· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Jolay, 2012

Pakistana: Ankizy 240.000 Tsy Nahazo Fanefitry Ny Lefakozatra

  29 Jolay 2012

Tandindonin-doza ny fiainan'ireo zaza bodo 240.000 noho ny fandraràna,vao haingana, ny fidiran'ny fanefitry ny lefakozatra ataon'ny Taliban any amin'ny faritry ny FATA. Ireo mpikomy dia mihevitra fa hetsika fitsikilovana io fanentanana ho fanfefitry ny lefakozatra io, ary manohana azy ireo amin'izany ny filohan'ny foko.

Bangladesh: Lasa Renivohi-kolontsaina Islamika i Dhaka

  23 Jolay 2012

Notokanana ho renivohi-kolontsaina Islamika ny renivohitr'i Bangladesh, Dhaka, miaraka amin'ireo tanàn-dehibe anankiroa hafa. Ny Fikambanana Islamika momba ny Fampianarana, ny Siantifika ary ny Kolontsaina (ISESCO), sy ny departemanta fanampiny an'ny Fikambanana Konferansa Islamika (OIC), no  nanambara izany vao haingana. Hatramin'ny taona 2004, efa nodinihan'ny ISESCO izany fandaharan'asa isan-taona izany mba hanajana ny...

Ethiopia: Mahazo Vahana Ny Fanoheran'ny Miozolomana

  15 Jolay 2012

Miha-mipoitra tsikelikely ny fahazotoan'ny miozolomana Ethiopiana manohitra ny fitsabahan'ny fitondrana mihamivandravandra amin'ny raharaham-pivavahany rehefa nanao fanentanana an-tserasera ry zareo tamin'ny volana Mey. Ary rehefa tafidina an-dalambe ny fahazotoan-dry zareo an-tserasera dia nanomboka nampiasa hery tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana federaly Ethiopiana. Araka ny nolazain'ireo mpikatroka ao an-toerana manoratra ao...

Emirà Arabo Mitambatra : Fahatezerana noho ilay Fampisehoan'i Madonna Tao Risqué

Nanomboka ny fitetezam-paritra tany Afovoany tsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny 1 Jona IiMadonna ka nanatanteraka ny fampisehoany voalohany tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny 3 sy 4 Jona. Niteraka fifandirana ny fampisehoana  noho ny fitafian'i Madonna sy ny lohahevitra ataony mirona amin'ny fanintonan'ny nofo Miatrika fanoherana avy amin'ny antokon'olona mpandala ny...

Mozambika: Fodian'ireo Mpianatra Voaroaka Avy Any Sodana

  12 Jolay 2012

Dimy tamin'ireo mpianatra telopolo nisoratra hahazo vatsim-pianarana ao amin'ny Anjerimanontolo Iraisampirenen'i Sodana izay, tany akaikin'ny faran'ny Aprily, no nanasonia fitarainana iray teny anatin'ireo tambajotra sosialy, mikasika ny olana ara-bola sy sosialy atrehan-dry zareo ao amin'ity firenena mampiantrano an-dry zareo ity, ary efa tafaverina any Mozambika ...Raha izay mba fantatra, tsy misy, hatramin'ny anio, olona nandray ny andraikiny