· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Janoary, 2013

Fanakianana Ny Pasipaoro Diplaomatika Ho An'Ireo Solontea Ara-pinoana Ao Brezila

  22 Janoary 2013

Vao haingana ny Minisitry ny Fifandraisana Amin'ny Any Ivelany no namoaka pasipaoro diplaomatika roa [pt] ho an'ireo pasitora mpitarika ny fiangonana evanjelika Igreja Mundial do Poder de Deus (Fiangonana Manerantanin'ny Fahefan'Andriamanitra), Valdemiro Santiago de Oliveira sy ny vadiny Franciléia de Castro Gomes de Oliveira, niteraka fifanakalozan-dresaka iray momba ny fahefan'ny andrim-panjakana sy ny fanitsakitsahana ny tena famaritana ny hoe tsy fironana amin'ny ara-pinoana (laika) voasoratra ao anatin'ny lalam-panorenana ao Brezila.

SARY: Nifarana Am-pilaminana Ny Fihetsiketseha-piraisankina Nataon'ireo Shiita Tao Pakistan

  18 Janoary 2013

Nifarana ihany ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita notontosaina manerana ireo tanàna ao Pakistan. Natomboka izany fihetsiketsehana izany taorian'ny daroka baomba [mg] nahafaty olona maherin'ny 100 tao amin'ny fiarahamonina Shiita Hazara ao atsimo-andrefan'i Quetta tamin'ny 10 Janoary 2013 [mg]. Manamarika ny andro vono olona mahatsiravina indrindra teo amin'ny tantaran'ny faritany atsimo-andrefan'i Balochistan ao Pakistan ireo daroka baomba. Mpikambana ao amin'ny...