· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Marsa, 2013

Manako Any Afrika Ny Fametraham-pialàn'ny Papa

  24 Marsa 2013

Niteraka fihetseham-po tamin'ny Firenena Afrikana mampiasa ny teny Frantsay, na tamin'ny haino aman-jery nentim-paharazana na tamin'ny tambajotra sosialy, ny fanambaran'ny Papa Benoà XVI mikasika ny faniriany hiala amin'ny asany nanomboka amin'ny 28 Febroary 2013. Ny fankasitrahana ny Papa miaraka amin'ny hetaheta mba hisian'ny mpitarika Afrikana sasany haka ohatra amin'ny nataony no tena fihetseham-po nibahana tao.

Fanafihana Ny Hindou Tao Bangladesh, Valifaty Noho ny Fanamelohana Ho Faty Ilay Lehiben'ny Islamista

  20 Marsa 2013

Tsidiho ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana #Shahbag ao Bangladesy Niharan'ny fanafihana ireo Hindou ao Bangladesh, satria vonona amin'ny fampiharana herisetra goavana manerana ny firenena ireo Islamista tezitra tamin'ny didim-pitsarana fanamelohana ho faty navoakan'ny fitsarana misahana manokana ny heloka bevava an'ady ho an'i  Delwar Hossain Sayeedi, lehiben'ny antoko Jamaat-e-Islami, didimt-pit Tamin'ny 28 Febroary 2013 lasa teo...

Podcast Manokan'ny Global Voices: Habemus Podcast!

  16 Marsa 2013

Niaraka taminà kardilay Afrikana roa noheverina ho isan'ny manana vintana hisolo ny Papa Benoit XVI, dia niresaka tamin'i Steve Sharra sy Abdoulaye Bah avy amin'ny ekipa Afrika ato aminay izahay mikasika ny mety hisian'ny Papa Afrikana

Arzantina, ny Governemanta sy ny Papa Fransoà

  15 Marsa 2013

Raha niandry ny valim-pifidianana izao ho Papa vaovao izao tontolo izao, efa nanantena ny Arzantina fa olona mpiray tanindrazana aminy no ho voafidy ho Papa. Nanambara ny setroka fotsy nivoaka tao Vatikana fa vita ny fifidianana: zezoita voalohany sy papa Arzantina voalohany, Jorge Bergoglio – izay lasa Fransoà ankehitriny- no...

Guyana, Cuba: Habemus Papam, Saingy “Fa Iza Moa Izy”?

  15 Marsa 2013

Feno ny andro feno iny hatramin'ny nivoahan'ny setroka fotsy tamin'ny Lasapely Sixtine manamarika ny nandrasan'ny Katolika manerana ny tany: Habemus Papam [mg]. Araka ny hita miharihary, ny Fihidiana an-trano nataon'ny Kardinaly no nifidianana ny papa Amerikana Latina sady zezoita voalohany indrindra hatramin'izay...saingy nisy bilaogera iray nanontany hoe , "Fa iza moa izy"?

Sénégal: Namoy ny Ainy ao anaty Haintrano Ny Ankizy eny An-dalambe ao Dakar

  14 Marsa 2013

Farafahakeliny sivy no maty nandritra ny hain-trano tamin'ny alahady harivan'ny 4 marsa lasa teo nitranga tao amin'ny fokontanin'i Médina ao Dakar. Farafahakeliny ny sivy amin'ireo dia talibés (mpianatra ao amin'ny sekoly koranika iray). Efa maro ny tompon'andraikitra politika no niseho sehatra tamin'ity voina ity. Avoitran'ity voina ity manko ny fahasarotam-piainana...