaka lohahevitra fady izy ireo. Ny fanenjehana ara-pitsarana sy ara-pôlitika mahazo ny mpanao gazety sy mpanakanto tsy miankina, mbamin'ireo gazety sy gazetiboky iasan-dry zareo dia mifanohitra amin'ny filazany ho mampiroborobo fa misolo vava sy miaro ny falalahan'ny fanaovan-gazety izany. Nanamarika ny mpitazana fa ny governemanta no mahazo tombontsoa amin'izao fanenjehana olona izao, ary mikiky tsikelikely ihany koa ny gazety tsy miankina.
Rehefa fantatra ny antony nampisara-dia an'i Bouachrine sy i Nini tao amin'ny Al Masae, dia nataon'ity farany ho fanalan'andro fotsiny ny iray.
Nanazava tamin'ny antsipiriany tamin'ity toe-draharaha ihany koa i Entre Nous Marocains, ka ahitana horonantsary roa ao amin'izany lahasorany izany.  Namintina ilay mpitoraka blaogy:
Durant deux mois, la censure de Telquel, Nichane, Le Monde et les interrogatoires de plusieurs journalistes (Al Ayam, Al Michaal, Al Jarida Al Oula) mais le meilleur pour la fin, la fin d’une époque de censure et d’interrogatoires, et le début d’une époque de saisie de biens. La caricature n’a pas suscitée tout l’intérêt qu’elle suscitera dans les prochains jours. Est-ce que par cette saisie, le ministère empêchera la publication de caricatures, articles sur le Roi ou sur les princes et princesses ?! Ni les censures, ni les interdictions, ni les gros montants de dommages et intérêts n’ont empêchés la publication de tels articles ! Il faut bien penser à une solution qui arrange LES DEUX PARTIES, pas seulement UNE ou AUCUNE comme le cas d’Akhbar Al Youm.
Nandritra ny roa volana, [no nanjaka] ny sivana natao tamin'ny Telquel, Nichane, Le Monde, sy ny fanadihadiana mpanao gazety maromaro (Al Ayam, Al Mishaal Al Jarida Al Oula), fa mbola ho avy ny tena katraka: mifarana ny vanim-potoanan'ny sivana sy ny fanadihadiana fa manomboka kosa ny vanim-potoan'ny fandraofam-pananana. Mbola tsy nanaitra ny olona tahaka tahaka izay hanairany azy aoriana kely ilay kisarisary aloha. Fa angaha hampihemotra famoahan'ny olona sariritatra sy lahatsoratra  momba ny mpanjaka sy ny zanany ny fandraofana ataon'ny minisitera? Tsy manakana ny fivoahan'ireny lahatsoratra ireny na sivana na fandraràna na fandoavana onitra vola be! Tsy maintsy tadiavina ny vahaolana mety  AMIN'NY ROA TONTA, fa tsy ny IRAY fotsiny na TSY MISY mahazo tombontsoa tahaka ny tamin'i Akhbar Al Youm.
Etazonia: Hajian'ny Idy miteraka fankahalana any Tennessee
Andian'ilay hajia taona 2008 ,  nialoha ny fiakaran'ny vidim- piainana
Raha eo am-pankalazana ny Idy al-Fitr, manamarika ny fiafaran'ny volana Ramadany, indrindra ny Miozolomana any Etazonia, dia mivezivezy haingana dia haingana any ny rojon'imailaka feno fanaratsiana.  Miampanga lainga ny filoha Obama ho mamoaka hajia vaovao fahatsiarovana ny Idy roa sosona ilay imailaka ary mandrisika ny mpamaky azy hanao ankivy ilay hajia, noho ny fanafihan'ny mpampihorohoro tamin'i Etazonia nandritra ny roapolo taona.  Hitanao ao amin'ny lahatsoratr'i Missives from Marx, izay nilazany ny fahasorenany rahateo, ny lahatsoratra feno fanaratsiana iray manontolo:
Nahazo ity mailaka manaraka ity avy tamin'ny havako aho. Noho itony zavatra itony indrindra no mahatery ahy handany efatra herinandro any amin'ny Anjerimanontolo, mandritra ny taranja fivavahana tandrefana no hanapotehana ny fampahafantarana ratsy momba ny Islam. Tsy maintsy atao zava-dehibe mandritra ny fampianarako manontolo ny fananana saina mahay mamakafaka.
Rehefa jerena ihany koa dia tsy misy zava-baovao loatra mikasika ilay taratasy, na ilay hajia.  Azavain'ny About.com fa efa nivezivezy teny hatrany ity taratasy ity hatramin'ny taona 2002 raha kely indrindra, nefa efa tamin'ny 1 Septambra 2001 no nivoahan'io hajia io.
Velabelarin'i Aziz Poonwalla ao amin'ny bolongan'ny BeliefNet City of Brass, ny tantaran'ity imailaka ity:
Tratra hatrany taloha ny (laingan)'itony imailaka, nivezivezy an-tserasera nandritra ny taona maro itony, nefa dia mbola indro eo ihany ry zareo. Efa nazoto namaham-bolongana ny momba ny tantaran'ny hajian'ny Idy, ny adi-hevitra naterany teo am-pivoahany voalohany (matetika ny Repoblikana mpitazona nentim-pahazarana no tia hiady hevitra azy ity), ary ny fiarovan-tena nataon'ny filoha Bush sy ny Mpitondra teny Hastert aho. Raha fehezina, tamin'ny 1 Septambra 2001, folo andro mialoha ny fanafihan'ny 9-11 no nivoahan'ny hajia, nandritra ny fitondran'i Bush. Tafiditra ao amin'ny lisitry ny manao politika mpandala ny nentim-pahazarana tsy manakana ny isian'ny hajia ho fahatsiarovana (na fankalazana) ny Hanukkah, Kwanzaa, eny fa na dia ny teh taombaovaon'ny  Shinoa aza ny Ben'ny tanàna Piper - fa manavaka ny hajian'ny fankalazana ny fety miozolomana Idy kosa ho mampatahotra, ka mila valinteny avy amin'ny “tia tanindrazana” Amerikana?
Lahatsoratra iray hita ao amin'ny Clarksville Online, bolongana ho an'ny tanànan'i Clarksville, Tennessee, no ahitana ny mahatonga ny imailaka hivoaka lohateny lehibe amin'ny gazety tamin'ity taona ity:
Nandefa imailaka mirehidrehitra mamely ny miozolomana ho an'ny mpiasa ao amin'ny tanàna, sy mandrisika ny hanaovana ankivy ny hajia avoakan'ny paositr'i Etazonia ny Ben'ny tanànan'i Clarksville Tennessee, Johnny Piper…
…Niezaka ny nanamari-tena amin'izay ataony ny Ben'ny tanàna Piper hatramin'io fotoana io, saingy tsy fiaro velively ny heviny. Efa singa anatin'ity firenena ity ny Miozolomana. Nanompo amim-pahamendrehana ny firenentsika sy ny fahafahantsika izy ireny. Tsy misy sokajin'olona azo atao ho ambinambin'olom-pirenena, noho ny finoany, na noho ny hadalan'ny extremista sasantsasany. Miteraka henatra ho an'ny tananantsika, ny fanjakantsika ary ny firenentsika ity nataon'ny Ben'ny tananantsika ity.
Nozohin'i Sheila Musaji tao amin'ny The American Muslim (TAM) ny fihodin'ilay rojon'imailaka hatramin'ny 2005 no mankaty, ary tamin'ny fanakotrihana nataony, no nanamarihany ny fihetsika mihoam-pampana  nataon'ny Ben'ny tanàna Piper:
Hitako tsara hoe hanakory ny hagagan'ny Ben'ny tanàna raha mahalala ny nanaovan'ny filoha Obama Iftar (fanapahana fifadian-kanina) tao amin'ny Trano Fotsy(fr: Natomboky ny filoha Clinton).
Ary mazava loatra fa ho fiarovan-tenany tahaka ny mpivavaka tery saina rehetra dia hoe:  “Manana namana miozolomana ihany koa aho,” hoy ny fanampi-teniny.”
Angamba afaka manazava azy tsara hoe nahoana no manohintohina ITY (PDF).
Jillian C. York
Aceh, Indonezia: Hovonoina amin'ny tora-bato ireo mpijangajanga
Vaovao ratsy ho an'ireo manambady nefa  mijangajanga : ny Antenimieran'ny Tanàna ao Aceh  dia namoaka lalàna fanamelohana ho faty ho an'ireo manambady nefa  mijangajanga. Hovonoina amin'ny alalan'ny tora-bato ireo meloka.
Vaovao ratsy koa ho an'ireo tokan-tena mpijangajanga  sy ireo manambady ny mitovy aminy [homosexuals]: ny lalàna vaovaon'i Aceh koa dia manomana vely kobay in-jato ary fandoavana onitra volamena 100 grama ho an'ireo mpandika io lalàna io.
Aceh dia faritra iray mahaleotena ao Indonezia izay mampihatra ny lalànan'ny Sharia. Indonezia no firenena silamo be mponina indrindra eran-tany.
Mandinika ilay lalàna vaovao mahabe adihevitra ny The RAB Experience ary mitanisa ireo andininy azo ampiharina avy aminy:
Ny tora-bato no sazy ho an'ireo minia mijangajanga. Na izany aza, tsy mihatra afa-tsy amin'ireo efa manambady ary minia manao ity heloka ity. Ho an'ireo izay tsy manambady, tonga hatramin'ny vely hazo in-jato ny sazy. Iray amin'ireo endrika porofo ekena amin'ny fijangajangana ny fianianana ataon'ilay voaheloka fa hoe raha mandainga izy dia ho voaozona amin'ity fiainana ity sy any an-koatra.
Ny somary mampihomehy, tsy hoe akory ny momba ity Qanun (Lalànam-paritra) ity no misy mampihomehy , dia ny vehivavy mitondra vohoka azo ivelan'ny fanambadiana dia tsy ho azo melohina ho nijangajanga raha tsy ananana porofo ampy momba izany helony izany.
Mihatra amin'ny fanolanana koa ny Qanun. Tafiditra amin'izany na ny firaisana ara-nofo any amin'ny vody na ny any am-bava. Na izany aza, somary manelingelina ihany ny fanoritana hoe tsy misy ny fanolanana eo amin'ny mpivady.
Ny endrika iray hafa mahaliana amin'ity Qanun ity dia ny fandoavana ny lamady amin'ny grama-na volamena tsy mifangaro. Ohatra, raha tratra nanao Liwath [firaisana ara-nofo amin'ny vody]na Musahaqah [vehivavy miray amina vehivavy]ianao, ny sazy dia vely hazo in-jato sy volamena tsy mifangaro 1000 grama na 100 volana am-ponja.
binsar pakpahan dia mino fa tsy mifandraika amin'i Indonezia io lalàna “tsy misy fotony” io:
Hitako ho manelingelina be io vaovao io. Amiko, ity fampiharana lalàna miavaka ity dia tafiditra amina stratejia pôlitikan'ny olona izay te-hiavaka noho ity toerana fanaovan-dalàna ity mba halaza bebe kokoa ho fitsinjovana ny hoaviny ao amin'ny antoko politika misy azy manokana. Lasa tantara ratsy ho an'ny ankamaroan'ny silamo tony fihetsika any Indonezia koa izy ity. Fantatro fa maro amin'ireo namako silamo , raha tsy izy rehetra, no hahita ity lalàna ity ho lalàna vendrana, tsy misy fotony, misy ambadika ratsy, ary tsy mety mihitsy ho an'i Indonezia .
Fanehoan-kevitra tamin'ny Twitter avy any Jakarta, Indonezia:
tobybudiartono: Ts mbol radem alou  a  no  hande an Aceh!
tommysiahaan: Fa manin tsik no miemtr??
dHeeLicious: Amiko dia mifanipaka amin'ny zon'olombelona io
ohhvi: tora-bato sy vely kobain'i Aceh: Raha tsy diso aho dia ao amin'ny testamenta taloha-ko ihany no misy an'io. Lety e, fa 2009 sa 2000 taona  alohan'i Jesosy Kristy ve no misy ahy izany e?
yogibeau: BOOOOO! miniana amin'Andriamanitra aho fa tsy ho any mandrak'izay
erdina: Dia lasa mampatahotra hatrany ny toe-javatra any Aceh
erdina: Mihivingivina mihitsy ny lohako ary tsy mino  isaky ny mamaky momba ny fampandaniana ity lalànan'ny tora-bato any Aceh ity. Ahoana no hamelantsika ny hitrangan'izany?
Ireo vondrona mpiaro ny zo koa dia nitsikera ilay lalàna vaovao ho “loza be sy mampitotongana ny maha-olona.”
Palestina: Ny fiatrehana ny Ramadany any Gaza
Manoratra momba ny fiatrehan'ireo olona ity Ramadany ity ireo mpitoraka blaogy any Gaza, ary manazava ny antony  mahatonga ireo fomban-drazana sasany mbola voakajy.
Manoratra i Lina Al Sharif, mpitoraka blaogy ao amin'ny 360 km2 of Chaos :
Ny Ramadany aty  Gaza dia tsy mitovy amin'ny any an-kafa. Ny fiaretan'ireo mponina dia tena henjana izay ny sasany amin'izy ireo dia ny rano fotsiny no sotroiny amin'ny Iftar [amin'ny teny anglisy - sakafo hariva raisina ny hariva], satria mahantra loatra  ka tsy afaka mividy sakafo izy ireo. Ny hafa  indray dia  mandray io sakafo io any  anatin'ny tranolay ao an-toby natao ho an'ireo mpitsoa-ponenana rava trano noho ny ady.
Afarana avy any Egypta ny sakafo; Ny olana anefa, dia lafo mihoatra an'izay azon'ny fianakaviana antonony eritreretina ho voavidy. Saika ny vidin'ireo rehetra ireo dia niakatra roa avo heny noho ny fahirano.
Misy ihany, na izany aza, ireo zavatra izay mahafaly. Lina sy ny namany Bodour Abu-Kuwaik dia nanambatra miaraka ity seho momba ny   Ramadany tany Gaza ity:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/advhxEkcN6w&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/advhxEkcN6w&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ayman Quader mamangy ny namany noho ny iftar:
Voaasa hiara-mandray ny sakafo marainan'ny Ramadany any an-tranon'ny namako Jumaa aho androany. Mipetraka any Al Maghazi tobin'ireo mpitsoa-ponenana  izy, izay misy ireo olona nizaka mafy ny fiatraikan'ny ady tamin'ny tranony sy ny lalambe. Tsotra be, maro amin'ireo mponina ao Gaza no efa mpitsoa-ponenana ary nandritra iny ady iny dia voatery nandao indray ny tranony sy ny fonenany. Nangataka tamin'ilay namako aho mba ho entiny mitsidika ireo lalan-kely mankany amin'ny toby, noho ny faniriako ny hifandray akaiky amin'ireo olona izay monina ao ankehitriny. Araka izany, tsapako hoe hatraiza ny  tena  fangirifirian'ireo mponina ao amin'io tobin'ireo mpitsoa-ponenana io. Ao afovoan'ny tobin'i  Al Maghazi dia mbola misy trano lehibe iray rava – izay tsy afaka odian'ireo mponina ao amin'ny toby tsy ho hita. Nahita ankizy nilalao teo amin'ity trano rava ity aho ary dia nampalahelo ahy izany. Nefa IZY IREO toy ny tsy malahelo fa dia vao maika aza toa ravoravo.
Ny Paltoday News Network [amin'ny teny anglisy] dia namoaka lahatsoratra vao haingana mikasika ireo lehilahy tsy an'asa any Gaza ka manao asa an-tselika ohatran'ny musaheratis, izay mamoha ny olona vao mangiran-dratsy ho amin'ny sakafo, suhoor. Ao amin'ny blaoginy  In Gaza, ny kanadianina Eva Bartlett manorata:
Rehefa mandehandeha amin'ny 2 maraina izahay, dia mahita ireo Musaher-n'ny Ramadany: ireo lehilahy izay mamoha ireo Silamo amin'ny fisakafoanana vao mangiran-dratsy sy ny fivavahana  (Suhoor).
Fomban-drazana amin'ny Ramadany ho an'ireo Silamo manerana izao tontolo izao sy mbola miaina amin'izao fotoana izy ity.
Any amin'ireo làlana izay saika tsy misy mpandeha any Gaza, izay tsy dia nisy firavoravoana sy fankalazana ireo Ramadany tamin'ireny taona vitsy lasa ireny, dia toa akom-panantenana ity  feo ity…mba haharitra ny kolontsaina sy ny fomban-drazana, na dia ao anatin'ny vanim-potoana sy toe-javatra faran'izay ratsy aza.
Ho an'ny sasany,  ity volana ity sy  ny asa fivelesana amponga dia loharanom-bola izay tsy dia fahita firy any Gaza izay miaina anaty fahirano tanteraka.
Ity misy ampahantsary video kely nalain'i Eva:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/3kG6qULuB3o&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/3kG6qULuB3o&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ejipta: Manana televiziona roa ny fiangonana kôpta
Rehefa nandamoka hatrany nandritra ny 15 taona ny andrana hametraka  televiziona iray ho an'ny finoana Kôpta (kristiana ôrtôdôksa) dia nody ventiny izany ankehitriny fa nisy televiziona roa nahazo alalana ary misy efatra ihany koa eo am-panandramana.
Nanandratra ny Aghapy TV - avy amin'ny teny kôpta hoe “fitiavana” -  ho fantson-tsary miompana amin'ny fijery kristiana voalohany indrindra any Ejipta ny The Free Copts Blog  tamin'ny 2005.
Efa ela ihany no nikarakarana azy fa dia nandefa fandaharana  vaovao  tamin'ny talata teo ho an'ny mpijery any Etazonia ny televiziona kôpta voalohany indrindra, ny Aghapy TV. Teo ambany fiahian'ny Papa Shenouda III, dia mikendry ny hampiely ny fampianaran'ny fiangonana kôpta amin'ny alalan'ny litorjia, fandinihana ny baiboly, fandaharana natokana ho an'ny ankizy sy ny zavatra maro hafa ho an'ny fianakaviana kôpta manerantany ity orinasan-tserasera miorina ao Heliopolis  ity. “Eo ambany fiahian'ny Papa Shenuda III tenany mihitsy ity televiziona ity, izay nanendry mpitondra fivavahana 13 ho komity mpitantana” hoy ny filazan'ny tale jeneralin'i Aghapy ny mompera Bishoy al-Antony. Nolazainy moa fa miainga avy eo  amin'ny trano fitokana-monina iray avaratra atsinanan'i Le Caire ny fampielezan-tsary.
Nilaza i Khawater fa eo ampela-tanana ihany (Septambra 2009) ny fahazoan-dalana hampiely ny sary sy feo
وكانت الحكومة المصرية رفضت مؤخرا منح قناة ‘أزهري'، التي أطلقها الداعية الإسلامي الشيخ خالد الجندي، حق البث على القمر الصناعي المصري الـ'نايل سات'.وبدأ بث قناة ‘أزهري' في اواخر آب (اغسطس) من خارج مصر، لكنها متاحة على قمر نايل سات.وقال الجندي اوائل آب (اغسطس) الماضي ‘الحكومة أبلغتنا بأنها قد أخذت قرارا بعدم إصدار أي تصاريح لقنوات دينية تبث من على الأراضي المصرية'.وأشار إلى أن الدولة أخذت هذا القرار مؤخرا لأن الإخوة المسيحيين كانوا يريدون إنشاء قناة خاصة بهم تبث من مصر، وعندما رفضت الدولة قالوا لماذا هناك قنوات دينية للمسلمين في مصر وليست هناك قنوات مسيحية للمسيحيين، فأصدرت قرارا بأنه لن تصدر قناة دينية من مصر سواء كانت إسلامية أو مسيحية. وقناة ‘أغابي' هي أول قناة أرثوذكسية قبطية بدأ بثها رسميا في تشرين الثاني (نوفمبر) عام 2005. وتبث على القمر الصناعي الامريكي بسبب رفض الحكومة المصرية في السابق لعرض أي قناة مسيحية على النايل سات
Nolavin'ny governemanta Ejipsiana ny fangatahan'ny Sheikh Khaled El Guindy hampiely ny sary sy feon'ny televiziona vaovao AZHARI ao amin'ny NileSat nanomboka niasa tamin'ny faran'ny volana Aogositra 09 izay miainga avy any ivelan'i Ejipta saingy vonona kosa ao amin'ny NileSat. Nolazain'ny Sheikh Khaled El Guindy moa fa lavin'ny governemanta avokoa ny fangatahana fahazoan-dalana avy amin'ny fampielezantsary sy feo mifandraika amin'ny fivavahana rehetra. Notsongain'i El Guindy avy amin'izany moa ny tena fanapahan-kevitry ny fitondrana fa tsy nahazo alalana hanana fantsona manokana ny kristiana ka ny iray amin'ny fanontaniany dia nanao hoe: Nahoana no maro ny fantsona ho an'ny Silamo eto? Hatramin'ny Novambra 2005 ny Aghapy no niely tamin'ny alalan'ny zanabolana Amerikana.
Nanindrahindra ny televiziona faharoa indray ny Arab Church Forum (Diniky ny Fiangonana Arabo)
الحكومة وافقت على بث القناة الثانية التابعة للكنيسة “سى.تى.فى” التى يمتلكها رجل الأعمال المصرى ثروت باسيلى، وتم البدء فى بث برامج القناة على القمر الصناعى “نايل سات” على التردد 11355- 27500 “عموديا”، إلى جانب القمر الصناعى الأمريكى، وتم التعاقد مع القمر الصناعى والشركة المصرية على البث من بداية سبتمبر الحالى. وبذلك تكون المرة الثانية خلال أسبوع واحد يتم فيها بث قناة مسيحية على النايل السات، بعد أزمة استمرت لأكثر من عدة سنوات لبث القنوات المسيحية على النايل سات. وتستعد 4 قنوات أخرى مسيحية، على رأسها قناة الحياة وسات 7 والمعجزة البث على النايل سات خلال الأسابيع القادمة.
Neken'ny governemanta ny  CTV - fantsona faharoan'ny Fiangonana ôrthôdôksa Kôpta izay an'ny mpandraharaha Ejipsiana malaza Tharwat Bassily. Nanomboka niely tao amin'ny NileSat (maridrefy 27500 - 11355 mijadona) mifanila amin'ny zanabolana Amerikana ny CTV ny fiandohan'ny volana septambra. Taorian'ny Krizy izay naharitra an-taonany niadian-kevitra momba ny fantson'ny (maridrefy) Kôpta ao amin'ny NileSat, dia nahazo alalana tao anatin'ny herinandro ny roa. Mbola misy efatra ihany koa eo am-panandramana; Al Hayah, Sat 7, Miracle.
Bikya Masr kosa mamaham-bolongana ny momba ny antso hampiraisana (fiaraha-miasa) ny televiziona mifandraika amin'ny fivavahana ao Ejipta:
Efa tafiditra ao anatin'ny andavanandron'ny fiaraha-monina Ejipsiana ny televiziona miompana amin'ny fivavahana, saingy mampisy fanantenana hamarana ny fifandonan-kevitra ara-pivavahana kosa ny ezak'ilay mpahay lalàna mampiady hevitra Naguib Gorbail, filohan'ny federasionan'ny mpiaro ny zon'olombelona ejipsiana. Nolazainy ary tamin'ny herinandro  lasa teo fa hitondra ny soso-keviny any amin'ny Al-Azhar’s Grand Sheikh Sayyed Tantawi sy ny Papa Kôpta Shonouda izy mba hisian'ny televiziona iraisana.
Nolazainy fa ny tanjon'ny televiziona dia “ny handefasana fanambarana miaraka ho an'ny Silamo sy ny Kôpta amin'izao ankatoky faran'ny volana Ramadany izao.” … Nohazavainy ihany koa fa ny antony hafa manetsika azy hanao izao tolo-kevitra izao dia ny hanairana ny fisian'ny televiziona hita avy amin'ny zanabolana miantso ho amin'ny extremisme ara-pivavahana sy hamerana ny fandaharana ho amina fivavahana iray, na Islam na Kristiana  “fa samy manaratsy ny fivavahana hafa avokoa na ny an'ny Islam na ny an'ny Kristiana ao amin'ireo televiziona ireo.”
Marwa Rakha
Ejipta: Ny fitiavam-pisehosehoan'i Naglaa El Emam
Ny nahitana an'i Naglaa El Emam, mpisolovava sady filohan'ny fikambanana  mpiaro ny zon'olombelona, voalohany tamin'ny televiziona dia tamin'ny nilazany fa mpisolovava an'i Noha Roshdy izy raha voaheloka higadra telo taona, asa an-terivozona, onitra 5 001 vola Ejipsiana amin'i Noha Roshdy Saleh noho ny fikitikitihana azy an-dalambe ilay mpanorisory mitady firaisana ara-nofo Sherif Gommaa.
Io Naglaa El Emam io ihany no nanapa-kevitra hampakatra fitsarana ambony hiaro an'i Sherif Gommaa indray rehefa fantatry ramatoa indray fa teraka tany Jaffa sady mitondra ny pasipaoro Isiraeliana i Noha Roshdy.
Ary mbola niresaka azy Naglaa El Emam ihany isika raha nandrisika ny tanora Arabo handrebireby sy hanao an-keriny (hanolana) ny vehivavy  Isiraeliana ho endri-panoherana izy.
Dia indro indray i Naglaa El Emam fa niseho ho lohatenim-baovao rehefa  niova finoana ho kristiana ny tenany sady nanova ny anarany ho Catherine.  Nanoratra i Hazeena 3ala Masr (Malahelo an'i Ejipta):
إرتفعت أصوات طيور الظلام هذه الأيام في مصر ضد كل من الدكتور سيد القمني والمحامية نجلاء (كاترين) الإمام. الأول بسبب حصوله علي جائزة الدولة التقديرية والثانية بسبب إعلان تحولها إلي المسيحية.
Mahery vaika indray ny fanafihan'ny herin'ny ratsy ny Dr. Sayed El Qemany sy ny mpisolovava Naglaa (Catherine) El Emam. Ny voalohany noho ny loka omen'ny fanjakana azy ary ny farany kosa noho ny niovany hanaraka ny fivavahana kristiana.
Lasa saina izy:
السؤال الذي نطرحة هنا لماذا كل هذا الهجوم وهل جائرة تقدر قيمتها بأقل من أربعين الف دولار أمريكي, وهل تحول محامية مصرية يستحق كل هذا الصخب والضجيج؟؟
Mampanontany tena izao fanafihana sesilany izao. Noho ny loka 40 000 Dôlara amerikana sy ny fiovam-pinoana mpisolovava ve no anton'izany rehetra izany?
Ary dia nofeheziny hoe:
الشئ الثاني أن جائزة الدولة وقيمتها المادية البسيطة لشخصية كالقمني, أو تحول محامية للمسيحية, الأمران في حد ذاتهما لايمثلا أية أهمية فقيمة الجائزة لا تهم طيور الظلام ولا تحول فرد مسلم للمسيحية سيهدم الإسلام أو ينتقص من عدد المسلمين. فهم يعلمون أن محاولاتهم سحب قيمة الجائزة من القمني ستفشل, وكذلك لا أمل لديهم في رجوع كاترين للإسلام مرة ثانية, القضية هي قضية تسير علي طريقة المثل الشعبي المصري “إضرب المربوط يخاف السايب”. فمع سيد القمني هم يرهبون الدولة أولا حتي لا تنتهج نهجا يشجع أمثال القمني من الليبراليين, … وكذلك كاترين فلو مرت مسألة تحولها للمسيحية مرور الكرام سيظهر كل يوم كاترين جديدة, ثم كيف تتجرأ وتعلن عن تحولها للمسيحية بهذا الشكل فمجرد الإعلان هو تحقير لهم وإستهتار بمكانتهم, بل هو الفجور بعينه من وجهة نظرهم.
Tsy misy lanjany loatra ny loka sy ny fiovam-pinoana; tsy ny haben'ny volan'ny loka loatra no mahaliana ny herin'ny ratsy ary fantatr'izy ireo tsara fa tsy hita izay miova raha mihena iray ny isan'ny Silamo. Ny tena manetsika azy ireo dia ny mampatahotra ireo izay mitady hanara-dia ireo olona voalaza ireo. Tia haka toky izy ireo fa tsy hanome loka amina libre-penseur ny fanjakana, mba hotazonin'izay malala-pisainana ho azy manokana any ny heviny, ary mba tsy hivoaka avy any amin'ny miafina any ireo izay efa niova  finoana - fa raha tsy izany dia hahita Qemanys anjatony tsy menatra ny hiova finoana isika.
Nahazo fampitandremana tsy hahazo hivoaka an'i Ejipta i Naglaa El Emam mandra-pampakatry ny mpisolovavany fitsarana, Mitatitra izany i Hazeena
قال بيتر النجار محامى الحقوقية المتنصرة نجلاء الإمام إن اللواء حبيب العادلى وزير الداخلية سمح لموكلته بالسفر للخارج وأمر بإصدار جواز سفر جديد لها، رغم صدور قرار بمنعها من السفر خوفاً من هروبها للخارج. يذكر أن قرار منع نجلاء الإمام من السفر قد جاء بعد تعينها مديرة لفرع منظمة “حررنى يسوع” التى تدعو للتبشير فى مصر والتى أسسها المتنصر الدكتور محمد رحومة.
Nanambara ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny atitany hamela ny olona arovany ho afaka mivezivezy rehefa nahazo pasipaoro vaovao i Peter Al Naggar, mpisolovavan'ny niova finoana. Tsy nahazo alalana hivezivezy manko teo aloha i Naglaa noho ny fanahiana ny mety handosirany. Ny antony tsy namelana azy tsy hahazo hivoaka ny sisintany Ejipsiana manko dia noho ny fitarihany ny fikambanana misionera any Ejipsa antsoina hoe “Nanafaka ahy Jesoa” naorin'ilay niova finoana iany koa antsoina hoe Mohamed Rahouma.
Marwa Rakha