· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Fivavahana tamin'ny Marsa, 2012

Rosia: Ny Fiainan'ny Silamo Ankehitriny Ao Mosko – Ny Zava-misy

  31 Marsa 2012

Ny fitomboan'ny mponina silamo ao Moskoa dia maneho ny lalana izoran'ny foko sy finoana Rosiana eo anivon'ny tantara sy zava-nisy izay nanova ny fijerin'ny Rosiana sy ny fandraisany ny vahiny, izay namolavola ny fomba teo amin'ny fiarahamoniny sy ny politikan'ny governemantany ankehitriny momba azy ireny

Kiobà: Iza No Hotohanan'ny Papa?

  29 Marsa 2012

Tamin'ny 26 Martsa, tamin'ny 2:00 ora tolakandro, ora ao an-toerana, tonga tao Santiago ao Kiobà ny Papa Benoà XVI, izay fitsidihana faharoa nataon'ny Papa Ray Masin'ny Fiangonana Katolika ao amin'ny Nosy Karaiba tao anatin'ny 14 taona. Tao anatin'ny andro maromaro, niparitaka tao amin'ny faritra manodidina ny renivohitry Plaza de la Revolución...

Chile: Mifanakalo Hevitra Momba Ny Fampiatoana Vohoka Noho Ny Antony Ara-Pahasalamana Ny Twitter Raha Mbola Mihainohaino Kosa Ny Antenimieran-doholona

  29 Marsa 2012

Raha mitohy hatrany manemotra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanaovana ny fampiatoana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana ny Antenimieran-doholona, mitohy tsy mitsahatra kosa ny fifanakalozana fomba fijery ao anatin'ny habaka cyber Siliana, indrindra fa taorian'ny fifanakalozan-kevitra tanaty fandaharana roa tao amin'ny fahitalavitra Siliana mikasika io olana io.

Kiobà: Mitodika Any Amin'ny Hoavin'ny Kiobà Ny Lahatenin'ny Papa Benoà XVI

  28 Marsa 2012

Tao amin'ny firenena Karaiba, lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny fahatongavan'i Papa Benoà XVI tao Santiago ao Kiobà.  Raúl Castro sy ny anaran'ny faritany Andrefana no tena anisan'ny lohahevitra be mpitsidika indrindra omaly atoandro. Taorian'ny fahatongavan'i Papa, nanao lahateny fiarahabana azy ny Filoha Raúl Castro: Cuba lo recibe con afecto...

Kiobà: Lohataona Mainty, Sivy Taona Taty Aoriana

  22 Marsa 2012

Manamarika ny fahasivy taona nisiany ny Lohataona Mainty Kiobàna – nampiasaina ny voambolana hanazavazavana ny famoretana nataon'ny fitondrana tamin'ny mpisintaka nandritra ny 2003. Olona 75 no nogadraina taorian'ny hetsi-pamoretana, nampangaina ho miasa ho amin'ny tombotsoan'i Etazonia. Heverina fa efa noafahana avokoa ny gadra politika notazonina nandritra ny Lohataona Mainty, nanomboka tamin'ny 2010,...

Ejipta: Iadian-kevitra Ao Amin'ny Antenimiera Ny Zon'ny Vehivavy Afaka Misara-panambadiana

Miteraka adihevitra ao amin'ny tranokala tambazotra sosialy hatrany ny fandehan'ny asan'ny solombavambahoaka vaovao Ejipsiana. Toa mampiseho fa dingana mankany amin'ny demokrasia ny fisian'ireo parlemantera vaovao ireo. Na dia izany aza, manohy miadihevitra momba ny olana tsy mifandraika amin'ny filàna maika eo amin'ny firenena ireo parlemanta – toy ny fangatahana handrara ny...

Kiobà: Mamaly Ny Ataon'ny Arseveka ny Mpibilaogy

  19 Marsa 2012

Tonga eo amin'ny dingana mangotraka momba ny  asam-pamoretana ara-pivavahana sy ara-politika mitranga ny mpibilaogy nefa tsy mbola tonga akory ny papa. Ny mampiady hevitra hevitra farany moa dia mampanahy tokoa ny mpibilaogy, tahaka ny fangatahana hanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana amin'ny fiangonana avy amin'ny Kardinaly Jaime Ortega, Arsevekan'i Havana, izay “milazalaza ny fibodoana...

Ejipta: Mandria Am-piadanana Papa Shenouda III

Matroka tanteraka ny filentehan'ny masoandro tao Ejipta omaly [asabotsy] – Nodimandry tamin'ny faha-89 taonany rehefa niady mafy tamin'ny aretina nandritra ny fotoana maharitra  Pope Shenouda III. Taorian'ny fandrenesana ny vaovao mampalahelo dia an'arivony no nizotra nankany amin'ny Katedhraly Abbaseya haneho fiaraha-miory sy fanajana. Taorian'ny fanambarana ny fahafatesany dia niely tato...

Pakistana : Fandripahana ny Shiita – Hatrany Karashi ka hatrany Kohistana

  15 Marsa 2012

Fiovana ara-politika tany Pakistana tao aorian'i Osama Ben Laden no nametraka onja vaovao ny fampihorohoroana indrindra teo amin’ireo Shiita vitsy anisa. Tamin'ny taon-dasa dia Shiita maro no voafandrika tao Karashi hatrany Kohistana ary novonoina, Maro amin’ireo mpandinika moa no milaza fa fandripahana vondron'olona izy io.