· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Septambra, 2012

Sodàna: Noràrana ny YouTube Taorian'Ny Fandoroana Ny Ambasady Alemana

Nanafika ny Ambasady Alemana sy Amerikana tao Khartoum ireo mpanao fihetsiketsehana voton-katezerana Sodàney tamin’ny Zoma 14 Septambra 2012 lasa teo, hetsi-panoherana ilay horonantsary novokarina tao Etazonia, izay manevateva ny Mpaminany Mohammad. Mitondra ny lohateny hoe “The Innoncence of Muslims” na “Tsy Fahalalàn'ny Miozolomana” ilay horonantsary Youtube maharitra 14 minitra, nitarika ny...

Arabia Saodita: Mandrahona Ny Hanakana Ny YouTube Ny Manampahefana

Notaterin'ny Sampan-draharaham-baovao ofisialy Saodiana (SPA) androany vao maraina fa naneho ny heviny tamin’ilay horonantsary “Innocence of Muslims (Tsy fahalalàn'ny miozolomana)” ny Komitin’ny Fifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao ka nandrahona ny hanidy ny YouTube, izay efa nanakatona horonantsari-mihetsika iray ihany koa farafahakeliny hatramin’ny namoahana ny fanambarana. Toy izao ny tatitry ny SPA [ar]: قامت هيئة...

Espaina : Tsy Maintsy Mandoa Ny Hetrany Ve Ny Eglizy?

  20 Septambra 2012

Zamora, tamin'ny volana mey teo no tanàndehibe espaniola voalohany nitaky hetran-trano tamin'ny eglizy katolika (IBI). Avy amin'io fanapahan-kevitra io no iezahan'ny tanàna mameno ny tsy fahampiam-bola mahazo ny fiadidiana ny tanàna any Espaina. Mivoaka amin'ny tambajotran-tserasera amin'izay ny vaovao sy ny fanehoan-kevitra isan-karazany.

Mihetsika Noho Ilay Sarimihetsika Manohitra Silamo i Pakistan

  16 Septambra 2012

Nihetsika noho ilay sarimihetsika manohitra ny silamo i Pakistan, ilay niteraka ny fahafatesan'ny Ambasadaoro Amerikana tao Libia. Nanamafy ny fiarovany ireo masoivoho diplaomatika manerana ny firenena, saingy hatreto an-katezerana ireo hetsi-panoherana saingy tsy misy herisetra.

Libanona: Mozea Virtoalin'Ny Sivana

Mirehareha ho manana Mozea Virtoalin'ny Sivana ankehitriny i Libanona, rakitra an-tserasera momba ny sivana niseho tao Libanona nanomboka ny taona 1940. Ny fikambanana Libaney MARCH no nanangana sy nampahafantatra ny tranokala mba hisarihana ny saina mikasika ny vaovao momba ny zavatra/tranga rehetra efa nosivanina. Tamin’ny 2 Septambra 2012, andro nisokafan’ny Mozean’ny Sivana,...

Tontolo Arabo: Tohina Tamin'ny Famonoana Ny Ambasadaoro Amerikana Tao Benghazi

Nanameloka ilay fanafihana tsy am-piheverana nahazo ny Kaonsilin'i Etazonia tao Benghazi, Libya tamin'ny alin'ny Talata 11 Septambra 2012 ireo mpikirakira aterineto nanerana ny tontolo Arabo. Amerkana efatra, ka isan'izany ny Ambasadaoro Christopher Stevens, no maty raha nitifitra balafomanga tany aminy ireo mpitolona, nandritra ny fotoana nitondràna azy ho amin'ny toerana azo antoka, taorian'ny fotoana naha-fahirano ny tranoben'ny kaonsily.

Mali: Azo Sakanana Ve Ny AQMI?

  03 Septambra 2012

Tahaka ny manjavona miaraka amin'ny fotoana mandeha ny vahaolana ho an'ny fifandirana ao Mali. Efa ho dimy volana izao no nisaraka ho roa io firenena io. Mitrandraka ny toe-draharaha marina ao Sahel i Julie Owono.

Maraoka: Lany Andro Ve Ny “Lanonam-panòavana” ?

Ny “bay'a” no anaran'ilay lanonam-panoavana fanao isan-taona izay hanambaran'ireo olo-manan-kaja “dignitaires” manerana an'i Maraoka ny fanoavany na ny fanekeny ny Mpanjaka Mohammed VI. nilaza ny mpitsikera [fr] fa “lanonana mahamenatra sy karazana efa lany daty izao,” ireo nankasitraka kosa nilaza fa mametraka fifanekena an'ohatra eo amin'ny vahoaka Maraokanina sy ny mpitondra izao. Tamin'ny fiandohany,...